Ezekiela 45:1-25

45  “‘Rehefa mizara an’ilay tany ho lovanareo ianareo,+ dia tokony hisy tany hatolotrareo ho fanomezana ho an’i Jehovah.+ Ho ampahany masina eo amin’ilay tany izany.+ Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, ary iray alina hakiho ny sakany.+ Ho ampahany masina izy manontolo, eny, izay ao anatin’ny sisin-taniny rehetra.  Hakana faritra hatao toerana masina izy io, ka dimanjato hakiho* ny lafiny efatra. Ho efamira io faritra io,+ ary hisy kijana mirefy dimampolo hakiho eo amin’ny lafiny efatra.+  Ary avy amin’io tany voarefy io no hakanao ampahany: Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, iray alina hakiho ny sakany. Ao no hisy ny toerana masina, dia ilay zavatra masina indrindra.+  Ampahany masina eo amin’ilay tany izy io ka ho an’ny mpisorona,+ dia ireo manompo ao amin’ny toerana masina sady manatona mba hanompo an’i Jehovah.+ Ho toerana hisy ny tranon’izy ireo izy io, ary ho faritra masina hisy an’ilay toerana masina.  “‘Hisy tany ho an’ny Levita’, izany hoe ho an’ireo mpanompo ao amin’ilay Trano: ‘Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany ary iray alina hakiho ny sakany.’+ Hanana efitra fisakafoana+ roapolo izy ireo.  “‘Hanome tany ho fananan’ny tanàna ianareo. Dimy arivo hakiho ny sakany ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, mitovy tanteraka amin’ilay fanomezana masina.+ Ary ho an’ny taranak’Israely rehetra izy io.  “‘Hisy tany homena ny mpiadidy, eo amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ilay fanomezana masina+ sy ilay fananan’ny tanàna, eny, eo anilan’ilay fanomezana masina sy ilay fananan’ny tanàna. Hikipaka miankandrefana ny eo andrefana, ary hikipaka miantsinanana ny eo atsinanana. Hitovy tanteraka amin’ny lavan’ny zaran-tany tsirairay izany, manomboka eo amin’ny sisiny andrefana ka hatreo amin’ny sisiny atsinanana.+  Izany no ho tanin’ny mpiadidy sy fananany eo amin’ny Israely. Tsy hampijaly ny oloko intsony ny mpiadidiko,+ ary homen’izy ireo ho an’ny foko tsirairay amin’ny taranak’Israely ilay tany.’+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Efa tofoka aminareo aho, ry mpiadidy eo amin’ny Israely!’+ “‘Atsaharo ny herisetra sy ny fandrobana,+ ka manaova ny rariny sy ny hitsiny.+ Aoka izay ny fakana an-keriny ny fananan’ny oloko!’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 10  ‘Tokony ho mizana marina sy efaha marina ary bata marina no hampiasainareo.+ 11  Tsy tokony hiova ny fatran’ny efaha sy ny bata, sady tokony hitovy fatra. Amin’izay dia ho ampahafolon’ny homera ny bata iray ary ho ampahafolon’ny homera koa ny efaha iray.+ Ny homera no fatra tokony hatao filamatra. 12  Gera* roapolo ny sekely*+ iray.+ Sekely roapolo sy sekely dimy amby roapolo ary sekely dimy ambin’ny folo no ho mane iray.’ 13  “‘Izao no fanomezana hatolotrareo: Varimbazaha ampahenin’ny efaha isaky ny homera, ary vary orza ampahenin’ny efaha isaky ny homera. 14  Ny bata no hamarana ny habetsahan’ny menaka tokony homena. Ampahafolon’ny kora ny iray bata. Iray homera ny folo bata, satria iray homera ny folo bata. 15  Ondry iray isaky ny roanjato, halaina avy amin’ny biby fiompin’ny Israely,+ no hatolotrareo mba hampiasaina amin’ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra dorana+ manontolo ary ny sorona iombonana,+ ka hanaovana fandrakofam-pahotana ho an’ny vahoaka’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.   16  “‘Ny vahoaka manontolo no tokony hanome izany fanomezana+ izany ho an’ny mpiadidy eo amin’ny Israely.+ 17  Ilay mpiadidy+ no hanankinana ny fanatitra dorana+ manontolo sy ny fanatitra varimbazaha+ ary ny fanatitra zava-pisotro,+ mandritra ny fety+ sy ny tsinam-bolana+ sy ny sabata+ ary ny fotoana rehetra hisian’ny fety eo amin’ny taranak’Israely.+ Izy no hanome ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra dorana manontolo ary ny sorona iombonana, mba hanaovana fandrakofam-pahotana ho an’ny taranak’Israely.’ 18  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Amin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, dia makà vantotr’ombilahy iray tsy misy kilema,+ avy amin’ny biby vaventy, ka diovy ho afaka amin’ny ota ny toerana masina.+ 19  Dia hakan’ny mpisorona ny ran’ny fanatitra noho ny ota, ka hahosony eo amin’ny tolàm-baravaran’ilay+ Trano sy ny zorony efatra amin’ilay ambaratonga manodidina eo amin’ny alitara,+ ary amin’ny tolàm-bavahadin’ny tokotany anatiny. 20  Izany koa no hataonao amin’ny andro fahafiton’ny volana, ho an’izay rehetra manota tsy nahy+ sy manota noho ny tsy fahalalana. Dia hanao fandrakofam-pahotana ho an’ilay Trano ianareo.+ 21  “‘Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany no hankalazanareo ny Paska.+ Fety mandritra ny fito andro izany, ary mofo tsy misy lalivay no hohanina.+ 22  Hanome vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota ny mpiadidy, amin’io andro io, ho azy sy ny vahoaka manontolo.+ 23  Mandritra ny fito andro hankalazana ilay fety,+ dia hanome vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito isan’andro izy, mandritra ny fito andro, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Jehovah.+ Biby tsy misy kilema daholo ireo. Hanome osilahy iray isan’andro koa izy ho fanatitra noho ny ota.+ 24  Hanome fanatitra varimbazaha koa izy: Lafarinina iray efaha isaky ny vantotr’ombilahy, ary lafarinina iray efaha isaky ny ondrilahy. Menaka iray hina isaky ny lafarinina iray efaha.+ 25  “‘Amin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahafito, mandritra ilay fety,+ dia hanome fanatitra mitovy amin’ireo ihany izy mandritra ny fito andro,+ na fanatitra noho ny ota izany, na fanatitra dorana manontolo na fanatitra varimbazaha, na menaka.’”

Fanamarihana

Na: “bararata.” A.b.t.: “dimanjato ny lafiny iray, ary dimanjato ny lafiny iray.”
1 gera = 0,57 g.
1 sekely = 11,4 g.