Ezekiela 28:1-26

28  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, lazao amin’ilay mpitondra an’i Tyro hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘“Koa satria nirehareha ny fonao,+ ary milaza foana ianao hoe: ‘Andriamanitra aho.+ Eo amin’ny toeran’andriamanitra no misy ahy,+ dia eny afovoan-dranomasina’,+ nefa ianao olombelona ihany+ fa tsy andriamanitra+ na dia mihevi-tena ho andriamanitra aza...  Mihevitra ny tenanao ho hendry noho i Daniela ianao,+ ka mieritreritra hoe tsy misy zava-miafina tsy hainao.+  Ny fahendrenao sy ny fahaiza-manavaka anananao no nahazoanao harena. Tsy mitsahatra manangona volamena sy volafotsy hatao ao amin’ny trano fitehirizanao ianao.+  Ny fahendrena be anananao+ sy ny entam-barotrao+ no nahafahanao nampitombo be ny harenanao,+ ka nirehareha ny fonao noho izany harenanao izany.”’+  “‘Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Noho ianao mihevi-tena ho andriamanitra,+  dia hoentiko hanafika anao ny vahiny,+ eny, ireo mpitondra jadona eo amin’ireo firenena.+ Hanatsoaka sabatra hamely ny hakanton’ny fahendrenao ireny, sady hanazimbazimba ny voninahitrao mamirapiratra.+  Hampidininy any an-davaka ianao,+ ka ho faty toy ny olona novonoina teny afovoan-dranomasina.+  Dia hilaza eo anatrehan’ilay mamono anao ve ianao fa andriamanitra ianao?+ Tsy andriamanitra anefa ianao fa olombelona ihany+ eo an-tanan’ireo manazimbazimba anao.”’ 10  “‘Ho faty eo an-tanan’ny vahiny ianao ka ho toy ny fahafatesan’ny tsy mifora ny fahafatesanao,+ satria izaho no miteny izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 11  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 12  “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana ny mpanjakan’i Tyro,+ ka lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘“Ianao no modely nasiana tombo-kase. Feno fahendrena ianao,+ ary tonga lafatra ny hatsaran-tarehinao.+ 13  Tao Edena, zaridainan’Andriamanitra, ianao.+ Rakotra vatosoa isan-karazany ianao, dia robia sy topaza ary jaspa, krizolita sy oniksa+ ary jady, safira sy torkoazy+ ary emeraoda. Tao anaty tranotranony volamena daholo ny vatosoa teny aminao. Efa natao vonona teo ireny, tamin’ny andro namoronana anao. 14  Ianao ilay kerobima voahosotra ho mpiaro. Izaho no nanendry anao. Teny amin’ny tendrombohitra masin’Andriamanitra ianao,+ ary teny amin’ny vato mirehitra ianao no nandehandeha. 15  Tsy nanan-tsiny ianao tamin’izay nataonao, nanomboka tamin’ny andro namoronana anao+ ka mandra-pahita tsy fahamarinana tao aminao.+ 16  “‘“Be dia be ny entam-barotrao+ ka feno herisetra tao aminao, ary nanomboka nanota ianao.+ Horoahiko tsy ho ao an-tendrombohitr’Andriamanitra ianao satria efa tsy masina intsony. Haringako+ tsy ho eny amin’ny vato mirehitra ianao, ry ilay kerobima mpiaro! 17  “‘“Nirehareha ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao.+ Nosimbanao ny fahendrenao, noho ny voninahitrao mamirapiratra.+ Hatsipiko eny amin’ny tany ianao.+ Hataoko eo anatrehan’ny mpanjaka maro ianao, mba ho hitan’ireny.+ 18  “‘“Nozimbazimbainao ny toeranao masina noho ianao nanao fahadisoana maro+ sy nanao ny tsy rariny teo amin’ny raharaham-barotra.+ Hasiako afo mivoaka avy eo aminao, ka ho levon’izany ianao.+ Ary hataoko lasa lavenona eo amin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra mahita anao.+ 19  Hidanàka hijery anao izay rehetra mahalala anao any amin’ireo firenena.+ Hihorohoro tampoka ianao, ary tsy hisy intsony mandritra ny fotoana tsy voafetra.”’”+ 20  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 21  “Ry zanak’olona, mitodiha any Sidona,+ ary maminania ny amin’ny loza hanjo azy, 22  ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Homelohiko ianao,+ ry Sidona! Homem-boninahitra ao aminao aho,+ ka tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah rehefa hampihatra didim-pitsarana ao aminao aho,+ ary amin’ny alalanao no hanamasinana ahy.+ 23  Dia handefasako areti-mandringana ao aminao, ary hisy ra mandriaka eny an-dalambenao.+ Hiampatrampatra ao aminao ireo lavon-tsabatra, dia ilay sabatra mamely anao hatraiza hatraiza.+ Koa tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah.+ 24  Ary tsy hisy tsilo mampangirifiry na tsilo mampanaintaina+ intsony hamely ny taranak’Israely, eny amin’ny manodidina azy, dia ireo manesoeso azy. Koa tsy maintsy ho fantatry ny olona fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.”’ 25  “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Honina eo amin’ny taniny tokoa izy ireo,+ dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+ 26  Dia honina eo tsy amin’ahiahy izy ireo,+ ka hanao trano+ sy tanimboaloboka.+ Ary handry feizay+ izy ireo rehefa hampihatra didim-pitsarana amin’izay rehetra nanesoeso azy aho, dia izay rehetra manodidina azy.+ Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.”’”

Fanamarihana