Ezekiela 4:1-17

4  “Ary ianao, ry zanak’olona, makà biriky, ka apetraho eo anatrehanao ary sorito eo an-tampony ny sarin’ny tanànan’i Jerosalema.+  Dia ataovy fahirano izy io,+ ka manangàna manda+ sy tovon-tany* hanaovana fahirano azy.+ Manorena koa toby hanafihana azy, ary asio lohondry vy* manodidina azy mba handravana azy.+  Makà lasitra vy fanaova-mofo ka atsangano toy ny manda vy eo anelanelanao sy ilay tanàna, ary ataovy manatrika azy ny tarehinao. Dia hatao fahirano ilay tanàna, ka ianao no hanao fahirano azy. Ho famantarana ho an’ny taranak’Israely izany.+  “Mandria amin’ny ilanao havia, fa eo amin’io ilany io no hametrahanao ny fahadisoan’ny taranak’Israely.+ Ny isan’ny andro handrianao amin’ny ilanao havia no hitondranao ny fahadisoan’izy ireo.  Holazaiko aminao ny isan’ny taona naharetan’ny fahadisoan’izy ireo,+ dia sivifolo sy telonjato andro.+ Koa ento ny fahadisoan’ny taranak’Israely,  ary vitao hatramin’ny farany ireo andro ireo. “Dia mandria indray amin’ny ilanao havanana ka ento mandritra ny efapolo andro ny fahadisoan’ny taranak’i Joda.+ Andro iray hosoloako taona iray, eny, andro iray hosoloana taona iray.+  Ataovy manatrika an’i Jerosalema atao fahirano ny tarehinao,+ ary ataovy mihanjahanja ny sandrinao, ka maminania ny amin’ny loza hanjo an’ilay tanàna.  “Hofatorako amin’ny tady ianao+ mba tsy hahafahanao hivadi-mandry, mandra-pamitanao ny andro anaovanao fahirano azy.  “Makà varimbazaha+ sy vary orza sy tsaramaso be+ sy lantihy+ sy ampemby ary vary spelta,+ ka afangaroy ao anaty vilany iray ary anaovy mofo ho anao, mandritra ireo andro andrianao amin’ny ilanao. Hihinana izany ianao mandritra ny sivifolo sy telonjato andro.+ 10  Hoferana ho sekely roapolo isan’andro ny lanjan’ny sakafo hohaninao,+ ary ataovy tsikelikely ny fihinananao azy. 11  “Rano afatra koa no hosotroinao, dia ampahenin’ny hina,* ary ataovy tsikelikely ny fisotronao azy. 12  “Hohaninao toy ny mofo boribory natao tamin’ny vary orza+ ilay izy, ary dikin’olona+ mivaingambaingana sy efa maina no hataonao kitay handrahoanao azy, eo imason’izy ireo.” 13  Dia hoy ihany i Jehovah: “Toy izany no hihinanan’ny zanak’Israely mofo maloto*+ any amin’ireo firenena hanaparitahako azy.”+ 14  Koa hoy aho: “Indrisy, Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy olona maloto ange aho e!+ Ary mbola tsy nihinana biby maty ho azy aho na nihinana biby noviraviraim-biby, hatramin’ny fahazazako ka hatramin’izao.+ Ary mbola tsy niditra tamin’ny vavako ny hena maloto.”+ 15  Koa hoy izy tamiko: “Tain’omby àry no homeko hampiasainao fa tsy dikin’olona, ka izay no ataovy kitay handrahoanao ny mofonao.” 16  Dia hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, hotapahiko ny hazo fihantonan’ny mofo boribory*+ ao Jerosalema, ka hoferana ny lanjan’ny mofo hohanin’ny olona, ary hohaniny ao anatin’ny tebiteby izany.+ Rano afatra no hosotroiny, ary hosotroiny ao anatin’ny horohoro izany.+ 17  Amin’izay dia ho ory mofo sy rano izy ireo, ary ho gaga izy ireo sady hifampijerijery. Ary ho lany hery izy ireo, noho ny fahadisoany.+

Fanamarihana

Fitaovana fandravana manda.
Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.
1 hina = 3,67 litatra.
Voalazan’ny Lalàna hoe maloto.
Misy lavaka eo afovoany.