Ezekiela 36:1-38

36  “Ry zanak’olona, maminania momba ny tendrombohitr’i Israely, ka lazao hoe: ‘Ry tendrombohitr’i Israely+ ô, henoy ny tenin’i Jehovah.  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Naneso anareo ny fahavalo hoe:+ ‘Tsara ho azy izay! Lasanay+ hatramin’ireo toerana avo, izay efa teo hatry ny ela!’”’+  “Koa maminania ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Nanjary lao+ sy narapaky ny manodidina ianareo,+ ka tonga fananan’ireo firenena sisa tavela,+ ary lasa ambentin-dresaky ny olona+ sy haratsiny.+  Koa henoy ny tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony, ry tendrombohitr’i Israely+ ô! Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’ny tendrombohitra sy ny havoana sy ny renirano sy ny lohasaha sy ny toerana rava tsy misy mponina+ ary ny tanàna aolo, izay norobaina sy nesoin’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo,+  eny, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ao anatin’ny hafanam-poko miredareda no hanamelohako+ an’ireo firenena sisa tavela sy i Edoma manontolo,+ dia ireo nifaly tamin’ny fony manontolo rehefa naka ny taniko,+ sady mbola nanesoeso tany am-pony.+ Nanao izany izy ireo mba hakana ny kijana ao amin’ny taniko sy handrobana azy.’”’+  “Koa maminania momba ny tanin’ny Israely, ka izao lazaina amin’ny tendrombohitra sy ny havoana sy ny renirano ary ny lohasaha: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tsy maintsy miteny amin-kafanam-po sy amin-katezerana aho, satria nalan’ireo firenena baraka ianareo.”’+  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Efa nanangan-tanana aho ka nianiana+ fa ho afa-baraka koa ireo firenena manodidina anareo ireo.+  Fa ianareo kosa, ry tendrombohitr’i Israely, hisandrahaka ny sampanareo ary hamoa ho an’ny Israely oloko ianareo,+ satria efa akaiky izy ireo ka efa ho tonga.+  Fa hankasitraka anareo aho ary hitsinjo anareo tokoa,+ ka hovolena sy hamafazam-boa indray ianareo.+ 10  Hataoko maro ny olona eo aminareo, dia ny taranak’Israely manontolo, eny, izy rehetra mihitsy,+ ka honenana indray ireo tanàna,+ ary haorina indray ireo toerana efa rava.+ 11  Hataoko maro ny olona sy ny biby eo aminareo,+ ka ho maro be sy hanan-taranaka ireny. Hataoko misy mponina toy ny taloha indray+ ianareo, ka hanasoa anareo mihoatra noho ny tamin’ny voalohany aho.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.+ 12  Ary hasiako olona mifamoivoy eo aminareo, dia ny Israely oloko, ka ho lasa fananany ianareo.+ Ho lovan’izy ireo ianareo,+ ary tsy hataonareo fongana+ intsony ny zanak’izy ireo.’” 13  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Koa satria misy milaza hoe mpandripaka olona, hono, ianao, sady tany mahalany fongana ny zanaky ny firenenao’,+ 14  ‘dia tsy handripaka olona intsony ianao,+ ary tsy hataonao fongana intsony ny zanaky ny firenenao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 15  ‘Hataoko tsy mahare fanalam-baraka avy amin’ireo firenena intsony ianao,+ sady tsy holatsain’ny vahoaka maro intsony,+ ary tsy hanafintohina ny firenenao intsony koa ianao’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.” 16  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 17  “Ry zanak’olona, nonina teo amin’ny taniny ny taranak’Israely, nefa nandoto azy io izy ireo, tamin’ny fitondran-tenany sy ny fanaony.+ Nanjary naloto toy ny vehivavy maloton’ny fadimbolana ny fanaon’izy ireo, teo imasoko.+ 18  Koa nanampatra ny fahatezerako tamin’izy ireo aho, noho ny ra nalatsany tao amin’ilay tany,+ izay nolotoiny tamin’ireo sampiny maharikoriko.