Ezekiela 40:1-49

  • Nentina tany Israely i Ezekiela, tao anatin’ny fahitana (1, 2)

  • Nahita tempoly i Ezekiela, tao anatin’ny fahitana (3, 4)

  • Tokotany sy vavahady (5-47)

    • Vavahady mitodika miantsinanana (6-16)

    • Tokotany ivelany; vavahady hafa (17-26)

    • Tokotany anatiny sy ny vavahady tao (27-37)

    • Efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly (38-46)

    • Alitara (47)

  • Lala-mitafon’ilay tempoly (48, 49)

40  Taona faha-25 nanaovana sesitany anay+ tamin’izay, teo am-piandohan’ny taona, tamin’ny andro fahafolon’ny volana, izany hoe tamin’ny taona faha-14 naha rava an’ilay tanàna.+ Tamin’izay andro izay indrindra ny herin’i* Jehovah no niasa tamiko, ka nentiny nankany amin’ilay tanàna aho.+ 2  Nentin’Andriamanitra tany amin’ny tanin’ny Israely aho, tao anatin’ny fahitana. Dia napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra iray tena avo be aho.+ Ary nisy toy ny tanàna teo amin’izy io, teo atsimo. 3  Nahita lehilahy iray aho rehefa nentiny teo. Namirapiratra hoatran’ny varahina ny fahitako azy.+ Nisy tady rongony sy bararata fandrefesana* teny an-tanany,+ ary nijoro teo am-bavahady izy. 4  Dia hoy ilay lehilahy tamiko: “Ry zanak’olona, jereo tsara, dia mihainoa tsara, ka diniho tsara izay* rehetra asehoko anao. Izany mantsy no antony nitondrako anao eto. Dia lazao amin’ny taranak’Israely izay rehetra hitanao.”+ 5  Nahita manda nanodidina ny ivelan’ilay tempoly* aho. Nisy bararata fandrefesana nirefy enina hakiho teny an-tanan’ilay lehilahy, ka ny iray hakiho dia nirefy iray hakiho niampy sakan’ny felatanana.* Dia norefesiny ilay manda, ka nirefy bararata iray ny hateviny, ary nirefy bararata iray ny haavony. 6  Dia nankeo amin’ilay vavahady mitodika miantsinanana+ ilay lehilahy, ary niakatra teo amin’ny tohatohatr’ilay vavahady. Ary norefesiny ny tokonana iray tamin’ilay vavahady, ka nirefy bararata iray ny sakany. Nirefy bararata iray koa ny sakan’ilay tokonana iray. 7  Nirefy bararata iray ny lavan’ny efitra fiambenana tsirairay sy ny sakany. Dimy hakiho ny elanelan’ireo efitra fiambenana ireo.+ Ary nirefy bararata iray ny tokonan’ny vavahady teo akaikin’ny lala-mitafon’ilay vavahady. Mitodika mankany amin’ny tempoly io lala-mitafo io. 8  Ary norefesiny ny lala-mitafon’ilay vavahady mitodika mankany anatiny, ka nirefy bararata iray. 9  Dia norefesiny ny lala-mitafon’ilay vavahady, ka nirefy valo hakiho. Ary norefesiny ny andry teo amin’ny andaniny roa, ka roa hakiho. Teo amin’ny ilany mitodika mankany amin’ny tempoly no nisy ny lala-mitafon’ilay vavahady. 10  Nisy efitra fiambenana telo teo amin’ny andaniny roa tamin’ny vavahady atsinanana. Nitovy habe izy telo, ary nitovy habe koa ireo andry teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. 11  Dia norefesiny ny sakan’ny fidirana amin’ilay vavahady, ka 10 hakiho, fa 13 hakiho kosa ny lavan’ilay vavahady. 12  Nisy faritra voafefin’ny rindrina iva teo anoloan’ireo efitra fiambenana, teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ka iray hakiho ny refiny. Enina hakiho avy ny efitra fiambenana teo amin’ny andaniny roa. 13  Norefesiny koa ny sakan’ilay vavahady, nanomboka teo amin’ny tafon’ny efitra fiambenana* iray ka hatreo amin’ny tafon’ny efitra iray mifanatrika aminy, ka 25 hakiho. Nifanitsy daholo ny fidirana tamin’ireo efitra fiambenana.+ 14  Dia norefesiny ny haavon’ireo andry teo amin’ny andaniny roa, ka 60 hakiho. Norefesiny koa ireo andry* teny amin’ny vavahady manodidina ny tokotany. 15  Nirefy 50 hakiho ny avy teo anoloan’ny fidirana amin’ilay vavahady ka hatreo amin’ny faran’ny lala-mitafon’ny vavahady mitodika mankany anatiny. 