Ezekiela 27:1-36

27  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana an’i Tyro,+  ka izao lazaina aminy: “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony, ry ilay monina eo amin’ny vavahadin’ny ranomasina,+ dia ilay vehivavy mpanao raharaham-barotra amin’ireo firenena any amin’ny nosy maro:+ “Ry Tyro ô, nilaza ianao hoe: ‘Tonga lafatra ny hatsaran-tarehiko!’+  Any afovoan-dranomasina ny faritry ny taninao.+ Ireo nanao anao no nahatonga lafatra ny hatsaran-tarehinao.+  Hazo zenevrie avy any Senira+ no nanaovany ny hazo fisaka rehetra nandrafetana anao. Ary sedera avy any Libanona+ no nanaovany ny andrin-tsambo eo aminao.  Hazo goavam-be avy any Basana no nanaovany fivoy ho anao. Ary hazo siprey voaravaka ivoara avy any amin’ireo nosy Kitima+ no nanaovany ny lohan-tsambo.  Lamba rongony maro loko avy any Ejipta+ no novelarina mba hatao lain-tsambo ho anao. Ary kofehy manga+ sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena,+ izay samy avy any amin’ireo nosy Elisaha,+ no nandrakofana ny tokotanin-tsambo.  “‘“Ny mponin’i Sidona+ sy Arvada+ no mpivoy anao. Manana olona mahay+ ianao, ry Tyro ô! Ireo no tantsambonao.+  Ireo zokiolona efa za-draharaha sy ireo olona mahay, izay samy avy any Gebala,+ no mpanentsina an’izay loaka taminao.+ Ary tonga tao aminao daholo ny sambo avy any an-dranomasina sy ireo tantsambony, mba hanakalo entam-barotra. 10  Olona avy any Persa+ sy Loda+ ary Pota+ no anisan’ny tafikao, eny, ireo lehilahy mpiady nampiasainao. Ampinga sy fiarovan-doha no nahanton’izy ireo teo aminao.+ Koa ireo no nahatonga anao ho be voninahitra. 11  Teny ambonin’ny manda manodidina anao ny olona avy any Arvada,+ izay anisan’ny tafikao. Ary lehilahy mahery fo no teny amin’ny tilikambonao. Nahanton’izy ireo teny amin’ny manda manodidina anao ny ampingany boribory.+ Koa ireo no nahatonga lafatra ny hatsaran-tarehinao. 12  “‘“I Tarsisy+ no nifanaovanao raharaham-barotra, noho ny hamaroan’ny zava-tsarobidy isan-karazany.+ Ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ny volafotsy sy vy sy firapotsy ary firamainty avy any aminy.+ 13  I Javana+ sy Tobala+ ary Meseka+ no nifanaovanao raharaham-barotra. Ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ny olona*+ sy ny zavatra vita amin’ny varahina. 14  Soavaly fitondra miady sy karazan-tsoavaly hafa ary ramole no avy tamin’ny taranak’i Togarma,+ ary ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ireny. 15  Nifanaovanao raharaham-barotra koa ny taranak’i Dedana.+ Nosy maro no nampiasainao tamin’ny varotra. Ary tandroka ivoara+ sy hazomainty no naloany taminao mba ho fanomezana. 16  I Edoma no nifanaovanao raharaham-barotra, noho ny zavatra maro be novokarinao. Ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ny vatosoa torkoazy,+ sy volonondry nolokoana volomparasy somary mena, sy lamba maro loko, sy ravin-damba tena tsara, sy haran-dranomasina,* ary vatosoa robia. 17  “‘“I Joda sy ny tanin’ny Israely no nifanaovanao raharaham-barotra. Ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ny+ varimbazaha+ avy any Minita+ sy sakafo tsy fahita firy sy tantely+ sy menaka ary balsama.+ 18  “‘“I Damaskosy+ no nifanaovanao raharaham-barotra, noho ny zavatra maro be novokarinao, sy ny zava-tsarobidy maro be isan-karazany nanananao. Divay+ avy any Helbona sy volonondry volondavenona somary mena no azonao taminy. 