Ezekiela 20:1-49

20  Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito, dia tonga mba hanontany an’i Jehovah ny anti-panahy sasany teo amin’ny Israely,+ ka nipetraka teo anoloako.+  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, mitenena amin’ireo anti-panahin’ny Israely ireo, ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanontany ahy ve no nahatongavanareo?+ ‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hanaiky hanontanianareo.’”’+  “Tsy tokony efa hitsara azy ireo ve ianao? Tsy tokony efa hitsara azy ireo ve ianao, ry zanak’olona?+ Ampahafantaro azy ny zava-maharikoriko nataon’ny razany.+  Koa lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tamin’ny andro nifidianako ny Israely,+ dia nanangan-tanana aho+ ka nianiana tamin’ny taranak’i Jakoba,+ ary nampahafantatra ny tenako tamin’izy ireo tany Ejipta.+ Eny, nanangan-tanana aho ka nianiana taminy hoe: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrareo!’+  Tamin’izany andro izany, dia nanangan-tanana aho+ ka nianiana tamin’izy ireo fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely,+ dia ilay tany efa nojereko taratra mba homena azy ireo. Ravaky ny tany rehetra izy io.+  Dia hoy ihany aho taminy: ‘Samia ianareo manary ny zava-maharikoriko nandrandrainareo,+ ary aza mandoto tena amin’ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’+  “‘“Nikomy tamiko anefa izy ireo+ sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nisy tamin’izy ireo nanary ny zava-maharikoriko nandrandrainy, ary tsy nisy koa nahafoy an’ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Koa nilaza aho fa hampihariko aminy ny fahatezerako, mba hanamparako ny fahavinirako aminy any Ejipta.+  Narovako anefa ny anarako mba tsy hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena nisy azy.+ Nampahafantatra ny tenako tamin’izy ireo teo imason’ireny mantsy aho, rehefa nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+ 10  Koa navoakako avy tany Ejipta izy ireo, ary nentiko tany an-tany efitra.+ 11  “‘“Dia nomeko azy ireo ny lalàko+ ary nampahafantariko azy ny didim-pitsarako,+ mba ho velona izay olona mitandrina izany.+ 12  Nomeko azy ireo koa ny sabatako+ ho famantarana eo amiko sy aminy,+ mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy. 13  “‘“Nikomy tamiko tany an-tany efitra anefa ny taranak’Israely.+ Tsy notandreman’izy ireo ny lalàko,+ ary nolaviny ny didim-pitsarako.+ Ho velona anefa ny olona raha mitandrina izany.+ Ary nozimbazimbain’izy ireo tanteraka ny sabatako,+ ka nilaza aho fa hanampatra ny fahatezerako aminy any an-tany efitra, mba ho ripaka tanteraka izy ireo.+ 14  Narovako anefa ny anarako mba tsy hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo.+ 15  Nanangan-tanana koa aho ka nianiana tamin’izy ireo tany an-tany efitra,+ fa tsy hitondra azy any amin’ilay tany nomeko azy, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely+ sady ravaky ny tany rehetra,+ 16  satria nolavin’izy ireo ny didim-pitsarako. Tsy notandreman’izy ireo koa ny lalàko ary nozimbazimbainy ny sabatako, satria niraiki-po tamin’ireo sampiny maharikoriko izy ireo.+ 17  “‘“Niantra azy ireo anefa ny masoko, ka tsy naringako izy ireo+ ary tsy naripako tany an-tany efitra. 18  Fa hoy aho tamin’ny taranany tany an-tany efitra:+ ‘Aza manaraka ny fitsipiky ny razanareo+ na mampihatra ny didim-pitsarany,+ ary aza mandoto tena amin’ireo sampiny maharikoriko.+ 19  Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Tandremo ny lalàko+ ary hajao ny didim-pitsarako,+ ka ampiharo.+ 20  Hamasino ny sabatako+ ary aoka ho famantarana eo amiko sy aminareo izany, mba ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’+ 21  “‘“Nikomy tamiko anefa ny taranany.+ Tsy notandremany ny lalàko ary tsy nohajainy ny didim-pitsarako, ka tsy notanterahiny. Ho velona anefa ny olona raha mitandrina izany.+ Nozimbazimbain’izy ireo koa ny sabatako.+ Koa nilaza aho fa hampihariko aminy ny fahatezerako, mba hanamparako ny fahavinirako aminy any an-tany efitra.+ 22  Nahemotro anefa ny tanako+ ary narovako ny anarako, mba tsy hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo.+ 23  Ary nanangan-tanana aho ka nianiana tamin’izy ireo tany an-tany efitra,+ fa haparitako any amin’ireo firenena izy ireo ary haeliko any amin’ny tany samy hafa,+ 24  satria tsy nanatanteraka ny didim-pitsarako+ izy ireo, fa nandika ny lalàko+ sy nanazimbazimba ny sabatako+ ary nibanjina an’ireo sampy maharikoriko notompoin’ny razany.+ 25  Koa navelako hanana fitsipika tsy mahasoa izy ireo, ary navelako hanaja didim-pitsarana izay tsy hampaharitra ny fiainany.+ 26  Navelako ho voaloton’ny fanomezana nataony izy ireo, rehefa nodorany* tao anaty afo ny voalohan-terany rehetra,+ mba handringanako tanteraka azy ireo, ka ho fantany fa izaho no Jehovah.”’