Ezekiela 47:1-23

47  Dia nentin-dralehilahy niverina teo amin’ny fidirana amin’ilay Trano+ aho, ka io fa nisy rano+ nivoaka avy teo ambanin’ny tokonan’ilay Trano ary nikoriana niantsinanana.+ Nitodika niantsinanana mantsy ilay Trano. Nikoriana nidina avy tao ambany io rano io, ka nandalo teo ankavanan’ilay Trano, teo atsimon’ny alitara.  Dia nentiny nivoaka tamin’ilay vavahady+ avaratra aho, ary nentiny nanodidina nanaraka ny lalana teo ivelany mba hankeo amin’ilay vavahady ivelany izay mitodika miantsinanana.+ Ary io fa nisy rano+ nikoriana avy teo ankavanan’ilay vavahady.  Nandeha niantsinanana ilay lehilahy. Nisy tady fandrefesana teny an-tanany.+ Dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nasainy niampita an’ilay rano aho, ka hatreo amin’ny kitrokeliko ny rano.  Mbola nandrefy arivo hakiho indray izy, ary nasainy niampita ny rano aho, ka hatreo amin’ny lohaliko ny rano. Ary mbola nandrefy arivo hakiho izy, dia nasainy niampita ny rano aho, ka hatreo amin’ny andilako ny rano.  Dia nandrefy arivo hakiho indray ilay lehilahy. Efa renirano ilay izy, ka tsy afaka niampita intsony aho, satria efa lalina ny rano ary azo nilomanosana, dia renirano tsy azo niampitana.  Koa hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, hitanao ve izany?” Nasainy nandeha niverina teo amoron’ilay renirano aho.  Ary rehefa niverina aho, dia ireo fa nisy hazo maro be teo amoron’ilay renirano, teo amin’ny andaniny roa.+  Hoy ihany izy tamiko: “Mikoriana mankany amin’ny faritra atsinanana io rano io, ary hidina sy hamakivaky an’i Araba,+ ka hivarina any an-dranomasina.+ Raha vao tonga any an-dranomasina ilay rano,+ dia ho sitrana ny rano ao an-dranomasina.  Koa ho velona daholo ny zavamananaina* mifanaretsaka+ any amin’izay rehetra ahatongavan’ilay renirano, izay efa nitombo avo roa heny. Dia hisy trondro be dia be ao, satria ho tonga ao tokoa ilay rano ka ho sitrana+ ny ranomasina, ary ho velona ny zava-drehetra any amin’izay ahatongavan’ilay renirano. 10  “Ary hisy mpanjono maro hitsangana eny amorony, manomboka any En-jedy+ ka hatrany En-eglaima. Hisy toerana fanahazana harato any, ary hisy karazan-trondro maro be sahala amin’ny ao amin’ny Ranomasina Lehibe.+ 11  “Misy heniheny sy honahona eny amoron’ilay ranomasina, nefa tsy ho sitrana ireny.+ Havela hisy sira eo foana kosa izy ireny.+ 12  “Hisy hazo fihinam-boa isan-karazany eny amoron’ilay renirano, eo amin’ny andaniny roa.+ Tsy halazo ny raviny,+ ary tsy ho lany ny voany.+ Hamoa isam-bolana izy ireo, satria ny rano mivoaka avy ao amin’ny toerana masina+ no manondraka azy. Ho fihinana ny voany ary ho fanasitranana ny raviny.”+ 13  Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Ity no faritra halainareo ho lova, mba ho tanin’ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely, ka hahazo anjaran-droa i Josefa.+ 14  Handova azy ity ianareo, ka hitovy ny anjaran’ny tsirairay. Io ilay tany nananganako tanana sy nianianako+ homena ny razanareo.+ Hozaraina aminareo amin’ny alalan’ny antsapaka ilay tany, mba ho lovanareo.+ 15  “Toy izao no faritr’ilay tany: Ny sisin-tany avaratra dia manomboka eo amin’ny Ranomasina Lehibe, ary manaraka ny lalana mankany Hetlona,+ hatrany Zedada,+ 16  sy Hamata,+ sy Berota,+ sy Sibraima izay eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Damaskosy+ sy ny sisin-tanin’i Hamata, ary Hazera-hatikona izay eny akaikin’ny sisin-tanin’i Haorana.+ 17  Hatreo amin’ny ranomasina ilay sisin-tany ka hatrany Hazara-enana,+ izany hoe hatrany amin’ny sisin-tanin’i Damaskosy sy any avaratra, eny, any avaratra kokoa, hatrany amin’ny sisin-tanin’i Hamata.+ Izany no ilany avaratra amin’ny taninareo. 18  “Ary ny ilany atsinanana dia manomboka eo anelanelan’i Haorana+ sy Damaskosy,+ sy manamorona ny faritr’i Jordana,+ eo anelanelan’i Gileada+ sy ny tanin’ny Israely. Refeso daholo manomboka eo amin’ilay sisin-tany ka hatrany amin’ny ranomasina atsinanana. Izany no ilany atsinanana. 19  “Ary ny ilany atsimo dia mikipaka mianatsimo, manomboka eo Tamara+ ka hatreo amin’ny ranon’i Meribata-kadesy,+ eo amin’ny lohasaha falehan-driaka+ ka hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe. Izany no ilany atsimo, mikipaka mankany Negeba. 20  “Ny ilany andrefana dia ny Ranomasina Lehibe, manomboka eo amin’ny sisin-tany ka mandeha mahitsy hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata.+ Izany no ilany andrefana.” 21  “Zarao ho anareo foko roa ambin’ny folon’ny Israely io tany io. 22  Zarao ho lovanareo izy io,+ ary ho an’ny vahiny monina eo aminareo,+ dia izay niteraka teo aminareo. Hataonareo toy ny teratany izy ireo, eo amin’ny zanak’Israely. Hahazo lova eo aminareo amin’ny alalan’ny antsapaka izy ireo, eo amin’ny fokon’ny Israely.+ 23  Ary ao amin’izay foko onenan’ilay vahiny no hanomezanareo ny anjara lovany”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.