Ezekiela 32:1-32

32  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa ambin’ny folo, tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo, nanao hoe:  “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana an’i Farao mpanjakan’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: ‘Natao izay hampangina tanteraka anao, na dia liona tanora natanjaka aza ianao teo amin’ireo firenena.+ “‘Toy ny biby goavam-be any an-dranomasina ianao,+ ary nataonao nifantsitsitra ny rano tao amin’ny renirano nisy anao. Nokobakobaninao tamin’ny tongotrao ny rano mba hiakaran’ny fotaka, ka nolotoinao ny renirano.’  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hovelariko hanarona anao ny haratoko,+ ka firenena maro no hasaiko hanao izany. Dia ho azon’izy ireo ao anaty haratoko ianao.+  Havelako eny an-tanety ianao, ary hatsipiko eny an-tsaha.+ Hamponeniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary hataoko voky anao ny bibidia eran-tany.+  Haparitako eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary izay sisa tavela amin’ny fatinao kosa hataoko manenika ny lohasaha.+  Hampisotroiko amin’ny ra mivoaka avy aminao ilay tany,+ eny an-tendrombohitra. Ho feno ny ranao ny fanambanin’ny renirano.’  “‘Rehefa tapitra ny ainao, dia hosaronako ny lanitra ary hataoko maizina ny kintana. Ny masoandro kosa hotakonako rahona, ary ny volana tsy hanome hazavana.+  Hohamaiziniko ireo loharanom-pahazavana rehetra eny amin’ny lanitra, noho ny aminao. Ary haizina no hataoko manarona ny taninao’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.  “‘Hataoko izay hahasosotra ny fon’ny vahoaka maro rehefa hisy olonao halefako ho babo any amin’ireo firenena, any amin’ny tany mbola tsy fantatrao.+ 10  Hataoko raiki-tahotra noho ny aminao ny firenena maro,+ ary hipararetra sy hihorohoro ny mpanjakany rehefa harangarangako eo anoloany ny sabatro.+ Hangovitra foana izy ireo, satria samy hatahotra noho ny amin’ny ainy, amin’ny andro hianjeranao.’+ 11  “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hamely anao ny sabatry ny mpanjakan’i Babylona.+ 12  Hataoko izay hahatonga ny vahoakanao ho lavon’ny sabatry ny mahery, dia ny mpitondra jadona rehetra eo amin’ireo firenena.+ Hofoanan’ireny ny reharehan’i Ejipta, ary haripaka daholo ny mponina ao aminy.+ 13  Haringako daholo ny biby fiompiny eny akaikin’ny rano maro.+ Tsy hokobanin’ny tongotr’olombelona intsony izany rano izany,+ na hokobanin’ny kitron’ny biby fiompy.’ 14  “‘Amin’izany andro izany, dia havelako hitsika ny fotaka mba hadio ilay rano, ary hataoko mikoriana tsara toy ny menaka ny reniranony’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 15  “‘Rehefa ataoko lao i Ejipta ka ho fongana izay rehetra ao,+ ary rehefa aripako ny mponina rehetra ao, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.+ 16  “‘Hira fisaonana izany, ka hohirain’ny olona amin’ny feo mitaraindraina. Na ny zanakavavin’ireo firenena aza hihira izany. Hihira izany ho fisaonana+ an’i Ejipta sy ny mponina rehetra ao izy ireo’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 17  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana, tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo, nanao hoe: 18  “Ry zanak’olona, mitomania an’ireo mponin’i Ejipta, ary ampidino+ any ambanin’ny tany+ miaraka amin’ireo midina any an-davaka,+ izy sy ny zanakavavin’ireo firenena matanjaka. 19  “‘Tsara noho iza moa ianao?+ Midìna ka aoka ianao hivalampatra miaraka amin’ny tsy mifora!’+ 20  “‘Ho lavo eo anivon’ireo matin-tsabatra izy ireo.+ Natolotra ho amin’ny sabatra i Ejipta. Taritarito izy sy ny mponina rehetra ao! 21  “‘Hiteny amin’i Farao sy amin’ireo manampy azy ny olona ambony anisan’ny lehilahy mahery, any amin’ny Fasana.*+ Hidina any tokoa izy ireo.+ Matin-tsabatra izy ireo, ary hivalampatra toy ny tsy mifora. 22  Any no misy an’i Asyria sy ny vahoaka rehetra ao aminy.+ Manodidina azy ny fasan’ireo Asyrianina. Novonoina daholo ireo, eny, lavon-tsabatra izy rehetra.+ 23  Natao tany anatiny indrindra amin’ny lavaka ny fasan’izy ireo.+ Ary manodidina ny fasany ny vahoakany. Voavono sy lavon-tsabatra izy rehetra. Nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona mantsy izy ireo. 24  “‘Manodidina ny fasany i Elama+ sy ny mponina rehetra ao. Voavono sy lavon-tsabatra daholo ireo, ka nidina tsy mifora any ambanin’ny tany, rehefa avy nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona. Ho afa-baraka miaraka amin’ireo midina any an-davaka izy ireo.+ 25  Teo anivon’ireo voavono no nasiana ny fandrianany,+ izany hoe teo anivon’ny vahoakany rehetra. Manodidina an’io ny fasan’izy ireo. Tsy mifora daholo ireo, sady matin-tsabatra,+ noho izy ireo nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona. Dia ho afa-baraka miaraka amin’ireo midina any an-davaka izy ireo. Natao teo anivon’ireo voavono izy. 26  “‘Any no misy an’i Meseka+ sy Tobala+ ary ny mponina rehetra ao. Manodidina azy ny fasan’izy ireo. Tsy mifora daholo ireo, sady voatrobaky ny sabatra, noho izy ireo nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona. 27  Moa ve izy ireo tsy hiara-mivalampatra amin’ny mahery,+ izay lavo teo anivon’ireo tsy mifora? Nidina tany amin’ny Fasana* niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany ireny. Hataon’izy ireo eo ambany lohany ny sabany, fa ho eo ambony taolany kosa ny fahadisoany.+ Nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona mantsy ireo mahery.+ 28  Ianao kosa ho torotoro eo amin’ireo tsy mifora, ka hiara-mivalampatra amin’ireo matin-tsabatra. 29  “‘Any koa no misy an’i Edoma+ sy ny mpanjakany ary ny mpiadidiny rehetra. Nampiarahina tamin’ireo matin-tsabatra izy ireo,+ na dia mahery aza. Hiara-mivalampatra amin’ireo tsy mifora+ sy ireo midina any an-davaka izy ireo. 30  “‘Any no misy ny andriana rehetra avy any avaratra, sy ny Sidonianina+ rehetra, izay midina amin-kenatra miaraka amin’ireo voavono, na dia nampihorohoro ny hafa aza noho ny heriny. Hiara-mivalampatra amin’ireo matin-tsabatra ireny tsy mifora ireny, ary ho afa-baraka miaraka amin’izay midina any an-davaka.+ 31  “‘Ireo no ho hitan’i Farao ka hionona izy noho ny amin’ny vahoakany rehetra.+ Ho fatin-tsabatra i Farao sy ny tafiny rehetra’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 32  “‘Nampihorohoro tao amin’ny tanin’ny velona mantsy izy,+ eny, i Farao sy ny vahoakany rehetra, ka hivalampatra eo anivon’ireo tsy mifora, miaraka amin’ireo matin-tsabatra’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.