19  Nanome entam-barotra ho anao i Vedana sy Javana avy any Ozala, ho takalon’ny entam-barotrao. Vy efa voatefy sy hazo kasia ary fantàkamanitra+ no nomeny ho takalon’ny entam-barotrao. 20  I Dedana+ no nifanaovanao varotra lamba efa voatenona mba hatao amin’ny lasely. 21  Ny Arabo+ sy ny mpiadidy rehetra tao Kedara+ no nampiasainao tamin’ny varotra, ka ireny no nifanaovanao varotra zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy.+ 22  Ny mpivarotra avy any Sheba+ sy Rama+ no nifanaovanao raharaham-barotra. Ny entam-barotrao no nomenao ho takalon’ny zava-manitra isan-karazany faran’izay tsara, sy vatosoa isan-karazany ary volamena.+ 23  I Harana+ sy Kane sy Edena,+ ary ny mpivarotra avy any Sheba+ sy Asyra+ ary Kilmada no nifanaovanao raharaham-barotra. 24  Ireny no nifanaovanao varotra fitafiana tsara tarehy, akanjo ivelany manga sy maro loko, karipetra miloko roa samy hafa, ary tady voarandrana sady mafy tsara, tao amin’ny foibe ara-barotra tao aminao. 25  “‘“Ireo sambon’i Tarsisy+ no nitanjozotra nitatitra ny entam-barotrao, ka lasa nanam-be sy heni-boninahitra tokoa ianao teny afovoan-dranomasina.+ 26  “‘“Nentin’ny mpivoy anao teny amin’ny rano be ianao.+ Ny rivotra avy any atsinanana no nahavaky anao teny afovoan-dranomasina.+ 27  Koa amin’ny andro hianjeranao,+ dia ho latsaka any afovoan-dranomasina ny zava-tsarobidinao, ny entam-barotrao,+ ny entana atakalonao,+ ny matiloa sy ny tantsambonao,+ ny mpanentsina an’izay loaka aminao,+ ny mpanakalo ny entam-barotrao, ary ny lehilahy mpiady rehetra eo aminao,+ eny, izay rehetra eo aminao sy eo amin’ireo olona rehetra tafavory ao aminao. 28  “‘“Hihovotrovotra ny morontsiraka, rehefa hahare an’ireo tantsambonao mitaraindraina.+ 29  Dia samy hidina avy eny an-tsambo ny mpivoy rehetra sy ny matiloa ary ny tantsambo rehetra eny an-dranomasina, ka hijoro eny an-tanety.+ 30  Hanandratra ny feony izy ireo noho izay manjo anao, ka hidradradradra mafy.+ Dia hanipy vovoka eo amin’ny lohany izy ireo+ sady hihosin-davenona.+ 31  Hosolain’izy ireo ny lohany noho ny aminao.+ Ary hisikina lamba gony izy ireo,+ sady hitomany anao satria ory dia ory,+ ka hidradradradra mafy. 32  Hanao hira fisaonana sy hira mitaraindraina ho fanehoana alahelo anao izy ireo,+ ka hanao hoe: “‘“‘Iza no tahaka an’i Tyro?+ Natao izay hampangina tanteraka anao teo afovoan-dranomasina.+ 33  Nanome fahafaham-po firenena maro ianao,+ rehefa nivoaka avy eny an-dranomasina+ ny entam-barotrao.+ Ary ianao no nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany, satria maro be ny zava-tsarobidinao sy ny entana atakalonao.+ 34  Vaky ianao ankehitriny noho ny herin’ny ranomasina, ka lasa any amin’ny rano lalina.+ Koa rendrika niaraka taminao ny entana atakalonao sy ny olona rehetra tafavory tao aminao.+ 35  Hidanàka hijery anao ny mponina rehetra ao amin’ireo nosy,+ ary hangovitra sy hihorohoro ny mpanjakan’ireny.+ Hivaloarika ny tarehiny.+ 36  Ary hisioka ny mpivarotra any amin’ireo firenena noho izay hanjo anao.+ Hihorohoro tampoka ianao, ary tsy hisy intsony mandritra ny fotoana tsy voafetra.’”’”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Jereo Jb 28:18 f.a.p.