Ezekiela 2:1-10

2  Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona,+ mitsangàna fa hiteny aminao aho.”+  Raha vao niteny tamiko izy,+ dia tonga tamiko ny fanahy ka io no nampitsangana ahy, mba handrenesako an’Ilay miteny amiko.+  Hoy koa izy tamiko: “Ry zanak’olona, irahiko ho any amin’ny taranak’Israely ianao,+ dia any amin’ireo firenena mpikomy izay nikomy tamiko.+ Fa nandika ny lalàko izy ireo sy ny razany mandraka androany.+  Ho any amin’ny taranaka mpamingavinga+ sy mafy loha+ no anirahako anao. Koa izao lazaina aminy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’  Koa na hihaino+ izy ireo na tsia,+ fa taranaka mpikomy+ izy, dia ho fantany tokoa fa efa nisy mpaminany teo aminy.+  “Ary ianao, ry zanak’olona, aza matahotra azy!+ Aza atahorana ny teniny, na dia misy olona mafy hatoka+ aza amin’izy ireo ary na misy zavatra manindrontsindrona+ anao aza. Fa eo anivon’ny maingoka+ ianao no monina. Aza atahorana ny teniny,+ ary aza atao mampihorohoro anao ny tarehiny,+ fa taranaka mpikomy izy.+  Holazainao amin’izy ireo ny teniko na hihaino izy na tsia, satria mpikomy izy.+  “Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izay lazaiko aminao. Aza mikomy tahaka an’io taranaka mpikomy io.+ Sokafy ny vavanao ka hano izay omeko anao.”+  Koa nijery aho, dia iny fa nisy tanana nitsotra nankeo amiko+ sady nihazona horonam-boky.+ 10  Dia novelariny tsikelikely teo anatrehako ilay horonam-boky. Nisy soratra ambadika sy ambadika ilay izy.+ Hira fisaonana no voasoratra tao, ary koa fanehoana alahelo sy fahoriana.+

Fanamarihana