Ezekiela 26:1-21

26  Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro voalohan’ny volana, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo, nanao hoe:  “Ry zanak’olona, noho ny nilazan’i Tyro+ momba an’i Jerosalema+ hoe: ‘Tsara ho azy izay! Rava izy!+ Nirodana ilay vavahadin’ny firenena!+ Mba anjarako amin’izay izao ka hanam-be aho, satria efa rava izy’,+  dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homelohiko ianao, ry Tyro, ka hisy firenena maro hoentiko hiakatra hanafika anao,+ toy ny fiakatry ny onjan-dranomasina.+  Dia horavan’ireny ny mandan’i Tyro,+ ary harodany ny tilikambony.+ Hokaofiko ny vovoka ao Tyro, ary hataoko lasa harambato mamiratra sy mangadihady izy.  Ho lasa toerana fanahazana harato izy,+ eo afovoan-dranomasina.’+ “‘Izaho no miteny izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘ka horobain’ireo firenena izy.  Ary ho fatin-tsabatra ny mponin’ireo tanàna ambanivohitra niankina taminy. Dia tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.’+  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hoentiko avy any avaratra mba hanafika an’i Tyro i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona,+ ilay mpanjakan’ny mpanjaka.+ Hitondra soavaly+ sy kalesin’ady+ sy mpitaingin-tsoavaly izy, miaraka amin’ny tafika lehibe, eny, vahoaka maro be.+  Hovonoiny amin’ny sabatra ny mponin’ireo tanàna ambanivohitra niankina taminao. Hanorina manda sy tovon-tany* hanaovana fahirano anao izy,+ ary ampinga lehibe no hatsangany hanoherana anao.  Ireo mandanao no hasiany amin’ny fitaovana fanafihany, ary horavaravany amin’ny sabany ny tilikambonao. 10  Manonjanonja no fahitana ny andian-tsoavaliny, ka hisavoana handrakotra anao ny vovoka.+ Hihovotrovotra ny mandanao noho ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodiarana ary ny kalesin’ady, rehefa miditra an’ireo vavahadinao izy, toy ny fidirana ao amin’ny tanàna voagorobaka. 11  Hikatrokatroka eny an-dalambenao rehetra eny ny kitron-tsoavaliny.+ Hovonoiny amin’ny sabatra ny mponina ao aminao, ary hidaboka amin’ny tany ireo andry matanjaka ao aminao. 12  Horobainy ny harenanao,+ halainy an-keriny ny entam-barotrao,+ harodany ny mandanao, ary horavany ny trano tsara tarehy ao aminao. Hataony any anaty rano ny vato sy ny fanaka hazo ary ny vovoka ao aminao.’ 13  “‘Hatsahatro hatreo ny tabataban’ny hiranao,+ ary tsy ho re intsony ny feon’ny harpa fandre ao aminao.+ 14  Dia hataoko lasa harambato mamiratra sy mangadihady ianao,+ ka ho toerana fanahazana harato.+ Koa tsy haorina intsony ianao, fa izaho Jehovah no miteny izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ 15  “Izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’i Tyro: ‘Tsy hihovotrovotra ve ireo nosy noho ny fidoboky ny fianjeranao, sy noho ny fitarainan’ny maratra mafy, ary noho ny fandripahana ny mponina ao aminao?+ 16  Hidina+ avy eo amin’ny seza fiandrianany+ daholo ny andrianan’ny ranomasina, ka hanala ny akanjony ivelany tsy misy tanany sy ny fitafiany misy peta-kofehy. Fangovitana kosa no ho toy ny fitafiana hanaovany. Hipetraka eo amin’ny tany izy ireo,+ ary hipararetra tsy an-kijanona.+ Hidanàka koa izy ireo mijery anao. 17  Dia hanao hira fisaonana anao izy ireo,+ ka hanao hoe: “‘“Indrisy, rava tokoa ianao, ry ilay tanàna noderaina sy nonenan’ny olona avy any amin’ireo ranomasina!+ Nahery ianao tany an-dranomasina,+ dia ianao sy ny mponina tao aminao izay nampihorohoro ny mponina rehetra amin’ny tany! 18  Hipararetra ireo nosy, amin’ny andro hianjeranao. Hitebiteby koa ireo nosy any an-dranomasina noho ny faharavanao.”’+ 19  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Horavako tanteraka ianao, ka ho toy ny tanàna tsy misy mponina. Hataoko manafotra anao ny rano lalina, ary handrakotra anao ny rano be.+ 20  Dia hampidiniko ho any amin’izay misy ny olona efa taloha ianao+ mbamin’ireo midina any an-davaka,+ ka samy hamponeniko any amin’ny faritra ambany indrindra amin’ny tany,+ izay toy ny toerana efa rava hatry ny ela. Amin’izay dia tsy honenana intsony ianao. Horavahako kosa anefa ny tanin’ny velona.+ 21  “‘Hataoko mihorohoro tampoka ianao.+ Tsy hisy intsony ianao. Ary hotadiavina ianao+ nefa tsy ho hita intsony mandritra ny fotoana tsy voafetra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.