Ezekiela 44:1-31

44  Dia nentin-dralehilahy niverina teo amin’ny vavahadin’ny toerana masina aho, dia ilay vavahady ivelany nitodika niantsinanana,+ kanjo nihidy ilay izy.+  Koa hoy i Jehovah tamiko: “Hihidy foana io vavahady io. Tsy hosokafana izy io ary tsy hisy olombelona hiditra eo, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely+ mihitsy no efa niditra teo, ka hihidy foana io.  Ny mpiadidy+ kosa anefa, amin’ny maha mpiadidy azy, dia hipetraka ao mba hihinanany sakafo eo anatrehan’i Jehovah.+ Ny lala-mitafon’ny vavahady no hidirany ary eo koa no hivoahany.”+  Dia nentiny nankany amin’ny vavahady avaratra aho ho eo anoloan’ilay Trano mba hahitako, ka io fa feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’i Jehovah.+ Koa niankohoka aho.+  Dia hoy i Jehovah tamiko: “Ry zanak’olona, aoka ianao handinika tsara,+ ka aoka ny masonao hijery ary ny sofinao hihaino izay rehetra holazaiko aminao momba ny fitsipika sy ny lalàna rehetra mahakasika ny tranon’i Jehovah. Koa diniho tsara ny fidirana ao amin’ilay Trano, sy ny fivoahana rehetra avy ao amin’ilay toerana masina.  Ary izao lazaina amin-dRafikomiana,+ dia ny taranak’Israely: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Efa tofoka aminareo aho, ry taranak’Israely, satria efa be loatra izay zava-maharikoriko vitanareo izay!+  Ampidirinareo ao amin’ny toerako masina mantsy ny hafa firenena tsy voafora fo sady tsy mifora,+ mba hanazimbazimbana ny tranoko. Manome sakafo hatao fanatitra ho ahy koa ianareo+ ka manolotra tavin-kena+ sy ra,+ nefa ny fifanekeko aza tsy hajaina akory, noho ny zava-maharikoriko rehetra ataonareo.+  Sady tsy niantsoroka ny andraikitrareo hikarakara zava-masina ianareo,+ no tsy nanendry olona hisolo anareo tamin’ny andraikitrareo teo amin’ny fanompoana ahy, tao amin’ny toerako masina.”’+  “‘Koa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tsy mahazo miditra ao amin’ny toerako masina ny hafa firenena tsy voafora fo sady tsy mifora, izany hoe izay hafa firenena eo amin’ny zanak’Israely.”’+ 10  “‘Hizaka ny vokatry ny fahadisoany koa ireo Levita, izay nanalavitra ahy+ fony naniasia nanalavitra ahy ny Israely ka nanompo an’ireo sampiny maharikoriko.+ 11  Ho mpanompo ao amin’ny toerako masina izy ireo, ka hiandraikitra an’ireo vavahadin’ilay Trano sy hanompo ao amin’ilay Trano.+ Izy ireo no hamono ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona ho an’ny vahoaka.+ Ary izy ireo no hijoro eo anatrehan’ireny mba hanompo azy.+ 12  Noho izy ireo nanompo ny vahoaka teo anatrehan’ireo sampiny maharikoriko,+ ary noho izy ireo nanjary vato mahatafintohina ho an’ny taranak’Israely ka nahatonga azy hanao fahadisoana,+ dia hanainga ny tanako hamely azy aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘ka hizaka ny vokatry ny fahadisoany izy ireo. 13  Tsy hanatona ahy hanao ny asan’ny mpisorona izy ireo na hanakaiky zava-masina na inona na inona, dia ireo zavatra masina indrindra.+ Hizaka fahafaham-baraka kosa izy ireo, ary hizaka ny vokatry ny zava-maharikoriko nataony.+ 14  Hotendreko tokoa izy ireo mba hiandraikitra an’ilay Trano, dia ny fanompoana rehetra ao sy izay rehetra tokony hatao ao.’