Ezekiela 3:1-27

3  Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, hano izay hitanao. Hano io horonam-boky io,+ dia mandehana ka mitenena amin’ny taranak’Israely.”  Koa nosokafako ny vavako, ary nampihinaniny ahy tsikelikely ilay horonam-boky.+  Dia hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, mihinàna ary ataovy izay hahavoky ny kibonao, ka fenoy an’ity horonam-boky omeko anao ity ny tsinainao.” Koa nihinana aho, ary mamy toy ny tantely ilay izy, tao am-bavako.+  Hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’Israely,+ ka lazao aminy ny teniko.  Tsy any amin’ny firenena mampiasa fiteny sarotra azo+ na mampiasa fiteny hafahafa+ mantsy no anirahana anao, fa any amin’ny taranak’Israely.  Ary tsy irahina any amin’ny firenena maro mampiasa fiteny sarotra azo ianao, na any amin’ny firenena mampiasa fiteny hafahafa, izay mampiasa teny tsy azonao.+ Raha tany amin’ireny anefa no nanirahako anao, dia ho nihaino anao ireny.+  Fa ny taranak’Israely kosa tsy te hihaino anao, satria tsy te hihaino ahy izy ireo.+ Mafy hatoka sy mafy loha daholo mantsy ny taranak’Israely.+  Ataoko mafy hoatran’ny tarehin’izy ireo ny tarehinao,+ ary ny handrinao ataoko mafy hoatran’ny handriny.+  Ataoko mafy hoatran’ny diamondra, eny, mafy noho ny vatoafo,+ ny handrinao. Aza matahotra azy+ ary aza atao mampihorohoro anao ny tarehiny,+ fa taranaka mpikomy izy.”+ 10  Hoy koa izy tamiko: “Ry zanak’olona, alatsaho ao am-ponao+ ny teny rehetra holazaiko aminao, ary aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino izany. 11  Dia mandehana mankany amin’ireo olona natao sesitany,+ dia any amin’ny zanaky ny firenenao, ka na hihaino izy na tsia,+ dia mitenena aminy ary lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’” 12  Ary nisy fanahy* nitondra ahy,+ ka nandre feon-javatra nifofofofo aho tao aoriako,+ nanao hoe: “Hoderaina anie ny voninahitr’i Jehovah, any amin’ny toerana misy Azy!”+ 13  Dia re ny feon’ny elatr’ireo zavamananaina rehefa nifampikasika.+ Re koa ny feon’ny kodiarana teo akaikiny,+ sy ilay feon-javatra nifofofofo. 14  Nentin’ny fanahy aho+ ka lasa. Dia nandeha aho, ary sosotra* sy tezitra mafy aho tao anatiko tao. Ary niasa tamiko ny tana-maherin’i Jehovah.+ 15  Koa nankany Tela-abiba aho, tany amin’ireo olona natao sesitany, izay nonina+ teo amoron’ny reniranon’i Kebara.+ Ary nonina teo amin’izay nonenan’izy ireo aho. Dia nipetraka tany fito andro aho, ary tsy nahateny tsy nahavolana teo anivon’izy ireo aho.+ 16  Rehefa tapitra ny fito andro, dia tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe: 17  “Ry zanak’olona, ataoko mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao.+ Koa henoy ny teny aloaky ny vavako, ary lazao amin’izy ireo ny fampitandremana omeko.+ 18  Raha hoy aho amin’ny ratsy fanahy: ‘Ho faty tokoa ianao’,+ nefa tsy mampitandrina azy ianao, na milaza teny fampitandremana an’ilay ratsy fanahy mba hialany amin’ny lalan-dratsiny ka hahavelona azy,+ dia ho faty noho ny fahadisoany izy satria ratsy fanahy,+ fa ianao kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.+ 19  Fa raha nampitandrina ny ratsy fanahy kosa ianao,+ fa izy no tsy miala amin’ny faharatsiany sy ny lalan-dratsiny, dia ho faty noho ny fahadisoany izy,+ fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.+ 20  Ary raha miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny olo-marina+ ka manao ny tsy rariny, ary hasiako vato mahatafintohina eo anoloany,+ dia ho faty izy satria tsy nampitandrina azy ianao. Ho faty noho ny fahotany izy,+ ary tsy hotsarovana ny fahamarinana nataony.+ Fa ianao* kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.+ 21  Ary raha mampitandrina ny olo-marina ianao mba tsy hanotany,+ ka tsy manota tokoa izy, dia ho velona tokoa izy satria efa nampitandremanao,+ ary ho voavonjinao koa ny ainao.”+ 22  Ary niasa tamiko ny tanan’i Jehovah tamin’izaho tany, ka hoy izy tamiko: “Mitsangàna ka mandehana eny amin’ny tany lemaka,+ fa eny aho no hiteny aminao.” 23  Dia nitsangana aho ka nankeny amin’ny tany lemaka, ary io fa teo ny voninahitr’i Jehovah,+ toy ilay voninahitra efa hitako tany amoron’ny reniranon’i Kebara.+ Koa niankohoka aho.+ 24  Ary niditra tao anatiko ny fanahy+ ka nampitsangana ahy.+ Dia niteny tamiko Andriamanitra ka nanao hoe: “Mandehana mihidy ao an-tranonao. 25  Ary hogejain’ny olona amin’ny tady ianao, ry zanak’olona, ka hofatorany mba tsy ho afa-mivoaka hankany aminy.+ 26  Hataoko miraikitra amin’ny lanilaninao ny lelanao+ ka ho moana tokoa ianao.+ Ary amin’izy ireo, dia tsy ho mpananatra azy ianao,+ satria taranaka mpikomy+ izy. 27  Fa hosokafako ny vavanao rehefa miteny aminao aho, ka izao no holazainao amin’izy ireo:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony.’ Aoka hihaino izay te hihaino,+ ary aoka tsy hihaino izay tsy te hihaino, fa taranaka mpikomy izy.+

Fanamarihana

Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
Heb.: nangidy.
A.b.t.: “ny tananao.”