Ezekiela 35:1-15

35  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, mitodiha+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira+ ka maminania ny amin’ny loza hanjo azy.+  Koa lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Homelohiko ianao, ry faritra be tendrombohitr’i Seira,+ ka haninjitra ny tanako hamely anao aho.+ Dia hataoko lao tsy misy mponina ianao.+  Horavako tanteraka ireo tanànanao, ary ianao ho lao tanteraka.+ Dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho no Jehovah.+  Efa ela mantsy ianao no nandrafy ny taranak’Israely+ ka natolotrao ho amin’ny sabatra izy ireo+ tamin’ny fotoana nahitany loza,+ dia tamin’ny fotoanan’ny fahadisoany farany.”’+  “‘Koa raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia hanenjika anao ny ra nalatsakao,+ satria efa nomaniko ho amin’ny fandatsahan-dra ianao. Ra no nankahalainao, ka ra no hanenjika anao.+  Hataoko lao tsy misy mponina ny faritra be tendrombohitr’i Seira.+ Haringako izay olona mandalo ao sy izay miverina ao.+  Hataoko feno fatin’olona eran’ny tendrombohitrao. Ary hiampatrampatra eran’ny havoana sy ny lohasaha ary ny fanambanin’ny renirano rehetra ao aminao ireo lavon-tsabatra.+  Hataoko lao mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, ary tsy honenana ny tanànanao.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’+ 10  “Nilaza ianao hoe: ‘Ho lasako ireo firenena sy tany roa ireo, ka samy halaintsika ho antsika!’+ I Jehovah mihitsy anefa no ao amin’ireo tany roa ireo.+ 11  ‘Koa raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia hovaliako araka ny fahatezerana sy ny fialonana nasehonao noho ny fankahalanao azy ianao.+ Koa hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy rehefa mitsara anao aho.+ 12  Dia tsy maintsy ho fantatrao fa izaho Jehovah no nandre ny teny fanivaivana rehetra nolazainao momba ny tendrombohitr’i Israely+ hoe: “Rava ny tanin-dry zareo! Nomena antsika ireo, ka hanina ho antsika!”+ 13  Nirehareha be ianareo nanao teny nanohitra ahy,+ sady be vava ho fanoherana ahy.+ Henoko daholo ireny!’+ 14  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hataoko lao ianao amin’ny fotoana hifalian’ny tany manontolo. 15  Faly erỳ ianao rehefa lao tanteraka ny lovan’ny taranak’Israely! Koa hataoko lao toy izany koa ianao.+ Ho lao tanteraka ianao, ry faritra be tendrombohitr’i Seira, eny, i Edoma manontolo!+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”+

Fanamarihana