Ezekiela 18:1-32

18  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Inona moa no tianareo holazaina amin’izao fitenenana fampiasanareo any amin’ny tanin’ny Israely izao: ‘Ny ray no mihinana voaloboka manta, nefa ny nifin’ny zanany no madilo’?+  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hampiasa izany fitenenana izany intsony ianareo, any Israely.  Fa ahy ny aina rehetra.+ Ahy+ ny ain’ny+ ray, ary toy izany koa ny ain’ny zanaka. Izay* manota+ no ho faty.+  “‘Raha olo-marina ny olona iray ka manao ny rariny sy manao izay mahitsy;+  tsy nihinana+ sorona teny an-tendrombohitra+ izy, na niandrandra an’ireo sampy maharikoriko notompoin’ny taranak’Israely;+ tsy nandoto vadin’olona izy+ na nanao firaisana tamin’ny vehivavy mbola maloton’ny fadimbolany;+  tsy nampijaly olona izy;+ ary naveriny ny antoka nalainy tamin’izay nitrosa taminy;+ tsy naka an-keriny fananan’olona izy;+ ary nomeny ho an’ny noana ny sakafony,+ ary nampitafiany ny tsy manan-kitafy;+  tsy naka zanabola izy+ na naka tombony rehefa nampisambo-bola;+ tsy nanao ny tsy rariny izy;+ ary nampihatra ny rariny sy ny hitsiny tamin’ny olona nifampitory;+  ny lalàko foana no notandremany;+ ary ny didim-pitsarako no nampihariny mba hanaovany ny marina,+ eny, raha izany rehetra izany no ataony, dia olo-marina izy+ ka ho velona tokoa’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 10  “‘Raha misy raim-pianakaviana manana zanaka mpandroba+ na mpandatsa-dra,+ na manao zavatra mitovitovy amin’ny iray amin’ireo 11  —nefa izy kosa tsy mba nanao izany—raha nihinana sorona teny an-tendrombohitra izy,+ na nandoto vadin’olona;+ 12  na nampijaly ny ory sy ny mahantra izy;+ na naka an-keriny fananan’olona;+ na tsy namerina ny antoka nalainy;+ na niandrandra an’ireo sampy maharikoriko,+ dia zava-mahatsiravina izany nataony izany.+ 13  Naka tombony izy+ na naka zanabola rehefa nampisambo-bola+ ka ho faty tokoa. Izany zava-maharikoriko rehetra izany no nataony,+ ka hovonoina ho faty tokoa izy. Ary izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+ 14  “‘Raha misy raim-pianakaviana manan-janaka, ka hitan’io zanany io ny fahotana rehetra nataon-drainy, ary hitany izany fa izy kosa tsy mba nanao toy izany;+ 15  tsy nihinana sorona teny an-tendrombohitra izy, na niandrandra an’ireo sampy maharikoriko notompoin’ny taranak’Israely;+ tsy nandoto vadin’olona;+ 16  tsy nampijaly olona+ na naka antoka;+ tsy nandroba fananan’olona;+ ary nomeny ho an’ny noana ny sakafony+ ary nampitafiany ny tsy manan-kitafy;+ 17  tsy nampijaly ny ory izy, ary tsy naka tombony+ na naka zanabola+ rehefa nampisambo-bola; fa ny didim-pitsarako no notanterahiny+ ary ny lalàko no notandremany,+ dia tsy ho faty noho ny fahadisoan’ny rainy izy,+ fa ho velona tokoa.+ 18  Fa ilay rainy kosa no ho faty+ noho ny fahadisoan’ny tenany, satria nanambaka an-kitsirano izy+ sady naka an-keriny ny fananan’ny rahalahiny+ ary nanao izay ratsy teo amin’ny fireneny.+ 19  “‘Dia hilaza ianareo hoe: “Fa nahoana kosa ny zanaka no tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy?”+ Satria ilay zanaka nanao ny rariny sy nanao izay mahitsy,+ ary nitandrina ny lalàko rehetra sy nankatò izany foana,+ ka ho velona tokoa.+ 20  Fa izay* manota no ho faty.+ Tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny rainy ny zanaka, ary tsy hizaka ny vokatry ny fahadisoan’ny zanaka ny rainy.+ Ny olo-marina ihany no hovalian-tsoa noho ny fahamarinany,+ ary ny ratsy fanahy ihany no hizaka ny vokatry ny faharatsiany.+ 21  “‘Ary raha miala amin’ny fahotany rehetra ny ratsy fanahy,+ ka tena mitandrina ny lalàko rehetra ary manao ny rariny sady manao izay mahitsy,+ dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.+ 22  Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra vitany,+ ary tsy hanamelohana azy intsony izany. Koa ho velona izy, noho ny fahamarinany.’+ 23  “‘Sitrako ve ny hahafatesan’ny ratsy fanahy’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘fa tsy ny hialany amin’ny ratsy fanaony mba ho velona izy?’+ 24  “‘Raha miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny olo-marina ka manao ny tsy rariny,+ ary ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny ratsy fanahy no ataony fanao,+ ary mbola velona izy, dia tsy hisy hotsarovana ny fahamarinana rehetra nataony.+ Ho faty izy satria nivadika sy nanota.+ 25  “‘Dia hiteny ianareo hoe: “Tsy mety ny ataon’i Jehovah.”+ Koa henoy àry, azafady, ry taranak’Israely ô! Tsy mety tokoa ve ny ataoko?+ Tsy ny ataonareo ve no tsy mety?+ 26  “‘Raha miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny olo-marina ka manao ny tsy rariny,+ ary maty noho izany, dia ho faty tokoa izy noho ny nanaovany ny tsy rariny.+ 27  “‘Ary raha miala amin’ny ratsy fanaony ny ratsy fanahy ka manao ny rariny sady manao izay mahitsy,+ dia ny tenany ihany no hitsimbina ny ainy.+ 28  Rehefa tsapany+ ny fahadisoana rehetra vitany ka miala amin’izany izy,+ dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.+ 29  “‘Dia hiteny ny taranak’Israely hoe: “Tsy mety ny ataon’i Jehovah.”+ Ny ataoko ve no tsy mety, ry taranak’Israely ô?+ Tsy ny ataonareo ve no tsy mety?’+ 30  “‘Koa arakaraka izay nataonareo avy no hitsarako anareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ ‘Mibebaha ka mialà amin’ny fahadisoana rehetra nataonareo,+ ary aoka tsy hisy na inona na inona ho tonga vato mahatafintohina anareo, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana.+ 31  Esory aminareo ny fahadisoana rehetra vitanareo,+ ka ataovy izay hananana fo vaovao+ sy toe-tsaina vaovao.+ Fa nahoana ianareo no ho faty,+ ry taranak’Israely ô?’ 32  “‘Tsy sitrako mantsy ny hahafatesan’iza na iza’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Koa mialà amin’ny lalan-dratsinareo mba ho velona ianareo!’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “Ho eo an-dohany ihany ny rany.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.