Ezekiela 30:1-26

30  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, maminania ka lazao hoe:+ ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Midradradradrà ianareo, ka ataovy hoe: ‘Indrisy, ho avy ilay andro!’+  Fa efa akaiky ny andro, eny, efa akaiky ny andron’i Jehovah.+ Ho andro mandrahona izany,+ ary ho fotoana voatondro hitsarana an’ireo firenena.+  Hisy sabatra ho tonga any Ejipta,+ ary hanaintaina mafy i Etiopia rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny faty, ka ho lasan’ny sasany ny harenany ary horavany ny fototra niorenany.+  Ho lavon-tsabatra+ hiaraka aminy koa i Etiopia,+ Pota,+ Loda, ny hafa firenena rehetra,+ Koba, ary ny mponin’ilay tany voafehin’ny fifanekena.”’  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Ho lavo koa ireo mpomba an’i Ejipta ary hihena ny heriny izay ireharehany.’+ “‘Ho lavon-tsabatra izy ireo any, hatrany Migdola+ ka hatrany Syena’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.  ‘Ho lao eo anivon’ny tany lao koa izy ireo, ary ho rava eo anivon’ny tanàna rava ny tanànany.+  Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa handrehitra afo any Ejipta aho, ka ho ringana izay rehetra manampy azy.+  Amin’izany andro izany, dia hisy iraka hivoaka avy eo anatrehako. Handeha sambo izy ireo, ary hivoaka mba hampangovitra an’i Etiopia,+ izay matoky tena loatra. Koa hanaintaina mafy ireny amin’ny andro hamelezana an’i Ejipta. Ho tonga tokoa izany!’+ 10  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ny tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona no hampiasaiko hamongorana ny mponin’i Ejipta.+ 11  Hoentiko any mba handrava an’ilay tany izy sy ny olony miaraka aminy, dia ireo mpitondra jadona eo amin’ireo firenena.+ Hanatsoaka ny sabany hamely an’i Ejipta izy ireo, ka hiampatrampatra eran’ilay tany ny faty.+ 12  Dia hataoko lasa tany maina ny lakandranon’i Neily,+ ary hamidiko eo an-tanan’ny ratsy fanahy ilay tany.+ Ary hasaiko hataon’ny vahiny fongana ilay tany sy izay rehetra ao.+ Izaho Jehovah no miteny izany.’+ 13  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hopotehiko koa ireo sampy maharikoriko+ ary hofoanako ao Nofa+ ireo andriamanitra tsy misy dikany. Tsy hisy mpiadidy intsony avy any Ejipta. Ary hataoko manenika an’i Ejipta ny tahotra.+ 14  Hataoko lao i Patrosa.+ Handrehitra afo ao Zoana+ aho ary hampihatra ny didim-pitsarako ao No.+ 15  Hanamparako ny fahatezerako+ i Sina, ilay tanàna voaro mafy any Ejipta, ary haringako ny mponin’i No.+ 16  Handrehitra afo any Ejipta aho. Hanaintaina mafy tokoa i Sina, ary ny mandan’i No kosa ho voagorobaka ka ho voababo ilay tanàna. Ary hisy fahavalo hanafika an’i Nofa amin’ny andro antoandro! 17  Ho lavon-tsabatra ireo tovolahy ao Ona+ sy Pibeseta, ary ho lasa babo ny ao an-tanàna. 18  Ho maizina ny andro ao Tapanesa,+ rehefa hotapahiko ao ny ziogan’i Ejipta.+ Koa hataoko mifarana hatreo ilay heriny izay ireharehany.+ Ho voasaron-drahona kosa izy+ ary ho lasa babo ireo tanàna miankina aminy.+ 19  Dia hampihatra ny didim-pitsarako ao Ejipta aho,+ ka tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’” 20  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro fahafiton’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo, nanao hoe: 21  “Ry zanak’olona, hotapahiko ny sandrin’i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Ary tsy hofehezina izany na hasiana fehy lamba mba tsy ho sitrana.+ Amin’izay dia tsy hihamatanjaka ilay sandriny, ka tsy hahatana sabatra.” 22  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta aho,+ ka hotapahiko daholo ny sandriny,+ na ilay mbola matanjaka na ilay efa tapaka,+ ary hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabatra.+ 23  Dia haparitako any amin’ireo firenena ny Ejipsianina, ary haeliko any amin’ny tany samy hafa.+ 24  Hohatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona+ ary hataoko eo an-tanany ny sabatro.+ Fa hotapahiko kosa ny sandrin’i Farao, ka hitaraindraina mafy eo anatrehany izy, toy ireny olona maratra mafy efa ho faty ireny!+ 25  Hohatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babylona, fa ny sandrin’i Farao kosa hiraviravy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa hataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ny sabatro, ka harangarangany mba hamelezana an’i Ejipta.+ 26  Dia haparitako any amin’ireo firenena ny Ejipsianina,+ ary haeliko any amin’ny tany samy hafa. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”

Fanamarihana