+ 27  “Koa mitenena amin’ny taranak’Israely, ry zanak’olona, ka lazao hoe:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tamin’io lafiny io koa, dia nanevateva ahy ny razanareo rehefa nivadika tamiko.+ 28  Kanefa nentiko tany amin’ilay tany+ efa nananganako tanana sy nianianako homena azy ihany izy ireo.+ Isaky ny nahita havoana avo+ sy hazo maro rantsana anefa izy ireo, dia nanolotra sorona+ sy fanatitra mahatezitra teny amin’ireny. Teny koa izy ireo no nanolotra hanitra mampitony,+ ary teny izy ireo no nandraraka fanatitra zava-pisotro.+ 29  Koa hoy aho taminy: ‘Midika ho inona ireny toerana avo falehanareo ireny? Antsoina hoe Toerana Avo mantsy ireny mandraka androany.’”’+ 30  “Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Mandoto tena sahala amin’ny nataon’ny razanareo ve ianareo?+ Ary ireo zava-maharikoriko notompoiny ve no hanananareo fifandraisana mamoafady?+ 31  Manandratra ny fanomezana avy aminareo ianareo, rehefa mandoro* ny zanakareo ao anaty afo.+ Mbola mandoto tena amin’izany fomba izany ihany ve ianareo mandraka androany, ho voninahitr’ireo sampinareo maharikoriko rehetra?+ Koa hanaiky hanontanianareo ve aho, ry taranak’Israely ô?”’+ “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy aho.+ 32  Mieritreritra ianareo hoe: “Andao isika hanao sahala amin’ireo firenena, toy ny vahoaka any amin’ny tany samy hafa,+ ka hanompo vato aman-kazo.”+ Tsy ho tanteraka+ mihitsy anefa izany ao an-tsainareo+ izany.’” 33  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia amin’ny tanana mahery sy sandry ahinjitra+ ary amin-katezerana mafy no hanjakako aminareo.+ 34  Havoakako avy any amin’ireo firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ireo tany nanaparitahana anareo. Amin’ny tanana mahery sy sandry ahinjitra ary amin-katezerana mafy no hanaovako izany.+ 35  Dia hoentiko any an-tany efitr’ireo firenena ianareo,+ ka any aho no hifandahatra sy hifanatrika aminareo.+ 36  “‘Hifandahatra aminareo aho, sahala amin’ny nataoko tamin’ny razanareo tany an-tany efitr’i Ejipta’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 37  ‘Hampandaloviko eo ambany tehin’ny mpiandry ondry ianareo,+ ka hataoko voafatotry ny fifanekena.+ 38  Ary hesoriko eo aminareo ireo nikomy tamiko sy nandika ny lalàko,+ satria havoakako avy any amin’ny tany nivahiniany izy ireo. Tsy ho tonga ao amin’ny tanin’ny Israely anefa izy ireo.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’+ 39  “Izao kosa no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony aminareo, ry taranak’Israely ô: ‘Mandehana daholo àry manompo ny sampinareo maharikoriko e!+ Aorian’izay, raha tsy mihaino ahy ianareo, dia tsy hozimbazimbainareo intsony ny anarako masina, na dia hanolotra fanomezana sy hanompo an’ireo sampinareo maharikoriko+ aza ianareo.’ 40  “‘Fa any amin’ny tendrombohitro masina, any amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘no hanompoan’ny taranak’Israely manontolo ahy, ao amin’ilay tany.+ Any no hankasitrahako azy ireo. Any koa no hitakiako ny fanomezana avy aminareo sy ny voaloham-bokatra atolotrareo, dia ny zava-masina rehetra aterinareo.+ 41  Noho ilay hanitra mampitony, dia hankasitraka anareo aho,+ rehefa hamoaka anareo avy any amin’ireo firenena sy hanangona anareo avy any amin’ny tany nanaparitahana anareo.+ Koa amin’ny alalanareo no hanamasinana ahy eo imason’ireo firenena.’+ 42  “‘Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah,+ rehefa hoentiko any amin’ny tanin’ny Israely ianareo,+ eny, any amin’ilay tany nananganako tanana sy nianianako homena ny razanareo. 43  Rehefa any dia hotsaroanareo ny nataonareo+ sy ny zava-drehetra nataonareo handotoana ny tenanareo,+ ary ho hita eo amin’ny endrikareo fa haharikoriko anareo ny zava-dratsy rehetra vitanareo.+ 44  Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah+ rehefa hanao zavatra noho ny anarako aho,+ fa tsy araka ny lalan-dratsinareo na ny ratsy fanaonareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 45  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 46  “Ry zanak’olona, mitodiha+ any amin’ny ilany atsimo ka mitenena+ amin’izay any atsimo, ary maminania momba ny alan’ny faritra atsimo. 47  Koa izao lazaina amin’ny ala any atsimo: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah. Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Handrehitra afo eo aminareo aho,+ ka ho levon’izany ny hazo rehetra mbola maitso sy ny hazo maina rehetra eo aminareo.+ Tsy hovonoina izany afo midedadeda izany,+ ka ho main’izy io daholo ny tarehy* rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.+ 48  Dia ho hitan’ny nofo rehetra fa izaho Jehovah no nandrehitra ilay afo, ka tsy hovonoina izany.”’”+ 49  Fa hoy aho: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Izao no lazain’izy ireo momba ahy: ‘Tsy manao fanoharana indray ve ilehio?’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “nampandaloviny.”
A.b.t.: “mampandalo.”
Na: “vohon-tany.”