Ezekiela 23:1-49

23  Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah+ hoe:  “Ry zanak’olona, nisy roa vavy nateraky ny reny iray ihany.+  Nivaro-tena tany Ejipta izy mirahavavy,+ ary mbola tanora izy ireo dia efa nivaro-tena.+ Tany no nitsapatsapana ny nonony,+ ary tany koa no nibedabedana ny tratrany tamin’izy ireo mbola virjiny.  Ohola no anaran’ilay zokiny, ary Oholiba kosa ilay rahavaviny. Nalaiko ho vady izy roa vavy+ ka nanan-janaka maro, lahy sy vavy.+ Ary ilay anarana hoe Ohola dia manondro an’i Samaria,+ ary i Oholiba kosa manondro an’i Jerosalema.+  “Ary nivaro-tena i Ohola+ raha mbola teo ambany fahefako. Nirongatra ny filany an’ireo lehilahiny,+ dia ny Asyrianina+ izay akaiky azy.  Governora miakanjo manga sy solontenam-panjakana ireny. Tovolahy tsara tarehy izy rehetra, sady mpitaingin-tsoavaly.  Koa nanaram-po nivaro-tena tamin’ireny izy, dia tamin’ireo tsara indrindra tamin’ny zanakalahin’i Asyria. Nandoto tena+ tamin’izay rehetra nampirongatra ny filany izy, eny, tamin’ireo sampiny maharikoriko.  Tsy niala tamin’ilay fivarotan-tena efa fanaony tany Ejipta izy. Nanao firaisana taminy mantsy ireny tamin’izy mbola tanora, ary ireny koa no nibedabeda ny tratrany tamin’izy mbola virjiny. Dia nanaram-po nijangajanga taminy ireny.+  Koa natolotro teo an-tanan’ireo lehilahiny izy,+ teo an-tanan’ireo zanakalahin’i Asyria, izay nampirongatra ny filany.+ 10  Ireny no nampiharihary ny fitanjahany.+ Lasan’ireny koa ny zanany lahy sy ny zanany vavy,+ fa izy kosa novonoin’ireny tamin’ny sabatra. Dia nanjary ratsy laza teo amin’ireo vehivavy izy. Koa nampiharina taminy ny didim-pitsarana. 11  “Rehefa nahita izany i Oholiba rahavaviny,+ dia vao mainka nanaram-po tamin’ny filan’ny nofony mihoatra noho ny rahavaviny, ary mbola nihoatra noho ny fijangajangan’ny rahavaviny ny fivarotan-tena nataony.+ 12  Nirongatra ny filany noho ireo zanakalahin’i Asyria,+ dia ireo governora sy solontenam-panjakana, izay akaiky azy, sady tena mahay mihaingo. Mpitaingin-tsoavaly ireny, sady tovolahy tsara tarehy daholo.+ 13  Ary hitako fa lalana iray ihany no nizoran’izy roa vavy, satria nandoto tena koa i Oholiba.+ 14  Vao mainka nivaro-tena izy rehefa nahita an’ireo sarin-dehilahy vita sokitra teo amin’ny rindrina,+ dia Kaldeanina natao sary sokitra+ nolokoana mena volon-daoranjy.+ 15  Nisy fehikibo+ teo amin’ny andilan’ireny, ary satroka lamba nisy nikirazorazo no teo an-dohany. Hoatran’ny miaramila no fahitana azy rehetra, toy ny zanakalahin’i Babylona, teraka tany Kaldea. 16  Ary nirongatra ny filan-dravehivavy raha vao nijery an’ireny fotsiny ny masony,+ hany ka naniraka olona ho any amin’ireny tany Kaldea izy.+ 17  Dia tonga tany aminy, teo amin’ny fandriana fanehoam-pitiavana, ireo zanakalahin’i Babylona, ka nandoto azy satria nijangajanga taminy.+ Koa voaloton’ireny foana izy. Dia tofoka tamin’ireny izy ka niala taminy. 18  “Nivaro-tena an-karihary izy, ary naharihariny koa ny fitanjahany,+ hany ka niala taminy aho* satria tofoka taminy. Toy izany koa mantsy no nataoko tamin’ilay rahavaviny satria tofoka taminy aho.