Ezekiela 33:1-33

33  Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, miresaha amin’ny zanaky ny firenenao,+ ka lazao aminy hoe: “‘Raha asiako amin’ny sabatra ny tany iray,+ ary mifanaraka ny mponin’ilay tany hoe hifantina lehilahy iray ka hanendry azy ho mpitily,+  ary hitan-dralehilahy tokoa fa avy hamely an’ilay tany ny sabatra, ka mitsoka anjombona izy mba hampitandremana ny olona,+  nefa tsy miraharaha an’ilay fampitandremana+ mihitsy ilay olona na dia mandre an’ilay feon’anjombona aza, ary tonga tokoa ny sabatra ka nahafaty azy, dia izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+  Nandre an’ilay anjombona mantsy izy nefa tsy niraharaha an’ilay fampitandremana, ka izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.* Ho nahavonjy ny ainy anefa izy raha nihaino fampitandremana.+  “‘Fa raha hitan’ilay mpitily kosa hoe avy ny sabatra nefa tsy mitsoka ny anjombona izy,+ ka tsy mahazo fampitandremana mihitsy ny olona, ary tonga tokoa ilay sabatra ka nahafaty olona,* dia ho faty noho ny fahadisoany ihany ilay olona,+ fa ilay mpitily kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.’+  “Koa ataoko mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao, ry zanak’olona.+ Henoy ny teny aloaky ny vavako, ary lazao aminy ny fampitandremana omeko.+  Raha hoy aho amin’ny ratsy fanahy: ‘Ho faty tokoa ianao, ry ratsy fanahy!’,+ nefa tsy mampitandrina azy ianao mba hialany amin’ny lalan-dratsiny,+ dia ho faty noho ny fahadisoany ihany ilay ratsy fanahy,+ fa ianao kosa hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany.  Fa raha tena mampitandrina ny ratsy fanahy kosa ianao mba hialany amin’ny lalan-dratsiny, fa izy no tsy miala amin’izany, dia ho faty noho ny fahadisoany izy,+ fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.+ 10  “Ry zanak’olona, lazao amin’ny taranak’Israely hoe: ‘Hoy ianareo: “Lany hery tanteraka izahay noho ny fikomianay sy ny fahotanay,+ koa ahoana moa no mbola hahavelomanay?”’+ 11  Lazao aminy hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy,+ fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny+ mba ho velona izy.+ Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo,+ fa nahoana ianareo no ho faty, ry taranak’Israely?”’+ 12  “Koa izao lazaina amin’ny zanaky ny firenenao, ry zanak’olona: ‘Tsy hahavonjy ny olo-marina ny fahamarinany amin’ny andro hikomiany.+ Ary ny faharatsian’ny ratsy fanahy kosa tsy hahavoa azy amin’ny andro hialany amin’ny faharatsiany.+ Ary tsy hahavelona ny olo-marina ny fahamarinany amin’ny andro hanotany.+ 13  Raha hoy aho amin’ny olo-marina: “Ho velona tokoa ianao”, nefa matoky ny fahamarinany izy ka manao ny tsy rariny,+ dia tsy hisy hotsarovana intsony ny fahamarinana rehetra nataony, fa ho faty izy noho ny nanaovany ny tsy rariny.+ 14  “‘Ary raha hoy aho amin’ny ratsy fanahy: “Ho faty tokoa ianao”,+ nefa miala amin’ny fahotany izy+ ary manao ny rariny sady manao izay hitsiny,+ 15  ka mamerina ny antoka nalainy+ sy manonitra ny zavatra nangalariny,+ ary manaraka ny lalàna mahavelona fa tsy mba manao ny tsy rariny,+ dia ho velona tokoa izy,+ fa tsy ho faty. 16  Tsy hisy hotsarovana ny fahotany, ka tsy hanamelohana azy intsony.+ Manao ny rariny sady manao izay mahitsy izy, ka ho velona tokoa.’