Ezekiela 29:1-21

29  Tamin’ny andro faharoa ambin’ny folon’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahafolo, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, mitodiha manandrify an’i Farao mpanjakan’i Ejipta,+ ary maminania ny amin’ny loza hanjo azy sy Ejipta manontolo,+  ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Homelohiko ianao, ry Farao mpanjakan’i Ejipta,+ izay biby goavam-be any an-dranomasina+ mivalampatra ao amin’ny lakandranon’i Neily.+ Nilaza ianao hoe: ‘Ahy ny Reniranon’i Neily, ary izaho mihitsy no nanao azy ho an’ny tenako.’+  Hasiako faraingo anefa ny valanoranonao,+ ary hataoko miraikitra amin’ny kiranao ny trondro ao amin’ny lakandranon’i Neily. Dia hampiakariko avy ao amin’ny lakandranon’i Neily ianao mbamin’ny trondro rehetra ao, izay miraikitra amin’ny kiranao.  Hariako any an-tany efitra ianao, sy ny trondro rehetra ao amin’ny lakandranon’i Neily.+ Hitsitra eny an-tsaha ianao+ ka tsy hangonina na hovorina. Homeko ho sakafon’ny bibidia sy ny voro-manidina ianao.+  Dia tsy maintsy ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa izaho no Jehovah,+ satria efa tehina bararata ho an’ny taranak’Israely izy ireo.+  Torotoro mantsy ianao rehefa noraisin’ny tanany,+ ka nahatapaka ny sorony manontolo. Ary tapaka ianao rehefa nianteherany,+ ka nampangozohozo ny andilany manontolo.”+  “‘Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hamely anao amin’ny sabatra aho,+ ka haripako daholo ny olona sy ny biby fiompy ao aminao.+  Dia ho lao tanteraka sy ho ravarava i Ejipta+ ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, satria efa nilaza i Farao hoe: ‘Ahy ny Reniranon’i Neily, ary izaho no nanao azy.’+ 10  Koa homelohiko ianao sy ireo lakandranon’i Neily,+ ary hataoko ravarava sy maina tanteraka ary lao i Ejipta,+ hatrany Migdola+ ka hatrany Syena+ sy ny sisin-tanin’i Etiopia. 11  Tsy hodiavin’ny tongotr’olombelona+ na biby fiompy any,+ ary tsy honenana mandritra ny efapolo taona.+ 12  Ary hataoko lao eo anivon’ny tany lao i Ejipta,+ ary ho aolo efapolo taona eo anivon’ny tanàna rava ireo tanànany.+ Dia haparitako any amin’ireo firenena ny Ejipsianina, ary haeliko any amin’ny tany samy hafa.”+ 13  “‘Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa tapitra ny efapolo taona,+ dia hangoniko avy any amin’ny firenena nanaparitahana azy ny Ejipsianina,+ 14  ka hampodiko avy any amin’ny fahababoana izy ireo. Dia haveriko ao Patrosa,+ tany niaviany, ireny ka tsy ho fanjakana matanjaka intsony rehefa any. 15  Tsy hatanjaka i Ejipta raha oharina amin’ny fanjakana hafa, ary tsy hisandratra eo amin’ireo firenena intsony izy.+ Dia hataoko vitsy kely sisa izy ireo ka tsy hanam-pahefana amin’ny firenen-kafa intsony.+ 16  Ary tsy ho azon’ny taranak’Israely ianteherana intsony i Ejipta,+ ka tsy hitady vonjy any izy ireo satria hampahatsiaro ny fahadisoan’izy ireo izany.+ Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Tompo Fara Tampony.”’” 17  Dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo, nanao hoe: 18  “Ry zanak’olona, nampanaovin’i Nebokadrezara+ mpanjakan’i Babylona fanompoana mafy ny tafiny, rehefa nandrava an’i Tyro.+ Sola mihitsy ny lohan’izy rehetra, ary niendaka mihitsy ny hoditra teo amin’ny sorok’izy rehetra,+ nefa tsy nahazo karama+ avy tao Tyro izy sy ny tafiny, ho setrin’ny fanompoana nataony tamin’ny nandravany azy. 19  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homeko an’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona i Ejipta,+ ka hoentiny ny harena ao. Haka babo be dia be tokoa izy+ ary handroba zavatra maro dia maro. Izany no ho karaman’ny tafiny.’ 20  “‘I Ejipta no nomeko azy ho setrin’ny fanompoana nataony tamin’ny nandravany an’i Tyro, satria nanao zavatra ho ahy izy ireo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 21  “Amin’izany andro izany, dia hampitsimoka tandroka ho an’ny taranak’Israely aho,+ ary hataoko izay hahafahanao hiloa-bava eo amin’izy ireo.+ Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.”

Fanamarihana