16  Nisy varavarankely mihatery*+ ny efitra fiambenana sy ny andry* tao anatin’ny vavahady, teo amin’ny andaniny sy ankilany. Nisy varavarankely koa ny lala-mitafo, teo amin’ny andaniny sy ankilany. Ary nisy sarina hazo palmie+ teo amin’ireo andry teo amin’ny andaniny roa. 17  Dia nentiny teo amin’ny tokotany ivelany aho, ka nahita efitra fisakafoana*+ sy faritra vita rarivato nanodidina an’ilay tokotany. Nisy 30 ny efitra fisakafoana teo amin’io faritra io. 18  Nitovy tamin’ny lavan’ireo vavahady ny refin’ilay faritra vita rarivato teo akaikin’ireo vavahady. Faritra ambany vita rarivato no nahafantarana azy io. 19  Dia norefesiny ny elanelana* avy teo anoloan’ny vavahady ambany ka hatreo amin’ny sisin’ny tokotany anatiny. Nisy 100 hakiho ilay izy, na ny teo atsinanana na ny teo avaratra. 20  Nisy vavahady mitodika mianavaratra teo amin’ny tokotany ivelany. Norefesin’ilay lehilahy koa ny lavany sy ny sakany. 21  Nisy efitra fiambenana telo teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay vavahady. Nitovy refy tamin’ilay vavahady voalohany ny andry* sy ny lala-mitafo tao amin’izy io. Nirefy 50 hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary 25 hakiho ny sakany. 22  Ny varavarankely sy ny lala-mitafo ary ny sarina hazo palmie tao,+ dia nitovy refy tamin’ilay tao amin’ny vavahady atsinanana. Nila niakatra zanatohatra fito izay nankao, ary teo anoloan’ireo zanatohatra ilay lala-mitafo. 23  Nisy vavahady nifanitsy tamin’ny vavahady avaratra, tao amin’ny tokotany anatiny, ary nisy iray koa nifanitsy tamin’ny vavahady atsinanana. Dia norefesiny ny elanelan’ireo vavahady ka nirefy 100 hakiho. 24  Nentiny nianatsimo indray aho, ary nahita vavahady teo amin’ny ilany atsimo.+ Norefesiny ny andry* sy ny lala-mitafo tao amin’izy io, ka nitovy refy tamin’ny an’ireo vavahady hafa. 25  Nisy varavarankely io vavahady io sy ny lala-mitafo, teo amin’ny andaniny roa. Nitovy tamin’ireo varavarankely hafa ihany izy ireo. Nirefy 50 hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary 25 hakiho ny sakany. 26  Zanatohatra fito no niakarana tao,+ ary nisy lala-mitafo teo anoloan’izy ireny. Nisy sarina hazo palmie teo amin’ny andry,* ka ny anankiray teo amin’ny andaniny ary ny anankiray teo amin’ny ankilany. 27  Nisy vavahady mitodika mianatsimo tao amin’ny tokotany anatiny. Dia norefesiny nianatsimo ny elanelan’ireo vavahady, ka nisy 100 hakiho. 28  Nentiny niditra tao amin’ny vavahady atsimo indray aho, mba ho ao amin’ny tokotany anatiny. Norefesiny ilay vavahady atsimo, ka nitovy habe tamin’ny vavahady hafa. 29  Nitovy habe tamin’ny an’ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry* ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely teo amin’ny andaniny roa amin’ilay vavahady sy ilay lala-mitafo. Nirefy 50 hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary 25 hakiho ny sakany.+ 30  Nisy lala-mitafo ny vavahady rehetra mankao amin’ny tokotany anatiny, ary nirefy 25 hakiho ny lavan’ny lala-mitafo ary 5 hakiho ny sakany. 31  Nanatrika ny tokotany ivelany ny lala-mitafo teo aminy. Nisy sarina hazo palmie ny andry teo amin’ny andaniny roa,+ ary zanatohatra valo no niakarana tao.+ 32  Dia nentiny niditra avy any atsinanana aho mba hankao amin’ny tokotany anatiny. Norefesiny ilay vavahady ka nitovy habe tamin’ireo vavahady hafa. 33  Nitovy habe tamin’ny an’ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry* ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely io vavahady io sy ilay lala-mitafo, teo amin’ny andaniny roa. Nirefy 50 hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary 25 hakiho ny sakany. 34  Nanatrika ny tokotany ivelany ny lala-mitafo teo aminy. Nisy sarina hazo palmie teo amin’ny andry roa teo amin’ny andaniny roa, ary zanatohatra valo no niakarana tao. 35  Dia nentin’ilay lehilahy nankao amin’ny vavahady avaratra aho.