+ 19  Dia naparitako tany amin’ireo firenena izy ireo, ka niely tany amin’ny tany samy hafa.+ Arakaraka ny fitondran-tenany sy ny fanaony no nitsarako azy.+ 20  Dia tonga tany amin’ireo firenena nitondrana azy izy ireo, ka nozimbazimbain’ny olona ny anarako masina,+ rehefa nilaza ireny hoe: ‘Olon’i Jehovah ireo, nefa niala tany amin’ny taniny!’+ 21  Koa nampalahelo ahy ny anarako masina, izay nozimbazimbain’ny taranak’Israely tany amin’ireo firenena nitondrana azy.”+ 22  “Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tsy noho ny aminareo no hanaovako izany, ry taranak’Israely ô, fa noho ny anarako masina, izay nozimbazimbainareo tany amin’ireo firenena nitondrana anareo.”’+ 23  ‘Hohamasiniko ny anarako+ be voninahitra, izay nozimbazimbaina tany amin’ireo firenena, ary nozimbazimbainareo koa teo amin’ireny. Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘rehefa hamasinina eo aminareo aho, eo imason’ireny.+ 24  Halaiko avy any amin’ireo firenena ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra, ka hoentiko any amin’ny taninareo.+ 25  Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio.+ Hodioviko ho afaka aminareo daholo ny fahalotoanareo+ sy ny zava-maharikoriko rehetra notompoinareo.+ 26  Homeko fo vaovao ianareo,+ ary toe-tsaina vaovao no hataoko ao anatinareo.+ Hesoriko ao aminareo ny fo vato, ka fo nofo no homeko anareo.+ 27  Hataoko ao anatinareo ny fanahiko,+ ary hanao zavatra aho mba hitandremanareo ny fitsipiko+ ary mba hanajanareo ny didim-pitsarako sy hanatanterahanareo izany.+ 28  Ary honina ao amin’ilay tany nomeko ny razanareo tokoa ianareo.+ Dia ho oloko ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo.’+ 29  “‘Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo.+ Ary hantsoiko ny varimbazaha ka hataoko vokatra be. Dia tsy havelako hisy mosary eo aminareo.+ 30  Hataoko be dia be ny voan’ny hazo sy ny vokatra eny an-tsaha, mba tsy holatsain’ireo firenena intsony ianareo hoe tratran’ny mosary.+ 31  Dia tsy maintsy hotsaroanareo ny fitondran-tena ratsy sy ny fanao ratsy narahinareo,+ ka haharikoriko anareo ny tenanareo satria nanao fahadisoana sy nanao zava-maharikoriko ianareo.+ 32  Aoka anefa ho fantatrareo fa tsy noho ny aminareo no hanaovako izany’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Koa aoka ho menatra sy ho afa-baraka ianareo noho ny nataonareo, ry taranak’Israely!’+ 33  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Amin’ny andro hanadiovako anareo ho afaka amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia hasiako mponina koa ao amin’ireo tanàna,+ ary haorina indray ireo toerana rava.+ 34  Hovolena indray ny tany lavavolo, na dia tany lao aza no nahitan’ny mpandalo rehetra azy.+ 35  Dia tsy maintsy hisy hilaza hoe: “Oay! Lao irỳ tany irỳ taloha, nefa lasa sahala amin’ny zaridainan’i Edena+ izao! Ary voamboatra indray ny mandan’ireo tanàna aolo tsy nisy mponina sy rava, ka efa misy mponina ao.”+ 36  Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo fa izaho Jehovah no manorina ny efa rava,+ sy mamboly indray eo amin’ny tany lavavolo. Izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka izany.’+ 37  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Mbola havelako hitady ahy ny taranak’Israely ka hangataka amiko+ mba hatao maro be. Koa hataoko maro be toy ny andian’ondry ny olona ao aminy.+ 38  Ho feno vahoaka be toy ny andian’ondry+ ireo tanàna aolo teo aloha. Toy ny olona masina maro be, sy toy ny andian’ondry ao Jerosalema amin’ny fotoanan’ny fety+ no fahitana azy ireo. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”

Fanamarihana