Ezekiela 24:1-27

24  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah, tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy, nanao hoe:  “Ry zanak’olona, soraty ny datin’andro androany, dia ity andro ity. Androany+ mantsy ny mpanjakan’i Babylona no nanomboka nanao fahirano an’i Jerosalema.  Ary manaova fanoharana momba an’io taranaka mpikomy io,+ ka lazao amin’izy ireo hoe: “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ataingeno eo ambony afo ny vilanibe. Ataingeno ilay izy ka asio rano ao anatiny.+  Arotsahy ao ny hena voatetika,+ dia ny vongan-kena tsara rehetra, na ny feny na ny sorony. Ary izay taolana tsara indrindra no ataovy mahafeno vilany.  Izay ondry tsara indrindra no alaivo.+ Dia fenoy kitay eo ambanin’ilay vilany. Andrahoy ny hena, ary andrahoy ao koa ny taolana.”’”+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Lozan’ilay tanàna mpandatsa-dra,+ izany hoe ilay vilanibe, izay misy harafesina ao anatiny, sady tsy mety afaka ny harafesina aminy! Avoahy tsirairay ny vongan-kena,+ fa aza anaovana antsapaka.+  Ao amin’ilay tanàna mantsy ny ra nalatsany.+ Nataony teny amin’ny harambato mamiratra sy mangadihady izany, fa tsy nararany tamin’ny tany mba hototofana vovoka.+  Mba hampirehitra ny fahatezerako sy hamaliako ny nataony,+ dia navelako teny amin’ny harambato mamiratra sy mangadihady ny ra nalatsany mba tsy hototofana.’+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Lozan’ilay tanàna mpandatsa-dra!+ Izaho mihitsy no hampiavosa ny kitay.+ 10  Ataovy betsaka ny kitay. Areheto ny afo. Andrahoy ho masaka tsara ny hena. Ary esory tanteraka ny rony, ka avelao hahamay be ny taolana. 11  Foany ny ao anatin’ilay vilany, ka ataingeno eo ambony vainafo ilay izy mba hahamay. Ataovy mahamay be ny varahina eo aminy mba hampitsonika ny fahalotoany.+ Aoka ho levona ny harafesina eo aminy.+ 12  Herim-po very maina izany! Mandreraka ilay izy! Tsy nety afaka anefa ilay harafesina be eo aminy.+ Koa alefaso ao anaty afo miaraka amin’ilay harafesina izy!’ 13  “‘Anisan’ny fahalotoanao ny fitondran-tena baranahiny.+ Koa tsy maintsy nanadio anao aho, nefa tsy nety nadio ianao, ary tsy afaka ny fahalotoanao.+ Tsy hadio intsony ianao raha tsy efa afaka ny fahatezerako aminao.+ 14  Izaho Jehovah no miteny,+ ka ho tonga tokoa izany+ ary tena hanao zavatra aho. Tsy hanao tsirambina an’izany aho,+ ary tsy hiantra+ na hanenina.+ Hotsarain’izy ireo araka izay nataonao sy ny zava-dratsy vitanao ianao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 15  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 16  “Ry zanak’olona, hamely+ an’ilay mahafinaritra+ ny masonao aho, ka hesoriko tsy ho aminao izy. Aza mikapo-tratra na mitomany na mandatsa-dranomaso anefa.+ 17  Aoka ianao hisento mangina fotsiny. Aza maneho alahelo an’ireo maty,+ fa aoka hifatotra tsara eo an-dohanao ny fehiloha fanaonao,+ ary aoka ho eny an-tongotrao ihany ny kapanao.+ Aza sarontsaronana ny volombavanao,+ ary aza mihinana sakafom-pisaonana aterin’ny olona.”+ 18  Ary niteny tamin’ny olona aho ny maraina, dia maty ny vadiko ny takariva. Koa nataoko daholo izay rehetra nandidiana ahy, ny ampitso maraina. 19  Dia hoy foana ny olona tamiko: “Lazao aminay hoe nahoana no mahakasika anay izao ataonao izao.”+ 20  Hoy aho: “Ny tenin’i Jehovah mihitsy no tonga tamiko hoe: 21  ‘Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hozimbazimbaiko ny toerako masina,+ eny, ilay tena reharehanareo,+ ilay mahafinaritra ny masonareo,+ ilay alahelovanareo. Ary ho lavon-tsabatra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, izay nilaozanareo.+ 22  Dia hanao sahala amin’ny nataon’i Ezekiela ianareo amin’izay, ka tsy hosaronanareo ny volombavanareo.+ Tsy hihinana ny sakafom-pisaonana aterin’ny olona koa ianareo.+ 23  Ho eo an-dohanareo ny fehiloha fanaonareo, ary ho eny an-tongotrareo ny kapanareo. Tsy hikapo-tratra ianareo na hitomany.+ Ho lany hery tanteraka ianareo, noho ny fahadisoanareo.+ Dia hifampitoloko ianareo.+ 24  Fambara+ ho anareo i Ezekiela, ka izay rehetra nataony no hataonareo. Rehefa tonga izany,+ dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.’”’”+ 25  “Ry zanak’olona, ho avy ny andro hanesorako amin’izy ireo ilay toerana voaro mafy, dia ilay toerana kanto mahafaly azy, ilay mahafinaritra ny masony,+ ary ilay irin’ny fony, mbamin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy.+ 26  Tsy amin’izany andro izany indrindra ve no ho tonga any aminao ilay afa-nandositra, mba hampandre anao?+ 27  Hisokatra ny vavanao amin’izany andro izany, mba hiresaka amin’ilay afa-nandositra.+ Dia hiteny ianao ka tsy ho moana intsony,+ ary ho fambara ho an’izy ireo ianao.+ Koa tsy maintsy ho fantatr’izy ireo fa izaho no Jehovah.”+

Fanamarihana