Ezekiela 39:1-29

39  “Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny loza hanjo an’i Goga,+ ka lazao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hamely anao aho, ry Goga, lehiben’ny mpiadidy ao Meseka+ sy Tobala.+  Hahodiko ny sainao, dia hotarihiko+ sy hampiakariko avy any amin’ny farany avaratra+ ianao, ka hoentiko eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely.  Dia hasiako ny tsipìkanao ka hianjera avy eny an-tananao ankavia, ary hataoko latsaka avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipìkanao.  Hiampatrampatra eny amin’ireo tendrombohitr’i Israely ianao+ sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena miaraka aminao. Ary homeko ho sakafon’ny vorona mpihaza sy ny karazam-borona rehetra ary ny bibidia ianao.”’+  “‘Hiampatrampatra eny an-tsaha eny ianao,+ satria izaho no miteny izany’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.  “‘Handefasako afo any Magoga+ sy eo amin’ireo monina tsy amin’ahiahy ao amin’ireo nosy.+ Dia tsy maintsy ho fantatra fa izaho no Jehovah.  Hampahafantariko eo amin’ny Israely oloko ny anarako masina, ary tsy havelako hozimbazimbaina intsony izany anarako masina izany.+ Dia tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah,+ Ilay Masina eo amin’ny Israely.’+  “‘Ho tonga tokoa izany, ary tsy maintsy ho tanteraka’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. ‘Izany ilay andro efa nambarako.+  Dia hivoaka ny mponin’ny tanànan’ny Israely, ka handrehitra afo sy handoro an’ireo fitaovam-piadiana, dia ny ampinga kely sy ampinga lehibe sy tsipìka sy zana-tsipìka sy langilangy ary lefona. Ireny no hataony kitay+ mandritra ny fito taona. 10  Tsy hitondra kitay avy any an-tsaha intsony izy ireo, na hanangona kitay any an’ala, fa ireo fitaovam-piadiana ireo no hataony kitay.’ “‘Hobaboin’izy ireo tokoa izay namabo azy+ ary horobainy izay nandroba azy’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 11  “‘Amin’izany andro izany, dia homeko toerana any i Goga,+ mba hataony fasana any Israely, ao amin’ilay lohasahan’ny mpandalo, any atsinanan’ny ranomasina. Ho voasakan’io lohasaha io ny mpandalo. Any no handevenana an’i Goga sy ny vahoakany rehetra. Koa hantsoina hoe Lohasahan’ny Vahoakan’i Goga+ io toerana io. 12  Dia halevin’ny taranak’Israely ireny mba hanadiovana an’ilay tany, mandritra ny fito volana.+ 13  Ny olona rehetra ao amin’ilay tany no hifarimbona handevina an’ireny, ka hanjary halaza izy ireo amin’ny andro hanomezako voninahitra ny tenako’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 14  “‘Ary hisy olona hatokana mba hanao asa mitohy: Hitety an’ilay tany izy ireo, ka handevina an’izay faty sisa tavela eny rehetra eny, mba hanadiovana ny tany. Hiara-miasa amin’izy ireo koa ny mpandalo. Hikaroka foana izy ireo mandra-pahatapitry ny fito volana. 15  Raha mahita taolan’olona izy ireo rehefa mitety an’ilay tany, dia hanisy marika eo akaikin’izany, mandra-pandevin’ny mpandevina izany ao amin’ny Lohasahan’ny Vahoakan’i Goga.+ 16  Hatao hoe Hamona koa ny anaran’ilay tanàna. Ary hodiovin’izy ireo ilay tany.’+ 17  “Ry zanak’olona, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Lazao amin’ny karazam-borona rehetra sy amin’ny bibidia rehetra hoe:+ “Avia daholo! Miangòna manodidina ny sorona atolotro ho anareo, dia ilay sorona lehibe eny amin’ny tendrombohitr’i Israely.+ Fa hihinana nofo sy hisotro ra ianareo.+ 18  Hihinana ny nofon’ny mahery ianareo,+ ary hisotro ny ran’ireo mpiadidy eny ambonin’ny tany, izay toy ny ondrilahy sy ondrilahy kely+ sy osilahy sy vantotr’ombilahy,+ eny, biby nohatavezina avy any Basana izy rehetra.+ 19  Hohaninareo ny tavin’ilay sorona hatolotro anareo, mandra-pahavokinareo.+ Hosotroinareo koa ny ran’izany sorona izany, mandra-pahamamonareo.”’ 20  “‘Ho voky soavaly sy mpitondra kalesy sy olo-mahery ary miaramila mpiady isan-karazany ianareo eo amin’ny latabatro’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ 21  “‘Hasehoko amin’ireo firenena ny voninahitro, ka ho hitan’ny firenena rehetra ny hampiharako ny didim-pitsarako+ sy ny hampiasako ny tanako mba hamelezana azy ireo.+ 22  Dia tsy maintsy ho fantatry ny taranak’Israely fa izaho no Jehovah Andriamaniny, manomboka amin’izany andro izany sy aorian’izany.+ 23  Ary tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa nanao fahadisoana ny taranak’Israely sady nivadika tamiko, ka izany no nanaovana sesitany azy.+ Koa nanafina ny tavako tamin’izy ireo aho+ ary nanolotra azy teo an-tanan’ny fahavalony, hany ka lavon-tsabatra izy rehetra.+ 24  Ny fahalotoany sy ny fandikan-dalàna nataony no navaliko azy,+ ary nafeniko tamin’izy ireo ny tavako.’ 25  “Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Izao no fotoana hampodiako ny olon’i Jakoba avy amin’ny fahababoana,+ sy hamindrako fo amin’ny taranak’Israely manontolo.+ Ary hasehoko fa saro-piaro amin’ny anarako masina aho.+ 26  Efa avy nizaka fahafaham-baraka+ sy nizaka ny vokatry ny fivadihany tamiko izy ireo,+ rehefa honina tsy amin’ahiahy ao amin’ny taniny,+ ary tsy hisy hampangovitra azy.+ 27  Hanamasina ny tenako eo amin’izy ireo sy eo imason’ny firenena maro koa aho,+ rehefa hampody azy avy any amin’ireo firenena sy hanangona azy avy any amin’ny tanin’ny fahavalony.’+ 28  “‘Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny, rehefa ataoko sesitany any amin’ireo firenena izy ireo ary hampodiko ao amin’ny taniny,+ ka tsy havelako hisy tavela any intsony izy ireo, na iray aza.+ 29  Koa tsy hanafina ny tavako amin’izy ireo intsony aho,+ satria handatsaka ny fanahiko amin’ny taranak’Israely aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana