Ezekiela 19:1-14

19  “Ary manaova hira fanehoana alahelo+ an’ireo mpiadidy eo amin’ny Israely,+  ka lazao hoe: ‘Inona moa ny reninareo? Liom-bavy eo anivon’ny lion-dahy izy.+ Mandry eo anivon’ny liona tanora izy, ary mitaiza an’ireo zanany.  “‘Notezainy ny iray tamin’ireo zanany,+ ka lasa liona tanora matanjaka, izay nianatra namiravira remby,+ ary nihinana olona mihitsy.  Nandre momba azy foana ireo firenena. Voafandrika anefa izy ka latsaka tao amin’ny lavaka nataon’izy ireo, ary notaritiny tamin’ny faraingo nankany Ejipta.+  “‘Rehefa hitan’ilay liom-bavy fa very maina fotsiny ny niandrasany, ary efa tsy nisy fanantenana intsony, dia nalainy indray ny zanany iray,+ ka nataony lasa liona tanora matanjaka.  Dia nandehandeha teo anivon’ireo liona izy io. Lasa liona tanora matanjaka izy io ary nianatra namiravira remby,+ ka nihinana olona mihitsy.+  Fantany hoe aiza no misy ny tilikambo fonenan’ireo, ary nataony fongana ny tao an-tanàna,+ hany ka lao ilay tany. Ary nataony re eran’ilay tany ny fierony.+  Koa nanatona hamely azy ny firenena avy any amin’ireo faritany manodidina,+ ka namelatra harato hanarona azy.+ Voafandrika izy ka latsaka tao amin’ny lavaka nataon’izy ireo.+  Dia notaritin’izy ireo tamin’ny faraingo izy ka nataony tao anaty vata makarakara,+ ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babylona. Haraton’ny mpihaza no nitondran’izy ireo azy. Amin’izay dia tsy ho re eny amin’ny tendrombohitr’i Israely+ intsony ny feony. 10  “‘Ny reninareo+ dia toy ny voaloboka ao anatin’ny ranareo,+ eny, voaloboka nambolena teo amoron-drano. Namoa be izy ary maro ny rantsany, satria azon-drano tsara izy.+ 11  Dia nanjary sampan-kazo matanjaka ireo rantsany, ka azo nanaovana tehim-panjakana.+ Nihanitombo ilay voaloboka ka lasa avo be raha oharina amin’ny rantsan’ny hazo hafa. Ary tazana tsara izy, satria avo sady be dia be ny raviny sy ny rantsany.+ 12  Nongotana tamin-katezerana anefa izy tamin’ny farany,+ ary natsipy tamin’ny tany. Dia azon’ny rivotra avy any atsinanana ny voany ka maina.+ Notapahina ilay sampan-kazo matanjaka ka nanjary maina,+ ary nolevonin’ny afo.+ 13  Ambolena any an-tany efitra anefa izy izao,+ any amin’ny tany ngazana sy karakaina.+ 14  Nisy afo avy tamin’ilay sampan-kazo,+ ka nandevona ny rantsany sy ny voany. Dia tsy nisy sampan-kazo matanjaka na tehim-panjakana intsony avy taminy.+ “‘Hira fanehoana alahelo izany, ary mbola ho fanehoana alahelo.’”+

Fanamarihana