+ Ary norefesiny ilay izy, ka nitovy habe tamin’ireo vavahady hafa. 36  Nitovy habe tamin’ny an’ireo vavahady hafa ny efitra fiambenana sy ny andry* ary ny lala-mitafo tao. Nisy varavarankely teo amin’ny andaniny roa tamin’izy io. Nirefy 50 hakiho ny lavan’ilay vavahady, ary 25 hakiho ny sakany. 37  Nanatrika ny tokotany ivelany ny andry* teo aminy. Nisy sarina hazo palmie teo amin’ny andry roa teo amin’ny andaniny roa, ary zanatohatra valo no niakarana tao. 38  Nisy efitra fisakafoana iray teo akaikin’ny andry* teo amin’ireo vavahady. Nisy fidirana nankao amin’io efitra io, ary tao ny fanatitra dorana manontolo no nosasana.+ 39  Nisy latabatra roa teo amin’ny andaniny roa tamin’ny lala-mitafon’ilay vavahady. Teo amin’ireo latabatra ireo no novonoina ny fanatitra dorana manontolo+ sy ny fanatitra noho ny ota+ ary ny fanatitra noho ny heloka.+ 40  Nisy latabatra roa teo ivelan’ny fidirana, teo amin’ny lalana nankao amin’ny vavahady avaratra. Nisy latabatra roa koa teo akaikin’ny lala-mitafon’ilay vavahady. 41  Nisy latabatra teo amin’ilay vavahady, ka efatra teo amin’ny andaniny ary efatra teo amin’ny ankilany. Valo izy rehetra, ary teo ambonin’izy ireo ny biby hatao sorona no novonoina. 42  Vita tamin’ny vato voapaika ny latabatra efatra famonoana ny fanatitra dorana manontolo. Iray hakiho sy sasany ny lavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho ny haavony. Napetraka teo ambonin’izy ireo ny fitaovana famonoana ny fanatitra dorana sy ny sorona. 43  Nametahana talantalana daholo ny rindrina tao anatiny, ka sakan’ny felatanana no refin’ny sakany. Ary napetraka teo ambonin’ireo latabatra ireo ny henan’ny fanatitra natao fanomezana. 44  Nisy efitra fisakafoan’ny mpihira teo ivelan’ny vavahady anatiny,+ tao amin’ny tokotany anatiny, teo akaikin’ny vavahady avaratra. Mitodika mianatsimo ireo efitra ireo. Nisy efitra fisakafoana iray koa teo akaikin’ny vavahady atsinanana, ary mitodika mianavaratra izy io. 45  Ary hoy ilay lehilahy tamiko: “Ho an’ny mpisorona miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny tempoly ity efitra fisakafoana mitodika mianatsimo ity.+ 46  Ilay efitra fisakafoana mitodika mianavaratra kosa ho an’ny mpisorona miandraikitra ny alitara.+ Zanakalahin’i Zadoka+ izy ireo, ary Levita voatendry hanatona an’i Jehovah mba hanompo azy.”+ 47  Dia norefesiny ny tokotany anatiny, ka 100 hakiho ny lavany ary 100 hakiho ny sakany. Efamira izy io. Ary teo anoloan’ny tempoly ny alitara. 48  Dia nentiny tao amin’ny lala-mitafon’ilay tempoly aho.+ Ary norefesiny ny andry teo amin’ny fidirana mankao amin’ilay lala-mitafo, ka dimy hakiho ny andaniny ary dimy hakiho ny ankilany. Telo hakiho ny sakan’ny vavahady teo amin’ny andaniny, ary telo hakiho ny teo amin’ny ankilany. 49  Nirefy 20 hakiho ny lavan’ilay lala-mitafo, ary 11* hakiho ny sakany. Niakatra zanatohatra izay niditra tao. Nisy andry teo akaikin’ny tolàna, ka iray teo amin’ny andaniny ary iray teo amin’ny ankilany.+

Fanamarihana

Abt: “tanan’i.”
Abt: “avelao ny fonao hifantoka amin’izay.”
Abt: “trano.” “Tempoly” no andikana azy ato amin’ny toko 40-48, rehefa ny trano rehetra ao amin’ny faritry ny tempoly na ilay tempoly fotsiny no tiana holazaina amin’ny hoe “trano.”
Abt: “bararata fandrefesana mirefy enina hakiho, hakiho iray ary sakan’ny felatanana.” Hakiho lava no resahina eto. Jereo F.F. B14.
Mety hoe ny tampon’ny rindrin’ny efitra fiambenana.
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Izany hoe tery ny ivelany, fa mihamalalaka mankany anatiny.
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “nahita efitrefitra.”
Abt: “sakany.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na: “andry teo amin’ny andaniny roa.”
Na mety hoe “12.”