Ezekiela 42:1-20

42  Ary nentin’ilay lehilahy nianavaratra+ aho mba hankao+ amin’ny tokotany ivelany. Dia nentiny teo amin’ny fitambaran-trano feno efitra fisakafoana+ aho. Teo anoloan’ilay faritra manasaraka+ sy teo anoloan’ilay tranobe no nisy an’ilay fitambaran-trano, teo avaratra.  Zato hakiho ny lavany, ary teo anoloan’izy io no nisy ny fidirana avy any avaratra. Dimampolo hakiho kosa ny sakany.  Nisy lavarangana+ nifanatrika, teo anoloan’ilay faritra nirefy roapolo hakiho tamin’ny tokotany anatiny+ sy teo anoloan’ilay faritra vita rarivato+ tamin’ny tokotany ivelany. Nisy lavarangana daholo na ny tao ambany na ireo rihana roa.  Teo anoloan’ireo efitra fisakafoana dia nisy lalana niditra.+ Folo hakiho ny sakany. Nisy lalankely nirefy iray hakiho koa teo. Ary teo avaratra ny fidirana nankao amin’ilay fitambaran-trano.  Ireo efitra fisakafoana tany amin’ny farany ambony, tamin’ilay fitambaran-trano, dia kely kokoa noho ny efitra fisakafoana tany amin’ny farany ambany sy ny teo antenatenany, satria nakana natao lavarangana.  Nisy rihana roa+ izy ireo, nefa tsy nisy andry toa an’ireo andry teny an-tokotany. Izany no antony nahalehibe kokoa ny faritra nalaina tamin’ny efitra farany ambony, raha oharina amin’izay nalaina tamin’ny efitra farany ambany sy ny teo antenatenany.  Teo akaikin’ireo efitra fisakafoana, izay nifanila tamin’ny tokotany ivelany, ilay rindrim-bato teo ivelany. Teo anoloan’ireo efitra hafa fisakafoana koa io rindrina io, ary dimampolo hakiho ny lavany.  Dimampolo hakiho ny lavan’ireo efitra fisakafoana nifanila tamin’ny tokotany ivelany. Zato hakiho kosa ny lavan’ireo efitra fisakafoana teo anoloan’ny tempoly.  Raha niditra an’ireo efitra fisakafoana ny olona avy any amin’ny tokotany ivelany, dia teo atsinanana ny fidirana, tao ambany rihana. 10  Nisy efitra fisakafoana+ koa tao ambadiky ny rindrim-bato atsinanana tao amin’ny tokotany, sy teo anoloan’ilay faritra manasaraka+ ary teo anoloan’ilay trano. 11  Nisy lalana teo anoloan’izy ireny, ka toy ilay lalana teo amin’ireo efitra fisakafoana teo avaratra+ no fahitana azy. Toy izany ny lavany ary toy izany koa ny sakany. Ary nitovy tamin’ny an’ireo koa ny fivoahana rehetra avy ao, sy ny bikabikany, ary ny fidirana mankao. 12  Sahala amin’ny fidirana nankao amin’ireo efitra fisakafoana teo atsimo ny fidirana tamin’ilay vava lalana, dia ilay lalana teo anoloan’ilay rindrim-bato nifanitsy tamin’izany, teo atsinanana. Izany no lalana raha hiditra ao amin’ireo efitra fisakafoana.+ 13  Dia hoy ilay lehilahy tamiko: “Efitra masina fisakafoana ireo efitra fisakafoana eo avaratra sy ireo eo atsimo, izay eo anoloan’ny faritra manasaraka.+ Ao ireo mpisorona izay manatona+ an’i Jehovah no mihinana ny zavatra masina indrindra.+ Ao koa no fametrahany ny zavatra masina indrindra sy ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra noho ny heloka, satria masina io toerana io.+ 14  Rehefa miditra ao ny mpisorona, dia tsy hivoaka avy ao amin’ny toerana masina mba hankeo amin’ny tokotany ivelany. Fa ao no hametrahany ny fitafiana fitondrany manompo,+ satria zava-masina ireny. Hanao akanjo+ hafa izy ireo, rehefa hankeny amin’izay misy ny vahoaka.” 15  Rehefa vitan’ilay lehilahy ny nandrefy an’ilay trano anatiny, dia nentiny nivoaka tamin’ilay vavahady nitodika niantsinanana+ aho. Ary norefesiny ny manodidina. 16  Norefesiny tamin’ny bararata fandrefesana ny ilany atsinanana, ka indimanjaton’ny bararata izy manontolo, araka ny bararata fandrefesana.+ 17  Norefesiny koa ny ilany avaratra, ka indimanjaton’ny bararata izy manontolo, araka ny bararata fandrefesana. 18  Ny ilany atsimo koa norefesiny, ka indimanjaton’ny bararata, araka ny bararata fandrefesana. 19  Dia nihodina tany amin’ny ilany andrefana izy, ka indimanjaton’ny bararata koa ny refy azony, araka ny bararata fandrefesana. 20  Eny, norefesiny ireo lafiny efatra. Nisy manda nanodidina+ an’ilay faritra nisy ny tempoly, mba hanasarahana an’izay masina sy tsy masina.+ Indimanjaton’ny bararata ny lavan’ilay manda ary indimanjaton’ny bararata ny sakany.+

Fanamarihana