Ezekiela 31:1-18

31  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro voalohan’ny volana fahatelo, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo, nanao hoe:  “Ry zanak’olona, lazao amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy ny vahoakany+ hoe: “‘Mitovy amin’iza ianao, raha ny amin’ny fahalehibeazana?  Mitovy amin’ny Asyrianina ianao, ary toy ny sedera any Libanona+ izay tsara tarehy erỳ noho ireo sampany+ misandrahaka sy manome alokaloka! Avo be+ izy ka mipaka amin’ny rahona ny tendrony.+  Azon-drano izy ka lasa hazo lehibe.+ Ary rano lalina no nahatonga azy ho avo be. Ny sakelidranony no nikoriana nanodidina ny toerana nambolena azy, ary ny lakandrano avy aminy nanondraka an’ireo hazo rehetra teny an-tsaha.  Izany no nahatonga azy ho avo noho ny hazo rehetra teny an-tsaha.+ “‘Nihamaro ny sampany ary vao mainka nisandrahaka ny rantsany, satria nahazo rano be avy tamin’ny renirano nanondraka azy.+  Teny amin’ny sampany no nanaovan’ny voro-manidina rehetra ny akaniny,+ ary teo ambany rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra.+ Nonina teo ambany alokalony ny firenena rehetra be mponina.  Lasa tsara tarehy izy, noho ny fahalehibeazany+ sy ny fisandrahaky ny rantsany, satria nisampantsampana tany amin’ny rano maro ny fakany.  Tsy nisy sahala aminy mihitsy ny sedera tao amin’ny zaridainan’Andriamanitra.+ Tsy mba nitovy tamin’ny sampany ny an’ny hazo zenevrie. Ary tsy mba tahaka ny rantsany ny an’ny hazo platana. Tsy nisy tsara tarehy toa azy ny hazo tao amin’ny zaridainan’Andriamanitra.+  Nataoko tsara tarehy sy be ravina izy,+ ka nitsiriritra azy daholo ny hazo tao Edena, tao amin’ny zaridainan’ilay tena Andriamanitra.’+ 10  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Noho izy* lasa avo be ka nipaka tamin’ny rahona ny tendrony,+ ary niavonavona ny fony noho ny haavony,+ 11  dia hatolotro eo an-tanan’ny mpitondra jadona eo amin’ireo firenena izy,+ ka hamely azy tokoa izany mpitondra izany. Dia horoahiko izy noho ny faharatsiany.+ 12  Ny vahiny, eny, ireo mpitondra jadona eo amin’ireo firenena, no hikapa azy. Hilaozana eny an-tendrombohitra izy, ary hihintsana eny amin’ny lohasaha rehetra ny raviny. Ho tapaka ny rantsany ka ho latsaka any amin’ny fanambanin’ny renirano rehetra eran-tany.+ Hidina ny firenena rehetra eto an-tany, ary hiala avy eo ambany alokalony ka handao azy.+ 13  Honina eo amin’ny vatan’ilay hazo nianjera ny voro-manidina rehetra. Ary hankeny amin’ny rantsany ny bibidia rehetra.+ 14  Amin’izay dia tsy hisy ho lasa avo be intsony ny hazo vonton-drano, ary ny tendrony tsy hipaka amin’ny rahona. Tsy hisy ho avo be hanakatra ny rahona koa ny hazo mifoka rano. Hovonoina ho faty daholo mantsy ireny,+ ka hiaraka amin’ny zanak’olombelona ho any ambanin’ny tany,+ ho any amin’izay midina any an-davaka.’ 15  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hataoko izay hisaonana azy, amin’ny andro hidinany any amin’ny Fasana.*+ Noho ny aminy no handrakofako ny rano lalina mba hampitsaharako ny fikorianan’ny sakelidranony sy mba hahatampina ny rano maro. Noho ny aminy koa no hanamaizinako an’i Libanona. Ary mbola noho ny aminy ihany no hampahalazo ny hazo rehetra eny an-tsaha. 16  Hataoko mihovotrovotra ny firenena rehefa hahare ny fidoboky ny fianjerany, rehefa hampidiniko any amin’ny Fasana,* miaraka amin’ireo midina any an-davaka,+ izy. Ary ho fampiononana+ ho an’ny hazo any ambanin’ny tany izany, dia ny hazo rehetra tao Edena,+ ny hazo voafantina sy tsara indrindra any Libanona, ary ny hazo rehetra mifoka rano. 17  Hiara-midina aminy any amin’ny Fasana* ireo.+ Hidina any amin’ireo matin-tsabatra izy ireo sy ny taranany, dia ireo nonina teo ambany alokalony, teo amin’ireo firenena.’+ 18  “‘Iza amin’ny hazo tao Edena+ no mitovy voninahitra+ sy fahalehibeazana aminao? Hampidinina any ambanin’ny tany miaraka amin’ny hazo tao Edena anefa ianao.+ Hiara-mivalampatra amin’ireo matin-tsabatra ianao, eo anivon’ireo tsy mifora. Izany no hanjo an’i Farao sy ny vahoakany rehetra’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

A.b.t.: “ianao.”
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.