Ezekiela 21:1-32

  • Hotsoahana avy ao anaty tranony ny sabatr’i Jehovah (1-17)

  • Hanafika an’i Jerosalema ny mpanjakan’i Babylona (18-24)

  • Hesorina ilay ratsy fanahy mpiadidy ny Israely (25-27)

    • “Tsoahy ny satroboninahitra” (26)

    • “Mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna” (27)

  • Sabatra handripahana ny Amonita (28-32)

21  Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe: 2  “Ry zanak’olona, mitodiha any Jerosalema, ary milazà teny fanamelohana an’ireo toerana masina, dia maminania hoe hisy loza hanjo ny tanin’ny Israely. 3  Lazao amin’ny tanin’ny Israely hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Hiady aminao aho, ka hotsoahako avy ao anaty tranony ny sabatro.+ Dia samy haringako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao. 4  Dia havoaka avy ao anaty tranony ny sabatro, ka hasiany ny olona* rehetra hatrany atsimo ka hatrany avaratra, satria haringako ny olo-marina sy ny ratsy fanahy eo aminao. 5  Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona rehetra fa izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro avy tao amin’ny tranony, ka tsy hiverina ao intsony izy io.”’+ 6  “Ry zanak’olona, misentoa amin’ilay ianao* mangovitra iny. Misentoa mafy amin’alahelo be, eo imason’izy ireo.+ 7  Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Fa maninona ianao no misento?’, dia lazao hoe: ‘Satria misy vaovao ratsy.’ Fa tsy maintsy ho tonga izany, ka hitebiteby noho ny tahotra ny fon’ny olona rehetra. Hiraviravy tanana sy ho kivy koa izy rehetra, ary hisy rano mitete eo amin’ny lohalika rehetra.*+ ‘Tsy maintsy ho tonga izany sady tena hitranga’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 8  Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe: 9  “Ry zanak’olona, maminania hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Milazà hoe: ‘Sabatra! Sabatra+ norangitina sady nokosehina hangirana. 10  Norangitina mba handripahana olona be dia be ilay sabatra. Nokosehina mba hanjelanjelatra hoatran’ny tselatra ilay izy.’”’” “Tsy tokony ho faly ve isika?” “‘Holavin’izy io* ve ilay tehim-panjakan’ny zanako,+ hoatran’ny ataony amin’ny hazo rehetra? 11  “‘Nomena mba hokosehina hangirana ilay sabatra, dia hampiasaina hamonoana olona. Norangitina sy nokosehina hangirana ilay izy mba hatolotra an’izay handringana.+ 12  “‘Miantsoantsoa mafy sy midradradradrà,+ ry zanak’olona, satria hamely ny vahoakako sy ny mpiadidy rehetra eo amin’ny Israely+ ilay sabatra. Ho fatin’ilay sabatra izy ireo sy ny vahoakako. Dia kapohy ny fenao ho fanehoana alahelo. 13  Efa natao ny fandinihana.+ Dia ahoana raha lavin’ilay sabatra ilay tehim-panjakana? Tsy hisy intsony ilay izy’,*+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 14  “Ary ianao, ry zanak’olona, maminania dia mitehafa, ary mitenena intelo hoe: ‘Sabatra!’ Sabatra mamono olona no manodidina azy ireo, dia sabatra mandripaka olona be dia be.+ 15  Hitebiteby noho ny tahotra ny fon’izy ireo,+ ary ho betsaka no ho lavo eny am-bavahadin’ny tanànany. Handripaka amin’ny sabatra aho. Manjelanjelatra hoatran’ny tselatra ilay izy, sady norangitina mba handripahana olona! 16  Kapao ny eo ankavanana! Asio koa ny eo ankavia! Dia mandehana any amin’izay tandrifin’ny lelan-tsabatrao! 17  Hitehaka koa aho, dia ho afaka ny hatezerako.+ Izaho Jehovah no efa niteny.” 