+ 19  Mbola nivaro-tena tamin’ny olona maro kokoa+ i Oholiba ka tsaroany ny andro fahatanorany,+ tamin’izy nivaro-tena tany Ejipta.+ 20  Nirongatra ny filany, toy ny filan’ny vadikelin’ireo manana nofo* toy ny an’ny ampondralahy sy manana filahiana toy ny an’ny soavaly.+ 21  Mbola nahatsiarotsiaro ny fitondran-tenanao baranahiny tamin’ianao mbola tanora ianao, dia ny nibedabedana ny tratranao nanomboka tany Ejipta,+ ho fahafinaretan’ny nonon’ny fahatanoranao.+ 22  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony aminao, ry Oholiba: ‘Hoentaniko hanafika anao ireo lehilahinao,+ dia ireo nialanao satria nahatofoka anao. Hoentiko hanafika anao ireny ka ho voahodidiny tanteraka ianao,+ 23  eny, hanafika anao ny zanakalahin’i Babylona+ sy ny Kaldeanina+ rehetra, ny miaramilan’i Pekoda+ sy Soa ary Koa, mbamin’ny zanakalahin’i Asyria rehetra niaraka tamin’ireo. Tovolahy tsara tarehy daholo izy rehetra, ary governora sy solontenam-panjakana, sady mpiady sy mpanolo-tsaina voafantina ary mpitaingin-tsoavaly daholo. 24  Dia hanafika anao ireny ka hirodorodo ny kalesin’ady sy ny kodiarany,+ miaraka amin’ny vahoaka be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely ary manao fiarovan-doha. Hanodidina anao mba hanafika anao ireny, ary havelako hitsara anao. Dia hotsarainy araka ny fomba fitsarany ianao.+ 25  Ary hafana fo hanohitra anao aho,+ hany ka hanafika anao amin-katezerana ireny.+ Koa hesoriny ny oronao sy ny sofinao, fa ny sisa aminao kosa ho lavon-tsabatra. Hoentiny+ ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ ary ho levon’ny afo izay sisa tavela eo aminao.+ 26  Dia hesorin’ireny ny akanjonao,+ ary hendahany ny firavakao tsara tarehy.+ 27  Hatsahatro hatreo ny fitondran-tenanao baranahiny+ sy ny fivarotan-tena efa nataonao tany Ejipta.+ Tsy hiandrandra an’ireny ny masonao, ary tsy hotsaroanao intsony i Ejipta.’ 28  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hatolotro eo an-tanan’ireo ankahalainao ianao, eny, eo an-tanan’ireo nialanao satria nahatofoka anao.+ 29  Dia hamely anao ireny satria halany ianao. Ho lasany izay rehetra nisasaranao, ary havelany mitanjaka sy miboridana eo ianao.+ Haharihary koa ny fitanjahanao tamin’ianao nijangajanga, sy ny fitondran-tenanao baranahiny, ary ny fivarotan-tena nataonao.+ 30  Hanjo anao izany rehetra izany satria toy ny mpivaro-tena nanaraka an’ireo firenena ianao,+ noho ianao nandoto tena tamin’ireo sampiny maharikoriko.+ 31  Ny lalana nizoran’ny rahavavinao ihany no narahinao,+ ka hataoko eo an-tananao ny kaopy nisotroany.’+ 32  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hisotro amin’ilay kaopin’ny rahavavinao ianao, dia kaopy lalin’aty sy lehibe.+ Mahazaka be tokoa ilay kaopy ka hataon’ny olona ho fihomehezana ianao, sady hesoiny.+ 33  Ho mamo be sy ho vonton’alahelo ianao, eny, ho mamon’izay ao anatin’ilay kaopin’ny figagana sy faharavana, dia ilay kaopin’i Samaria rahavavinao. 