Ezekiela 22:1-31

22  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, tsy tokony hitsara ve ianao?+ Tsy tokony hitsara an’ilay tanàna mpandatsa-dra+ ve ianao? Ary tsy tokony hampahafantarinao azy tokoa ve ny zava-maharikoriko rehetra nataony?+  Koa lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ianao dia tanàna mandatsaka ny ran’ny+ olona ao aminao, mandra-pahatongan’ny fotoana hamaliana anao!+ Nanamboatra sampy maharikoriko tao aminao ianao mba hampahaloto anao.+  Meloka ianao noho ny ra nalatsakao tao aminao.+ Ary nanjary naloto ianao noho ny sampy maharikoriko+ nataonao. Efa nanafohy ny andronao ianao, ka tonga amin’ny taona hamaliana anao. Koa hataoko fandatsan’ireo firenena sy faneson’ny tany rehetra ianao.+  Haneso anao na ny lavitra na ny akaiky anao, ry ilay maloto anarana sy anjakan’ny fikorontanana!+  Ao aminao ireo mpiadidy+ eo amin’ny Israely, ary samy manampatra fahefana izy ireo mba handatsahan-dra.+  Na ny ray na ny reny dia samy atao tsinontsinona eo aminao.+ Ambakaina ny vahiny monina eo aminao,+ ary ampijalina ny kamboty ray sy ny mpitondratena.”’”+  “‘Hamavoinao ny toerako masina, ary zimbazimbainao ny sabatako.+  Misy mpanendrikendrika eo aminao ka ny handatsa-dra no kendreny.+ Misy mihinana sorona eny an-tendrombohitrao,+ ary misy fitondran-tena baranahiny eo anivonao.+ 10  Misy mampiharihary ny fitanjahan-drainy eo aminao,+ ary misy mampietry vehivavy mbola maloton’ny fadimbolany.+ 11  Misy lehilahy manao zava-maharikoriko amin’ny vadin’ny namany,+ ary misy koa manana fitondran-tena baranahiny ka mandoto ny vinantovaviny.+ Misy lehilahy mampietry ny anabaviny, izay zanakavavin-drainy, eo aminao.+ 12  Misy mandray kolikoly eo aminao mba handatsahan-dra.+ Maka zanabola+ sy maka tombony ianao rehefa mampisambo-bola.+ Mampiasa herisetra mba hakana tombony+ amin’ny namanao ianao ka manambaka azy,+ ary hadinonao aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 13  “‘Nikapo-tanana aho+ noho ny tombony tsy ara-drariny nalainao+ sy ny ra nalatsakao tao aminao.+ 14  Mbola hahazaka ve ny fonao,+ ary hanome hery anao ve ny tananao amin’ny andro hamelezako anao?+ Izaho Jehovah no miteny izany, ka hanao zavatra tokoa aho.+ 15  Dia haparitako any amin’ireo firenena ianao, ary haeliko any amin’ny tany samy hafa.+ Hofoanako tsy hisy eo aminao ny fahalotoanao.+ 16  Hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena ianao, ka tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.’”+ 17  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 18  “Ry zanak’olona, toy ny tain-drendrika+ ny taranak’Israely amiko. Varahina sy firapotsy sy vy sy firamainty ao anaty fatana fandrendrehana daholo izy rehetra. Ary lasa taim-bolafotsy be dia be izy.+ 19  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hangoniko ao Jerosalema+ ianareo rehetra, satria lasa tain-drendrika be dia be.+ 20  Sahala amin’ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy+ sy firamainty ary firapotsy ho ao anaty fatana fandrendrehana, ka hitsofana+ ny afo eo aminy mba hampitsonika azy,+ dia hangoniko amin-katezerana sy amim-pahavinirana koa izy ireo, ka hotsofiko sy hataoko mitsonika. 21  Dia hangoniko ianareo ka hotsofiko handoro anareo ny afon’ny fahatezerako,+ ary hitsonika ao Jerosalema ianareo.+ 22  Hitsonika eo anivony toy ny fitsoniky ny volafotsy ao anaty fatana fandrendrehana ianareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no nanampatra ny fahatezerako taminareo.’”+ 23  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 24  “Ry zanak’olona, lazao aminy hoe: ‘Tany tsy voadio ianao, ary tsy nisy orana nilatsaka teo aminao tamin’ny andro fanamelohana.+ 25  Miray tetika hikomy ny mpaminany ao aminy.+ Sahala amin’ny liona mierona mamiravira remby izy ireo,+ ka olona* no hohaniny.+ Harena sy zava-tsarobidy no alainy.+ Nihamaro ny mpitondratena ao aminy noho ny nataon’izy ireo.+ 26  Tsy niraharaha ny lalàko ny mpisorona ao aminy,+ sady nanazimbazimba ny toerako masina.+ Tsy nasiany fiavahany intsony+ ny zava-masina sy ny tsy masina.+ Tsy nampahafantariny koa ny fahasamihafan’ny maloto sy ny madio.+ Nodiany tsy hita ny sabatako,+ ary zimbazimbaina eo anivon’izy ireo aho.+ 27  Toy ny amboadia mamiravira remby ireo andriana ao aminy, ka mandatsa-dra+ sy mandripaka olona* mba hahazoana tombony tsy ara-drariny.+ 28  Ary toy ny nanisy lalotra fotsy teo amin’ireny ny mpaminany ao aminy.+ Koa nahita fahitana tsy marina+ sy naminany lainga+ avy amin’ny sikidy ireny ho fanohanana azy ireo, ka nilaza hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony”, nefa i Jehovah tsy niteny akory. 29  Ary na ny vahoaka* aza nanao tetika hanambakana,+ sy naka an-keriny fananan’olona.+ Nampijaliny ny ory sy ny mahantra,+ ary nambakainy sy nanaovany ny tsy rariny ny vahiny nonina teo aminy.’+ 30  “‘Koa nitady olona teo amin’izy ireo aho hanamboatra ilay manda vato+ sy hitsangana eo amin’ny banga amin’ilay manda,+ dia olona hijoro eo anatrehako hiaro an’ilay tany, mba tsy handravako azy.+ Tsy nahita mihitsy anefa aho. 31  Koa hampihariko amin’izy ireo ny fanamelohako.+ Dia haripako tanteraka amin’ny afon’ny fahatezerako izy ireo.+ Hatsingeriko eo an-dohany ny nataony’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “olon’ny tany.”