Ezekiela 37:1-28

37  Niasa tamiko ny tanan’i Jehovah,+ ka nentiny tamin’ny alalan’ny fanahin’i Jehovah aho,+ ary napetrany teny amin’ny tany lemaka feno taolam-paty.+  Dia nampandaloviny nanodidina an’ireo taolana ireo aho, ka hitako fa, hay, be dia be izy ireo teo amin’ilay tany lemaka, sady maina+ be daholo!  Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, mety ho velona indray ve ireo taolana ireo?” Dia hoy aho: “Ianao no mahalala tsara an’izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô!”+  Hoy ihany izy tamiko: “Maminania momba ireo taolana ireo, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry taola-maina ô:  “‘Izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’ireo taolana ireo: “Hasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo.+  Ary hasiako hozatra sy nofo ianareo, ka hofonosiko hoditra. Hasiako fofonaina ao aminareo, dia ho velona indray ianareo.+ Ary tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.”’”+  Koa naminany araka ny nandidiana ahy aho.+ Raha vao naminany aho, dia injay nisy feo! Ary nisy zavatra nikatrokatroka ka indreny fa nifanatona ireo taolana: Samy nanatona ny namany avy izy ireo.  Dia hitako fa naniry hozatra sy nofo izy ireo, ary nisy hoditra nandrakotra azy. Mbola tsy nisy fofonaina anefa tao aminy.  Hoy ihany Andriamanitra tamiko: “Maminania amin’ny rivotra. Maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny rivotra hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ry rivotra ô, tongava avy any amin’ny vazan-tany* efatra, ka tsotsofy ireo olona maty+ ireo mba ho velona indray.”’”+ 10  Dia naminany araka ny nandidiana ahy aho. Koa nisy fofonaina niditra tao amin’ireo. Dia velona ireo ka nijoro tamin’ny tongony,+ ary lasa tafika tena lehibe dia lehibe. 11  Hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, tsy inona ireo taolana ireo fa ny taranak’Israely manontolo.+ Hoy mantsy izy ireo: ‘Maina ny taolanay. Very fanantenana izahay,+ ary tafasaraka tanteraka.’ 12  Koa maminania ka lazao aminy hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hosokafako ny fasanareo,+ ka hampiakariko avy ao ianareo, ry oloko. Ary haveriko any amin’ny tanin’ny Israely ianareo.+ 13  Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah, rehefa sokafako ny fasanareo ka ampiakariko avy ao ianareo, ry oloko.”’+ 14  ‘Hataoko ao aminareo ny fanahiko ka ho velona indray ianareo,+ ary hamponeniko ao amin’ny taninareo. Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no niteny sy nanatanteraka izany’, hoy i Jehovah.”+ 15  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe: 16  “Ry zanak’olona, makà sampan-kazo+ ka izao soratana eo aminy: ‘Ho an’i Joda sy ny zanak’Israely namany.’+ Dia makà sampan-kazo iray hafa ka soraty eo hoe: ‘Ho an’i Josefa, sampan-kazon’i Efraima,+ sy ny taranak’Israely rehetra namany.’+ 17  Ampifanatony ireo mba ho sampan-kazo iray, ka ho lasa iray ihany eny an-tananao.+ 18  Ary rehefa miteny aminao ny zanaky ny firenenao hoe: ‘Lazao aminay ny dikan’izao’,+ 19  dia valio hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko ny sampan-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ka hataoko eo amin’ilay sampan-kazon’i Joda, ary hataoko lasa sampan-kazo iray ihany ireo,+ ka ho iray eto an-tanako.”’ 20  Ary ireo sampan-kazo izay nasianao soratra dia ataovy eny an-tananao, eo imason’izy ireo.+ 21  “Lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko avy any amin’ireo firenena nalehany ny zanak’Israely, ka hangoniko avy any amin’ny manodidina, ary haveriko ao amin’ny taniny.+ 22  Dia hataoko firenena iray ihany izy ireo eo amin’ilay tany,+ eny amin’ny tendrombohitr’i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hitondra azy rehetra,+ ka tsy ho firenena roa intsony izy ireo sady tsy hizara ho fanjakana roa intsony.+ 23  Tsy handoto tena amin’ny sampiny maharikoriko intsony izy ireo, na handoto tena amin’ny zava-maharikoriko sy ny fandikan-dalàna rehetra fanaony.+ Fa hovonjeko ho afaka amin’ny fahotana nataony tany amin’ny fonenany rehetra izy ireo, ka hodioviko.+ Dia ho oloko izy ireo ary izaho ho Andriamaniny.+ 24  “‘“Ary i Davida mpanompoko no ho mpanjakan’izy ireo.+ Mpiandry iray ihany no hiandry azy rehetra.+ Hanaraka ny didim-pitsarako izy ireo,+ ary hitandrina ny lalàko+ ka hanatanteraka izany.+ 25  Dia honina tokoa eo amin’ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko, izay efa nonenan’ny razanareo,+ izy ireo. Koa honina eo+ mandritra ny fotoana tsy voafetra+ izy ireo sy ny zanaka aman-jafiny. Ary i Davida mpanompoko no ho mpiadidy eo amin’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 26  “‘“Dia hanao fifanekem-pihavanana amin’izy ireo aho,+ ka ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.+ Hapetrako ao amin’ny taniny izy ireo, ary hataoko lasa maro be.+ Dia hataoko eo amin’izy ireo, mandritra ny fotoana tsy voafetra, ny toerako masina.+ 27  Ho eo amin’izy ireo ny tranolaiko,+ ka ho Andriamaniny tokoa aho ary izy ireo ho oloko.+ 28  Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho Jehovah+ no manamasina ny Israely, rehefa ho eo amin’izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra ny toerako masina.”’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “rivotra.”