+ 15  “‘Hanatona mba hanompo ahy ireo Levita mpisorona+ taranak’i Zadoka,+ izay niandraikitra ny toerako masina fony naniasia nanalavitra ahy ny zanak’Israely.+ Dia hitsangana eo anatrehako+ izy ireo mba hanolotra tavin-kena+ sy ra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 16  ‘Izy ireo no hiditra ao amin’ny toerako masina,+ ary izy ireo koa no hanatona ny latabatro* mba hanompo ahy.+ Hiantsoroka ny andraikiny eo amin’ny fanompoana ahy izy ireo.+ 17  “‘Fitafiana vita amin’ny lamba rongony no hanaovany, rehefa hiditra ao amin’ireo vavahadin’ny tokotany anatiny izy ireo. Tsy tokony hisy fitafiana volonondry eny aminy, rehefa manompo ao amin’ny vavahadin’ny tokotany anatiny sy rehefa manompo ao anatiny izy ireo.+ 18  Satroka lamba no ho eo an-dohany,+ ary kilaoty lava no ho eny amin’ny andilany.+ Samy vita amin’ny lamba rongony ireo. Tsy hanao zavatra mamehifehy mampisy hatsembohana izy ireo. 19  Rehefa mivoaka ho any amin’ny tokotany ivelany izay misy ny vahoaka izy ireo, dia hesoriny ny fitafiana nentiny nanompo+ ka hapetrany ao amin’ny efitra masina fisakafoana.+ Dia hanao fitafiana hafa izy ireo, sao hanjary ho masina ny vahoaka raha mbola eny aminy ireny fitafiany ireny.+ 20  Tsy hoharatany ny lohany,+ nefa koa tsy havelany ho lava ny volon-dohany fa tena tokony hohetezany.+ 21  Tsy misy mpisorona mahazo misotro divay rehefa mankao amin’ny tokotany anatiny.+ 22  Tsy halainy ho vady ny vehivavy mpitondratena na nisara-bady,+ fa virjiny avy amin’ny taranak’Israely+ na vady navelan’ny mpisorona efa maty, no azony alaina.’ 23  “‘Izy ireo no hampianatra ny oloko ny fahasamihafan’ny zavatra masina sy ny tsy masina. Ary hampahafantarin’izy ireo azy ny fahasamihafan’ny maloto sy ny madio.+ 24  Hitsangana hitsara izy ireo rehefa misy raharaham-pitsarana,+ ka hitsara araka ny didim-pitsarana navoakako.+ Hotandremany koa ny lalàko sy ny fitsipiko momba ny fotoana rehetra hisian’ny fety,+ ary hohamasininy ny sabatako.+ 25  Tsy hiditra ao amin’ny toerana misy olona maty izy sao hanjary ho voaloto. Afaka mandoto tena kosa anefa izy raha ny rainy no maty, na ny reniny, na ny zanany lahy, na ny zanany vavy, na ny rahalahiny, na ny anabaviny mbola tsy manambady.+ 26  Rehefa avy nidio izy dia mbola hiandry fito andro aloha.+ 27  Amin’ny andro hidirany ao amin’ny toerana masina, ao amin’ny tokotany anatiny, mba hanompo ao amin’ny toerana masina, dia hitondra fanatitra noho ny ota izy ka hanolotra izany’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 28  “‘Momba ny lovan’izy ireo, dia izaho no lovany.+ Tsy homenareo fananana eo amin’ny Israely izy, fa izaho no fananany. 29  Izy ireo no hihinana ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanatitra noho ny heloka.+ Ary ho lasan’izy ireo izay zavatra voatokana rehetra eo amin’ny Israely.+ 30  Ho lasan’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra araka ny karazany avy, sy ny santatry ny karazana fanomezana rehetra avy aminareo.+ Homenareo azy koa ny santatry ny varimbazahanareo tsy nototoina malemy,+ mba hotahina foana ny ao an-tranonareo.+ 31  Tsy hohanin’ny mpisorona ny biby maty ho azy, mbamin’ny vorona sy ny biby efa noviravirain’ny bibidia.’+

Fanamarihana

Na: “alitarako.”