Ezekiela 43:1-27

43  Ary nentin-dralehilahy ho any amin’ny vavahady aho, dia ilay vavahady mitodika miantsinanana.+  Dia hitako tonga avy any atsinanana+ ny voninahitr’ilay+ Andriamanitry ny Israely. Toy ny feon’ny rano be ny feony,+ ary namirapiratra ny tany azon’ny voninahiny.+  Hoatran’ilay fahitana efa hitako izany,+ eny, hoatran’ilay fahitana hitako tamin’izaho tonga handrava+ an’ilay tanàna. Ary nahita fahitana hoatran’ilay efa hitako teo amoron’ny reniranon’i Kebara+ aho, ka niankohoka.  Niditra avy teo amin’ilay vavahady nitodika niantsinanana+ ny voninahitr’i+ Jehovah, ka nankao amin’ilay Trano.  Nisy fanahy nanainga ahy+ ka nitondra ahy tao amin’ilay tokotany anatiny, ary io fa feno ny voninahitr’i Jehovah ilay Trano.+  Dia nandre feo niteny tamiko avy tao amin’ilay Trano aho,+ ary tonga nijoro teo anilako ilay lehilahy.+  Ary hoy Andriamanitra tamiko: “Ry zanak’olona, ity no toerana misy ny seza fiandrianako+ sady toerana ametrahako ny faladiako.+ Eto no hitoerako eo anivon’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Tsy handoto ny anarako masina intsony ny taranak’Israely,+ eny, tsy handoto izany amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny+ mpanjakany* intsony izy ireo sy ny mpanjakany.+  Nanao izany mantsy izy ireo rehefa nataony teo anilan’ny tokonako ny tokonany, ary teo akaikin’ny tolàm-baravarako ny tolàm-baravarany, hany ka rindrina sisa no nanasaraka ahy tamin’ny fatin’ny mpanjakany.+ Ny zava-maharikoriko nataony no nandotoany ny anarako masina,+ ka naringako tanteraka izy ireo satria tezitra aho.+  Aoka hesoriny lavitra ahy ny fijangajangany+ sy ny fatin’ny mpanjakany,+ dia honina eo aminy mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+ 10  “Ry zanak’olona, lazao amin’ny taranak’Israely ny amin’ilay Trano+ mba ho menatra izy noho ny fahadisoany.+ Ary aoka izy ireo handrefy an’ilay mari-trano modely. 11  Raha menatra tokoa izy ireo noho izay rehetra nataony, dia ampahafantaro azy ny planin’ilay Trano,+ ny filaharany, ny fivoahana sy ny fidirana ao, ny planiny rehetra sy ny zava-drehetra mampiavaka azy, ny planiny rehetra sy ny lalàna rehetra momba azy, ka soraty eo imasony izany rehetra izany. Amin’izay izy ireo dia handinika ny planiny rehetra sy ny zava-drehetra mampiavaka azy, ka hanatanteraka izany.+ 12  Izao no lalàna momba ilay Trano: Ho masina indrindra ny faritra manontolo eo an-tampon’ilay tendrombohitra.+ Izany no lalàna momba ilay Trano. 13  “Ary izao no refin’ilay alitara raha araka ny hakiho,+ ka ny hakiho iray dia nirefy iray hakiho miampy sakan’ny felatanana:+ Iray hakiho ny fanambaniny, ary iray hakiho ny sakany. Misy molony mirefy irain-jehy manodidina ny sisiny. Izany no fototry ny alitara. 14  Roa hakiho no refiny manomboka eo amin’ny fanambaniny ka hatreo amin’ilay ambaratonga ambany manodidina. Iray hakiho ny sakany. Ary efatra hakiho ny refiny manomboka eo amin’ilay ambaratonga kely manodidina ka hatramin’ilay ambaratonga lehibe manodidina. Ary iray hakiho ny sakany. 15  Efatra hakiho ilay fitoeran’afon’ny alitara, ary nisy tandroka+ efatra io fitoeran’afo io, ary manondro miakatra daholo izy efatra. 16  Roa ambin’ny folo hakiho ny lavan’ilay fitoeran’afo, ary roa ambin’ny folo hakiho koa ny sakany.+ Nitovy refy ny lafiny efatra.+ 17  Efatra ambin’ny folo hakiho ny lavan’ilay ambaratonga manodidina ary efatra ambin’ny folo hakiho ny sakany, eo amin’ny lafiny efatra. Antsasaky ny hakiho ny sisiny manodidina azy io, ary iray hakiho ny fanambaniny manodidina. “Manatrika ny atsinanana ny tohatohatra hiakarana aminy.” 18  Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Izao no lalàna momba ny alitara amin’ny andro hanaovana azy, mba hanolorana fanatitra dorana+ manontolo sy hamafazana ra eo amboniny.’+ 19  “‘Makà vantotr’ombilahy iray avy amin’ny biby vaventy ho fanatitra noho ny ota,+ ka omeo ny Levita mpisorona+ taranak’i Zadoka,+ dia ireo manatona+ mba hanompo ahy’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 20  ‘Akao ny rany ka ahosory eo amin’ireo tandroka efatry ny alitara sy eo amin’ny zorony efatra amin’ilay ambaratonga manodidina ary eo amin’ny sisiny manodidina. Ary diovy ho afaka amin’ny ota ilay alitara,+ ka manaova fandrakofam-pahotana ho azy io.+ 21  Dia alaivo ilay vantotr’ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, mba hodorana eo amin’ny toerana voatokana ho amin’izany, ao amin’ny faritr’ilay Trano, eo ivelan’ny toerana masina.+ 22  Ary amin’ny andro faharoa, dia manolora osilahy iray tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota. Hodiovina ho afaka amin’ny ota ilay alitara, toy ny nanadiovana azy tamin’ilay vantotr’ombilahy.’ 23  “‘Rehefa voadionao ho afaka amin’ny ota ny alitara, dia makà vantotr’ombilahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny biby vaventy. Makà koa ondrilahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny biby madinika. Dia atolory ireo, 24  eny, atolory eo anatrehan’i Jehovah. Ary aoka ny mpisorona hanisy sira an’ireo, ka hanolotra izany+ ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Jehovah. 25  Mandritra ny fito andro, dia hanolotra osilahy iray isan’andro ianao+ ho fanatitra noho ny ota. Ary izy ireo kosa hanolotra vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy iray. Samy biby tsy misy tsininy ireo. 26  Hanao fandrakofam-pahotana+ ho an’ilay alitara izy ireo mandritra ny fito andro, dia hodioviny ilay alitara ka hotokanany. 27  Hanapitra an’ireo fito andro izy ireo. Ary manomboka amin’ny andro fahavalo,+ dia hatolotry ny mpisorona eo ambonin’ilay alitara ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona iombonana entinareo. Dia hankasitraka anareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fanamarihana

Na: “mpanjakany, tamin’ny nahafatesany.”