Ezekiela 34:1-31

34  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny loza hanjo an’ireo mpiandry ondry eo amin’ny Israely. Maminania ka lazao amin’ireo mpiandry ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Lozan’ireo mpiandry ondry eo amin’ny Israely+ satria mamahan-tena izy ireo!+ Tsy ny ondry ve no tokony homeny hanina?+  Ny taviny no haninareo,+ ary ataonareo fitafiana ny volonondry. Ny ondry matavy+ no vonoinareo.+ Ary ny andian’ondry tsy omenareo hanina.  Ny osa tsy hatanjahinareo,+ ny marary tsy sitraninareo, ny tapaka tsy asianareo fehy lamba, ireo nania tsy averinareo, ary ny very tsy tadiavinareo.+ Teo ambany fifehezanareo ireny, nefa nasiaka taminy ianareo, ary lozabe mihitsy aza.+  Dia niparitaka tsikelikely izy ireo satria tsy nisy mpiandry.+ Koa lanin’ny bibidia izy ireo ary vao mainka niparitaka.+  Nirenireny teny amin’ny tendrombohitra sy havoana avo+ rehetra teny ny ondriko.+ Niparitaka nanerana ny tany izy ireo, nefa tsy mba nisy nikaroka na nitady.  “‘“Koa henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpiandry ondry:  ‘“Nisy nandroba sy lanin’ny bibidia ny ondriko satria tsy nisy mpiandry, ary ny mpiandry koa tsy nitady ny ondriko fa namahan-tena fotsiny,+ ka tsy nomeny hanina ny ondriko. Koa raha mbola velona koa aho’”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony,  dia henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpiandry ondry. 10  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homelohiko ny mpiandry ondry+ ka hesoriko tsy ho eo am-pelatanany ny ondriko ary tsy havelako hiandry ny ondriko intsony izy,+ ka tsy hamahan-tena intsony.+ Dia hovonjeko avy eo am-bavany ny ondriko, mba tsy ho laniny.’”+ 11  “‘Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Intỳ aho, ary izaho mihitsy no hitady ny ondriko sy hikarakara azy.+ 12  Hokarakaraiko tokoa ny ondriko,+ toy ny fikarakaran’ny mpiandry ondry ny andian’ondriny amin’ny andro hahatongavany eo amin’ny ondriny izay efa niparitaka.+ Ary hovonjeko avy any amin’ny toerana rehetra niparitahany tamin’ny andro nandrahona sy maizim-pito,+ izy ireo. 13  Havoakako avy any amin’ireo firenena izy ireo,+ ary hangoniko avy any amin’ny tany samy hafa ka hoentiko ao amin’ny taniny.+ Hiandry an’ireo ondriko ireo eny amin’ny tendrombohitr’i Israely aho, sy eny amoron-drano, ary eny amin’izay rehetra azo onenana ao amin’ilay tany.+ 14  Eny amin’ny tanimbilona tsara no hiandrasako ny ondriko, ary eny amin’ny tendrombohitra avon’i Israely izy ireo no honina.+ Eny izy ireo no handry ao amin’ny toeram-ponenana tsara.+ Eny amin’ny kijana feno ahi-maitso izy ireo no hiraoka ahitra, eny an-tendrombohitr’i Israely.” 15  “‘“Izaho no hikarakara ny ondriko+ ary izaho no hampandry azy”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 16  “Ny very hotadiaviko,+ izay nania haveriko, ny tapaka hasiako fehy lamba ary ny osa hohatanjahiko. Fa ny matavy+ sy ny matanjaka kosa haringako. Didim-pitsarana no ho toy ny hanina homeko azy.”+ 17  “‘Izao kosa no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony aminareo, ry ondriko: “Hitsara ny ondry samy ondry aho, ary hitsara ny ondrilahy sy ny osilahy.+ 18  Tsy ampy anareo angaha ny nihinana teo amin’ny tanimbilona tena tsara+ no mbola hosihosenareo koa ny tanimbilona sisa? Ary tsy ampy anareo angaha ny nisotro tamin’ny rano madio no mbola lotoinareo amin’ny tongotrareo koa ny rano sisa? 19  Eo amin’ny tanimbilona nohosihosenareo ve ny ondriko no hiraoka ahitra? Ary ny rano nolotoin’ny tongotrareo ve no hosotroiny?” 20  “‘Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Intỳ aho, ary izaho mihitsy no hitsara ny ondry matavy sy ny ondry mahia, 21  satria natositosikareo tamin’ny tehezanareo sy ny sorokareo ny ondry osa rehetra ary nanoto azy tamin’ny tandrokareo ianareo, ka naparitakareo teny ivelany izy ireo.+ 22  Koa hovonjeko ny ondriko ka tsy hisy handroba intsony,+ ary hotsaraiko ny ondry samy ondry. 23  Hanendry mpiandry iray hikarakara ny ondriko aho,+ ka hanome hanina an’ireny izany mpiandry izany, dia i Davida mpanompoko.+ Izy no hanome hanina azy ireo ary izy no ho mpiandry azy ireo.+ 24  Izaho Jehovah no ho Andriamaniny,+ ary i Davida mpanompoko no ho mpiadidy eo amin’izy ireo.+ Izaho Jehovah no miteny izany. 25  “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ary hataoko tsy misy bibidia masiaka intsony ao amin’ilay tany,+ ka honina tsy amin’ahiahy any an-tany efitra izy ireo, ary hatory any an’ala.+ 26  Na izy ireo na ny manodidina ny havoanako dia hataoko loharanom-pitahiana.+ Ary hataoko mirotsaka ara-potoana ny orana. Ho ranonoram-pitahiana izany.+ 27  Hamoa ny hazo eny an-tsaha,+ ary hamokatra ny tany.+ Tsy hanana ahiahy tokoa izy ireo ao amin’ny taniny.+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah rehefa tapahiko ny baran’ny ziogany,+ ka hovonjeko avy eo an-tanan’izay mampiasa azy ho andevo izy.+ 28  Tsy horobain’ireo firenena intsony izy ireo,+ ary ny bibidia eny ambonin’ny tany tsy hihinana azy ireo. Honina tsy amin’ahiahy izy ireo ary tsy hisy hampangovitra azy.+ 29  “‘“Ary hanao toeram-pambolena ho azy ireo aho hahazoany laza tsara,*+ ka tsy ho faty mosary intsony izy ireo ao amin’ilay tany,+ sady tsy hizaka fahafaham-baraka intsony avy amin’ireo firenena.+ 30  ‘Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah Andriamaniny no momba azy ireo,+ ary oloko izy ireo, izany hoe ny taranak’Israely’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”’+ 31  “‘Ary ianareo, ry ondriko,+ eny, ry ondry ao an-kijanako, olombelona ianareo, ary izaho no Andriamanitrareo’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

A.b.t.: “anarana.”