+ 17  “Dia hoy ny zanaky ny firenenao: ‘Tsy mety ny ataon’i Jehovah’,+ nefa ny ataon’izy ireo no tsy mety. 18  “Raha miala amin’ny lalan’ny fahamarinana ny olo-marina ka manao ny tsy rariny, dia ho faty izy noho izany.+ 19  Ary raha miala amin’ny ratsy fanaony ny ratsy fanahy, ka tena manao ny rariny sady manao izay mahitsy, dia tsy ho faty izy noho ny nanaovany izany.+ 20  “Dia hoy ianareo: ‘Tsy mety ny ataon’i Jehovah.’+ Koa arakaraka izay nataonareo avy no hitsarako anareo,+ ry taranak’Israely ô!” 21  Tamin’ny farany, dia nisy olona afa-nandositra avy any Jerosalema,+ ary tonga tany amiko izy tamin’ny andro fahadimin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo nanaovana sesitany anay, ka hoy izy: “Rava ny tanàna!”+ 22  Niasa tamiko ny tanan’i Jehovah ny takariva talohan’ny nahatongavan’ilay afa-nandositra.+ Koa nosokafan’Andriamanitra ny vavako talohan’ny nahatongavan’ilay olona ny ampitso maraina. Dia nisokatra ny vavako ka tsy moana intsony aho.+ 23  Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe: 24  “Ry zanak’olona, hoy ny mponin’ireny tanàna rava+ ireny momba ny tanin’ny Israely: ‘I Abrahama irery aza nahavita naka an’io tany io,+ koa mainka fa isika maro be ireto? Efa nomena ho fananantsika io tany io.’+ 25  “Koa izao lazaina aminy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Mihinan-kena miaraka amin’ny rany ianareo,+ sady miandrandra an’ireo sampinareo maharikoriko,+ ary tsy mitsahatra mandatsa-dra.+ Koa ahoana moa no hahazoanareo an’io tany io?+ 26  Miantehitra amin’ny sabatrareo ianareo.+ Manao zava-maharikoriko ianareo+ sady mandoto ny vadin’ny namanareo avy.+ Koa ahoana moa no hahazoanareo an’io tany io?”’+ 27  “Koa izao no holazainao aminy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Raha mbola velona koa aho, dia ho lavon-tsabatra izay ao amin’ireo tanàna rava ireo,+ ary izay any an-tsaha kosa homeko ho sakafon’ny bibidia,+ ary izay ao amin’ny toerana voaro mafy sy any anaty lava-bato+ ho fatin’ny areti-mandringana. 28  Koa hataoko lao tsy misy mponina ilay tany,+ ary hofaranako hatreo ny heriny izay ireharehany.+ Ho lao ny tendrombohitr’i Israely+ ka tsy hisy mpandalo intsony. 29  Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah, rehefa ataoko lao tsy misy mponina ilay tany,+ noho ny zava-maharikoriko rehetra nataon’izy ireo.”’+ 30  “Ry zanak’olona, samy miresaka anao eny am-bodirindrina sy eny am-baravaran’ny tranony, ny zanaky ny firenenao.+ Mifampiresaka izy ireo, ka samy milaza amin’ny rahalahiny hoe: ‘Andao isika hihaino ny teny avy amin’i Jehovah!’+ 31  Dia ho tonga any aminao izy ireo, toy ny olona efa mpankeo aminao, ka hipetraka eo anoloanao toy ny ataon’ny oloko.+ Hihaino ny teninao tokoa izy ireo nefa tsy hankatò an’izany,+ satria filan-dratsy no haloaky ny vavany ary fakana tombony tsy ara-drariny no mamin’ny fony.+ 32  Amin’izy ireo, dia toy ny hiram-pitiavana ianao, ary toy ny olona manga feo sy tena mahay mitendry lokanga.+ Hihaino ny teninao tokoa izy ireo nefa tsy hisy hankatò an’izany.+ 33  Rehefa tanteraka izany, satria tsy maintsy ho tanteraka,+ dia tsy maintsy ho fantany fa nisy mpaminany teo aminy!”+

Fanamarihana

A.b.t.: “ho eo an-dohany ihany ny rany.”
A.b.t.: “ho eo an-dohany ihany ny rany.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.