Ezekiela 46:1-24

46  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Hihidy+ mandritra ny enina andro fiasana+ ny vavahadin’ny tokotany anatiny, dia ilay vavahady mitodika miantsinanana.+ Hivoha kosa izy io amin’ny andro sabata sy amin’ny andro maha tsinana ny volana.+  Hiditra avy any ivelany ny mpiadidy, ka handalo amin’ny lala-mitafon’ilay vavahady,+ ary hijoro eo akaikin’ny tolàm-bavahady.+ Hitondra fanatitra dorana manontolo sy sorona iombonana izy, ary ny mpisorona kosa hanolotra izany. Hiankohoka eo an-tokonan’ilay vavahady ilay mpiadidy,+ ary avy eo dia hivoaka. Tsy hohidiana anefa ilay vavahady raha tsy efa takariva.  Ary hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah, eo amin’ny fidirana amin’io vavahady io, ny vahoaka rehefa sabata sy tsinam-bolana.+  “‘Ondrilahy kely enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema no fanatitra dorana manontolo hatolotr’ilay mpiadidy ho an’i Jehovah, rehefa sabata.+  Hanome fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha no ampiarahiny amin’ilay ondrilahy,+ ary izay lafarinina azony omena+ no ampiarahiny amin’ireo ondrilahy kely. Hanome menaka iray hina koa izy isaky ny lafarinina iray efaha.+  Ary amin’ny andro maha tsinana ny volana,+ dia ireto avy no hoentiny: Vantotr’ombilahy iray, sy ondrilahy kely enina, ary ondrilahy iray. Samy tsy misy kilema daholo ireo.+  Hanome fanatitra varimbazaha koa izy, ka lafarinina iray efaha no ampiarahiny amin’ilay vantotr’ombilahy, ary lafarinina iray efaha koa no ampiarahiny amin’ilay ondrilahy. Izay lafarinina takatry ny fananany kosa no ampiarahiny amin’ireo ondrilahy kely. Ary hanome menaka iray hina izy isaky ny lafarinina iray efaha.+  “‘Rehefa hiditra ny mpiadidy,+ dia avy eo amin’ny lala-mitafon’ilay vavahady no hidirany ary avy eo koa no hivoahany.+  Izao kosa no atao rehefa hiditra eo anatrehan’i Jehovah ny vahoaka amin’ny fotoanan’ny fety:+ Izay miditra eo amin’ny vavahady+ avaratra mba hiankohoka eo anatrehany dia hivoaka eo amin’ny vavahady+ atsimo, ary izay miditra eo amin’ny vavahady atsimo dia hivoaka eo amin’ny vavahady avaratra. Tsy tokony hisy hiverina amin’izay vavahady nidirany, fa izay eo anoloany ihany no hivoahany. 10  Rehefa miditra ny vahoaka, dia miditra koa ny mpiadidy eo amin’izy ireo, ary rehefa mivoaka ireo, dia mivoaka koa izy.+ 11  Toy izao ny fanatitra varimbazaha hoentiny rehefa fety+ sy fotoanan’ny fety: Lafarinina iray efaha no ampiarahiny amin’ilay vantotr’ombilahy, lafarinina iray efaha no ampiarahiny amin’ilay ondrilahy, ary izay lafarinina azony omena no ampiarahiny amin’ireo ondrilahy kely. Hanome menaka iray hina koa izy isaky ny lafarinina iray efaha.+ 12  “‘Raha hanome fanatitra dorana+ manontolo ho fanatitra an-tsitrapo ilay mpiadidy, na hanome sorona iombonana ho fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah, dia hosokafana ilay vavahady mitodika miantsinanana+ mba hidirany. Ary hanome ilay fanatitra dorana manontolo sy ireo sorona iombonana nentiny izy, toy ny fanaony rehefa sabata.+ Dia hivoaka izy, ary hohidiana ilay vavahady rehefa tafavoaka izy.+ 13  “‘Ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona no hatolotrao isan’andro, ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Jehovah.+ Isa-maraina no hanomezanao izany. 14  Ary lafarinina ampahenin’ny efaha no fanatitra varimbazaha ampiarahinao aminy isa-maraina. Hanome menaka ampahatelon’ny hina koa ianao mba hafafy eo amin’ny lafarinina tsara toto.+ Maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny lalàna momba ny fanatitra varimbazaha atolotra tsy tapaka ho an’i Jehovah. 15  Hanome an’ilay ondrilahy kely sy ilay fanatitra varimbazaha ary ilay menaka izy ireo isa-maraina, ho fanatitra dorana manontolo atolotra tsy tapaka.’ 16  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Raha manome lova ho an’ny zanany lahy tsirairay ilay mpiadidy, dia ho lasa fananan’ny zanany izany fanomezana izany. Ho fananana nolovan’izy ireo izany. 17  Ary raha anomezany ho an’ny iray amin’ireo mpanompony ny lovany, dia ho lasan’ilay mpanompony izany mandra-pahatongan’ny taom-pahafahana.+ Hiverina amin’ilay mpiadidy anefa izany aorian’izay. Ny lova nomeny ho an’ny zanany ihany no hijanona ho fananan’izy ireo. 18  Tsy tokony haka ny lovan’ny vahoaka ilay mpiadidy, ka hanery azy ireo hiala amin’ny taniny.+ Avy amin’ny tanin’ilay mpiadidy ihany no hanomezany lova ho an’ny zanany, mba tsy hiparitahan’ny oloko hiala amin’ny taniny avy.’”+ 19  Ary nentin-dralehilahy niditra teo amin’ny fidirana+ teo akaikin’ilay vavahady aho, ho eo amin’ireo efitra masina fisakafoana nanatrika ny avaratra,+ izay natokana ho an’ny mpisorona. Ary io fa nisy toerana malalaka teo amin’ny farany andrefana, teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. 20  Dia hoy izy tamiko: “Eo amin’io toerana io ireo mpisorona no hampangotraka ny fanatitra noho ny heloka+ sy ny fanatitra noho ny ota,+ ary eo koa no hataon’izy ireo ao anaty lafaoro ny fanatitra varimbazaha,+ mba tsy hitondrany na inona na inona any amin’ny tokotany ivelany, sao hanjary ho masina ny vahoaka.”+ 21  Ary nentiny nivoaka ho any amin’ny tokotany ivelany aho, ka nampandaloviny teo amin’ireo andry teo amin’ny zorony efatra tamin’ilay tokotany. Ary io fa nisy tokotany teo akaikin’ireo andry, isaky ny zoron’ilay tokotany. 22  Nisy tokotany kely teo akaikin’ireo andry teo amin’ny zorony efatra tamin’ilay tokotany: Efapolo hakiho ny lavany ary telopolo hakiho ny sakany. Nitovy refy ireo tokotany kely efatra ireo ary nisy zavatra naorina teo. 23  Nisy vato nitandahatra nanodidina an’ireo tokotany, nanodidina azy efatra. Ary teo am-pototr’ireo vato ireo, dia nisy toerana fampangotrahana+ sorona. 24  Koa hoy izy tamiko: “Ireo no trano fiasan’ireo mampangotraka ny sorona atolotry ny vahoaka, ka ao ireo mpanompo ao amin’ilay Trano no mampangotraka izany.”+

Fanamarihana