18  Dia niteny tamiko indray i Jehovah hoe: 19  “Ry zanak’olona, manorita lalana roa hisafidianan’ny sabatry ny mpanjakan’i Babylona. Hiainga avy any amin’ny tany iray ireo lalana ireo, ary tokony hasiana marika* eo amin’ilay sampan-dalana mankany amin’ny tanàna roa. 20  Sorito ny lalana iray hidiran’ilay sabatra hamely an’i Raba+ tanànan’ny Amonita, ary sorito koa ny lalana iray hidirany hamely an’i Jerosalema,+ ilay tanàna voaro mafy any Joda. 21  Fa mijanona mba hanao sikidy eo amin’ny sampanan-dalana ny mpanjakan’i Babylona, satria eo no misampana ny lalana. Ahontsankontsany ireo zana-tsipìka. Anontaniany ny sampiny,* ary dinihiny ny atin-kena. 22  Dia manondro an’i Jerosalema ilay sikidy eny an-tanany ankavanana, ka hampiasa lohondry vy fandravana izy, hanome baiko ny miaramilany mba handripaka olona, hanao hiakan’ady, hampiasa lohondry vy handrodanana vavahady, ary hanangana dongon-tany sy manda hanaovana fahirano.+ 23  Hihevitra anefa ireo* nanao fianianana tamin’izy ireny hoe lainga fotsiny izany sikidy izany.+ Izy* anefa mahatsiaro ny fahadisoana nataon’izy ireo ka hosamboriny izy ireo.+ 24  “Izao àry no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ianareo ihany no nahatonga ny olona hahatadidy ny fahadisoanareo, rehefa nataonareo nibaribary ny helokareo sady nataonareo niharihary ny fahotanareo tamin’ny zavatra rehetra nataonareo. Tsaroan’ny olona izao ianareo ka hoentina an-keriny.’* 25  “Tonga anefa ny andronao, ry ilay maratra mafy efa ho faty, ry ilay ratsy fanahy mpiadidy ny Israely.+ Tonga ilay fotoana hanasaziana farany anao. 26  Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Esory ny fehilohan’ny mpanjaka, ary tsoahy ny satroboninahitra.+ Efa hiova ny zava-drehetra.+ Ataovy misandratra ny olona ambany,+ dia ataovy mietry ny olona ambony.+ 27  Horavako, horavako, horavako izany,* ka tsy ho lasan’iza na iza mihitsy, mandra-pahatongan’ilay manana zo ara-dalàna hahazo an’izany.+ Dia homeko azy izany.’+ 28  “Ary ianao, ry zanak’olona, maminania hoe: ‘Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony momba ny Amonita sy ny teny manambanimbany nataon’izy ireo.’ Teneno hoe: ‘Sabatra! Misy sabatra notsoahina mba handripahana olona. Nokosehina hangirana ilay izy mba hamonoana olona, sy mba hanjelanjelatra hoatran’ny tselatra. 29  Hivangongo eny ambonin’ny fatin’ny* ratsy fanahy ny fatin’ny olona ao aminao, na dia teo aza ny fahitana sandoka sy faminaniana lainga avy amin’ny sikidy natao momba anao. Efa tonga mantsy ny andro sy ny fotoana hanasaziana farany an’ireny ratsy fanahy ireny. 30  Avereno ao anaty tranony ilay sabatra. Ary hotsaraiko ao amin’ny toerana namoronana anao ianao, dia ao amin’ny tany niavianao. 31  Hanamparako ny hatezerako ianao. Dia hotsofiko handoro anao hoatran’ny afo ny hatezerako, ka hataoko resin’ny olona mahery setra ianao, dia olona tena mahay mandringana.+ 32  Ho lasa hoatran’ny kitay ao anaty afo+ ianao. Handriaka eran’ilay tany ny ranao, ka tsy hotsaroana intsony ianao, fa izaho Jehovah no efa niteny.’”

Fanamarihana

Abt: “nofo.”
Abt: “andilanao.”
Izany hoe ho latsaka ho azy ny amany satria matahotra.
Izany hoe ilay sabatr’i Jehovah.
Na: “ilay tehim-panjakana.”
Abt: “tanana.”
Abt: “ny terafima.”
Izany hoe ny mponin’i Jerosalema.
Azo inoana hoe ny mpanjakan’i Babylona.
Abt: “hoentin’ny tanana.”
Na: “ilay satroboninahitra”, izay azo inoana hoe ilay fanjakana.
Abt: “vozon’ny fatin’ny.”