Ezekiela 38:1-23

38  Ary tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona,+ mitodiha manandrify an’i Goga avy any amin’ny tany Magoga,+ dia ilay lehiben’ny mpiadidy ao Meseka+ sy Tobala.+ Maminania ny amin’ny loza hanjo azy,  ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hamely anao aho, ry Goga lehiben’ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala.  Hahodiko ny sainao ary hasiako faraingo ny valanoranonao,+ ka hoentiko mivoaka ianao miaraka amin’ny tafikao manontolo,+ dia soavaly sy mpitaingin-tsoavaly. Tena mahay mihaingo+ izy rehetra, eny, miaramila be dia be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mahay mitan-tsabatra.+  Miaraka amin’izy ireo koa ny olona avy any Persa+ sy Etiopia+ ary Pota,+ izay samy mitondra ampinga kely sy manao fiarovan-doha.  Miaraka aminao koa i Gomera+ sy ny miaramilany rehetra, sy ny taranak’i Togarma+ avy any amin’ny farany avaratra, mbamin’ny miaramilany rehetra, eny, firenena maro.+  “‘“Aoka ianao ho vonona, ary miomàna ianao sy ny vahoaka rehetra miaraka aminao,+ dia ireo miangona eo anilanao. Aoka ianao ho mpitarika azy ireo.  “‘“Hodinihiko ny momba anao rehefa afaka andro maro. Ary rehefa hifarana ny taona maro, dia ho avy ianao ka hankao amin’ny tanin’ireo+ olona tsy matin-tsabatra, izay tafangona avy any amin’ny firenena maro,+ ka nentina teny amin’ny tendrombohitr’i Israely izay efa rava teo foana. Nivoaka avy any amin’ireo firenena ny mponin’io tany io ary monina tsy amin’ahiahy izy rehetra.+  Dia tsy maintsy hiakatra ianao ka ho avy toy ny oram-baratra.+ Ho toy ny rahona handrakotra an’ilay tany ianao+ sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena maro miaraka aminao.”’ 10  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Amin’izany andro izany, dia hisy fikasana hitsiry ao am-ponao,+ ary hanao teti-dratsy+ ianao, 11  ka hiteny hoe: “Hiakatra hamely an’ilay tany misy tanàna tsy mimanda aho,+ ary hankany amin’ireo olona mandry feizay sy monina tsy amin’ahiahy, dia izay rehetra monina ao amin’ny tanàna tsy misy manda+ na bara hidiny na vavahady.” 12  Ny haka babo+ betsaka sy ny handroba zavatra maro no kendrenao, ka haninjitra ny tananao ianao mba hanafika an’ilay toerana rava, izay efa misy mponina izao.+ Hotafihinao koa ilay vahoaka nangonina avy any amin’ireo firenena,+ dia vahoaka nihary harena sy fananam-be+ sady monina eo afovoan’ny+ tany. 13  “‘Hilaza aminao ny olona ao Sheba+ sy Dedana+ sy ny mpivarotra avy any Tarsisy+ ary ny liona+ tanora rehetra hoe: “Haka babo betsaka ve no nahatongavanao atỳ? Handroba zavatra maro ve no nanangonanao ny miaramilanao, mba haka volafotsy sy volamena, hangorona harena sy fananam-be ary hahazo babo be dia be?”’ 14  “Koa maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’i Goga hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Amin’izany andro izany, dia azo antoka fa ho fantatrao hoe hitoetra tsy amin’ahiahy ny Israely oloko.+ 15  Dia ho tonga avy any amin’izay misy anao ianao, eny, ho tonga avy any amin’ny farany avaratra,+ hiaraka amin’ny firenena maro izay mitaingin-tsoavaly daholo. Vahoaka maro be ireo, sady tafika lehibe.+ 16  Hiakatra hanafika ny Israely oloko tokoa ianao, toy ny rahona mandrakotra ny tany.+ Any am-parany any no hitrangan’izany. Ary hoentiko hamely ny taniko ianao+ mba hahafantaran’ireo firenena ahy, rehefa hanamasina ny tenako amin’ny alalanao aho, ry Goga, eo imason’izy ireo.”’+ 17  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ianao+ ihany ve ilay nolazaiko taloha, tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko? Naminany mantsy ireo mpaminany teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany, eny, nandritra ny taona maro, hoe hoentiko hamely azy ireo ianao.’+ 18  “‘Amin’izany andro izany, amin’ilay andro hamelezan’i Goga ny tanin’ny Israely’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia ho tezitra mafy aho.*+ 19  Ary hiteny amin-kafanam-po+ sy amin-katezerana mafy aho.+ Hisy horohoron-tany lehibe any amin’ny tanin’ny Israely+ amin’izany andro izany. 20  Dia tsy maintsy hipararetra noho ny amiko ny trondro any an-dranomasina, sy ny voro-manidina, sy ny bibidia, sy ny biby mandady rehetra amin’ny tany, ary ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany.+ Hiletsy ny tendrombohitra,+ hihotsaka ny lalana amoron-tevana, ary hidaboka amin’ny tany ny manda rehetra.’ 21  “‘Hantsoiko hamely azy eny amin’ny tendrombohitro rehetra ny sabatra’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ ‘Dia samy hifamely sabatra ny mpirahalahy.+ 22  Hotsaraiko+ izy ka handefasako areti-mandringana,+ ary handriaka ny ra.+ Handatsahako oram-be mahatonga tondra-drano, ary koa havandra+ sy afo+ ary solifara, izy sy ny miaramilany ary ny firenena maro hiaraka aminy.+ 23  Koa izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako+ ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’+

Fanamarihana

A.b.t.: ‘hiakatra ao amin’ny oroko ny fahatezerako.’