Ezekiela 41:1-26

41  Dia nentin’ilay lehilahy niditra tao amin’ny tempoly aho, ary norefesiny ny andry ka enina hakiho ny sakany teo amin’ny andaniny ary enina hakiho koa teo amin’ny ankilany. Izany no sakan’ny andry.  Folo hakiho ny sakan’ny fidirana. Dimy hakiho ny sisiny iray, ary dimy hakiho ny iray. Dia norefesiny ny lavany, ka nisy efapolo hakiho, ary roapolo hakiho ny sakany.  Niditra tany anatiny izy ary norefesiny ny andry teo amin’ny fidirana, ka nisy roa hakiho. Enina hakiho ilay fidirana, ary fito hakiho ny sakany.  Dia norefesiny ny lavany, ka nisy roapolo hakiho, ary roapolo hakiho koa ny sakany,+ teo anoloan’ny tempoly.* Ary hoy izy tamiko: “Ity no Masina Indrindra.”+  Norefesiny ny rindrin’ny trano, ka enina hakiho ny hateviny. Nisy efitrefitra nanodidina an’ilay trano:+ Efatra hakiho ny sakany.  Nisy efitrefitra telo nifanao ambony sy ambany, ka nisy rihana roa. Ary nisy efitrefitra telopolo ny rihana tsirairay. Nitsofoka tao anaty rindrin’ilay trano ireo efitrefitra nanodidina azy, mba ho voatohana tsara. Tsy nisy zavatra nalentika anefa tao anaty rindrin-trano.+  Nalalaka kokoa ny efitrefitra ambony noho ny efitrefitra ambany, ary nisy tohatohatra niolikolika nankao ambony, teo amin’ny lafiny samihafa tamin’ilay trano.+ Koa nihanalalaka ny efitrefitra arakaraka ny niakarana tamin’ilay trano. Raha avy any amin’ny farany ambany ny olona iray no ho any amin’ny farany ambony,+ dia nandalo tao amin’ny rihana antenatenany.  Dia hitako fa nisy lampivato avo teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ilay trano. Nanomboka teo amin’ny fototry ny efitrefitra ka hatreo amin’izay nihaonany tamin’ilay trano dia nirefy bararata iray manontolo, izany hoe enina hakiho.+  Dimy hakiho ny hatevin’ny rindrin’ny efitrefitra, dia ny rindriny ivelany. Ary nisy faritra tsy nisy na inona na inona teo anilan’ireo efitrefitra, izay anisan’ilay trano. 10  Roapolo hakiho ny elanelan’ny efitra fisakafoana+ sy io faritra io, nanodidina an’ilay trano. 11  Teo amin’ilay faritra tsy nisy na inona na inona ny fidirana nankao amin’ny efitrefitra: Nitodika nianavaratra ny fidirana iray, ary ny iray kosa nianatsimo. Dimy hakiho ny sakan’io faritra io, nanodidina an’ilay trano. 12  Nisy tranobe teo anoloan’ny faritra manasaraka, ary nivoaka niankandrefana ny ilan’izy io. Fitopolo hakiho ny sakany. Dimy hakiho kosa ny hatevin’ny rindriny rehetra, ary sivifolo hakiho ny lavany. 13  Dia norefesin’ilay lehilahy ilay tempoly ka zato hakiho ny lavany. Zato hakiho koa, raha atambatra, ny refin’ilay faritra manasaraka sy ilay tranobe ary ny rindriny. 14  Zato hakiho, raha atambatra, ny sakan’ny eo anoloan’ny tempoly sy ilay faritra manasaraka, teo atsinanana. 15  Norefesiny ny lavan’ilay tranobe sy ireo lalantsara teo amin’ny andaniny roa tamin’izy io, ka nisy zato hakiho. Teo anoloan’ilay faritra manasaraka, izay teo amin’ny ilany andrefana tamin’io faritra io, no nisy an’ilay tranobe. Norefesiny koa ny tempoly sy ny efitra anatiny+ ary ny lala-mitafon’ny tokotany. 16  Dia norefesiny ny tokonana sy ny varavarankely mihatery+ ary ireo lalantsara izay samy nanodidina an’izy telo ireo. Voapetaka takela-kazo daholo ny teo anoloan’ilay tokonana,+ nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ny varavarankely. Ary nisy zavatra nanarona ireo varavarankely. 17  Efa nanana ny refiny daholo ny teo ambonin’ilay fidirana, ny trano anatiny sy ny teo ivelany, ary ny rindrina manodidina, na ny tao amin’ilay trano anatiny na ny teo ivelany. 18  Nisy kerobima+ vita sokitra sy sarina hazo palmie+ tao, ka hazo palmie iray no teo anelanelan’ny kerobima roa. Nanana tarehy roa ny kerobima iray.+ 19  Nitodika tany amin’ilay hazo palmie teo amin’ny andaniny ilay tarehin’olona, ary nitodika tany amin’ilay hazo palmie teo amin’ny ankilany kosa ilay tarehin’ny liona tanora.+ Nasiana an’izany sary sokitra izany ny aty rindrin’ilay trano manontolo. 20  Nisy kerobima vita sokitra sy sarina hazo palmie teo amin’ny rindrin’ny tempoly, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreo ambonin’ny fidirana. 21  Efajoro ny tolàm-baravaran’ny tempoly.+ Ary nahita zavatra hoatr’izao aho teo anoloan’ny toerana masina: 22  Alitara hazo nirefy telo hakiho ny haavony, ary roa hakiho ny lavany. Nisy andry teo amin’ny zoron’izy io,+ ary nisy rindrina hazo nanaraka ny lavany. Dia hoy ilay lehilahy tamiko: “Io ilay latabatra eo anatrehan’i Jehovah.”+ 23  Samy nisy varavarana roa ny tempoly sy ny toerana masina.+ 24  Nisy lelavaravarana roa ireo varavarana ireo, ary nety nihodina izy roa. Nisy lelavaravarana roa ny varavarana iray, ary toy izany koa ny iray. 25  Ireo varavaran’ny tempoly ireo dia nasiana sarina kerobima sy hazo palmie,+ sahala amin’ireo sary teo amin’ny aty rindrina. Ary nisy tafokely hazo teo anoloan’ny lala-mitafo, teo ivelany. 26  Nisy varavarankely mihatery+ sy sarina hazo palmie teo amin’ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny rindrin’ny lala-mitafo sy ny rindrin’ny efitrefitra tamin’ilay trano ary teo amin’ireo tafokely.

Fanamarihana

Azo inoana fa ilay efitra atao hoe Masina.