34  Dia hosotroinao sy hotaperinao izany,+ fa ireo vakivakin’ilay kaopy tanimanga kosa hokepokepohinao. Ary hosintontsintoninao ny nononao.+ “Fa izaho no miteny izany”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ 35  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Nanadino ahy+ sy nanary ahy tany ivohonao ianao,+ ka hizaka ny vokatry ny fitondran-tenanao baranahiny sy ny fivarotan-tena nataonao.’” 36  Ary hoy koa i Jehovah tamiko: “Ry zanak’olona, tsy tokony hitsara+ an’i Ohola sy Oholiba+ ve ianao, ka hilaza aminy ny zava-maharikoriko nataony?+ 37  Nanitsakitsa-bady+ mantsy izy roa vavy, ary misy ra eo amin’ny tanany.+ Nanitsakitsa-bady izy rehefa nanompo an’ireo sampiny maharikoriko.+ Tsy vitan’izany fa nodorany tao anaty afo ho sakafon’ireny sampy ireny koa ny zanany naterany tamiko.+ 38  Izao koa no nataony tamiko: Nolotoiny+ ny toerako masina+ tamin’izany andro izany, ary nozimbazimbainy ny sabatako.+ 39  Rehefa namono ny zanany ho an’ireo sampiny maharikoriko izy ireo,+ dia nankao amin’ny toerako masina mihitsy tamin’izany andro izany mba hanazimbazimba azy io.+ Izany no nataon’izy ireo tao amin’ny tranoko.+ 40  Mbola naniraka olona ho any amin’ireo lehilahy avy lavitra koa izy ireo ka nandefa iraka tany,+ dia tonga tokoa ireny.+ Dia nandro ianao noho ireny,+ ary nanisy manjamaso+ sy nanao firavaka.+ 41  Nipetraka teo ambony farafara mirenty+ ianao, ary nasiana latabatra efa voaomana teo anoloan’io.+ Nataonao teo amboniny ny emboka manitra+ sy ny menaka tokony ho ahy.+ 42  Nandrenesana feon’olona maro mpitady fahafinaretana, tao aminy.+ Nisy mpimamo+ avy any an-tany efitra koa nentina ho eo amin’ireo lehilahy anisan’ny taranak’olombelona. Nasian’ireny brasele ny tanan’izy roa vavy ireo, ary nasiany diadema tsara tarehy teo amin’ny lohany.+ 43  “Koa izao no nolazaiko momba ilay vehivavy efa reraky ny fanitsakitsaham-bady:+ ‘Mbola hivaro-tena foana izy na izany aza.’+ 44  Ary nankao aminy foana ireny, toy ny lehilahy mankao amin’ny vehivavy mpivaro-tena. Toy izany no nankanesan’ireny tao amin’i Ohola sy Oholiba, izay vehivavy manana fitondran-tena baranahiny.+ 45  Fa ny olo-marina+ no hitsara azy araka ny fitsara vehivavy mpanitsakitsa-bady+ sy araka ny fitsara vehivavy mpandatsa-dra.+ Mpanitsakitsa-bady tokoa mantsy izy ireo, ary misy ra eo amin’ny tanany.+ 46  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hisy vahoaka be hoentiko hiakatra hamely azy ireo,+ ka hataoko lasa hatahoran’ny olona ny nanjo azy.+ Hataoko koa izay hahavoaroba azy. 47  Dia hitora-bato azy izany vahoaka be izany,+ ka handripaka azy amin’ny sabatra. Hovonoin’ireny ny zanany lahy sy ny zanany vavy,+ ary hodoran’ireny koa ny tranony.+ 48  Hatsahatro hatreo ny fitondran-tena baranahiny+ tao amin’ilay tany,+ ary hanaiky hahitsy ny vehivavy rehetra, ka tsy hanahaka ny fitondran-tena baranahin’izy roa vavy.+ 49  Dia hataon’ireny mivaly aminareo ny fitondran-tenanareo baranahiny,+ ary hizaka ny vokatry ny fahotanareo ianareo noho ny nanompoanareo sampy maharikoriko. Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Na: “filahiana.”