Ezekiela 48:1-35

48  “Ireto avy ny anaran’ireo foko: I Dana+ hanana anjara iray, izay hanomboka eo amin’ny farany avaratra, manaraka ny lalana mankany Hetlona+ hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata,+ sy Hazara-enana+ izay sisin-tanin’i Damaskosy any avaratra, any akaikin’i Hamata. Hisy sisiny mamaritra azy io any atsinanana sy any andrefana.  I Asera+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Dana, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  I Naftaly+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Asera, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  I Manase+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Naftaly, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  I Efraima+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Manase, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  I Robena+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Efraima, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  I Joda+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Robena, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana.  Hifanila amin’ny sisin-tanin’i Joda, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana, ilay fanomezana tokony homenareo. Hirefy dimy arivo sy roa alina hakiho ny sakany+ ary ny lavany kosa hitovy amin’ny lavan’ny anjara iray, manomboka eo amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. Ary ho eo afovoan’izy io ny toerana masina.+  “Hirefy dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavan’ilay fanomezana tokony homenareo an’i Jehovah, ary ho iray alina hakiho ny sakany. 10  Io anjara voarefy io no ho fanomezana masina ho an’ny mpisorona:+ Dimy arivo sy roa alina hakiho ny any avaratra, iray alina hakiho ny sakany any andrefana, iray alina hakiho ny sakany any atsinanana, ary dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany any atsimo. Ary ho eo afovoan’izy io ny toerana masin’i Jehovah.+ 11  Ho an’ny mpisorona izany, eny, ho an’ireo nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka,+ dia ireo niantsoroka ny andraikiny teo amin’ny fanompoana ahy, fa tsy mba naniasia tahaka an’ireo Levita, rehefa naniasia ny zanak’Israely.+ 12  Hahazo fanomezana avy amin’ilay tany natao fanomezana izy ireo, eo amin’ny sisin-tanin’ny Levita. Ho zavatra masina indrindra izany.+ 13  “Hanana anjara eo akaikin’ny faritanin’ny mpisorona ny Levita:+ Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany, ary iray alina hakiho ny sakany. Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lavany manontolo ary iray alina hakiho ny sakany.+ 14  Tsy hisy azony amidy izany, na atakalo, ary tsy ho azony afindra amin’ny olon-kafa ny tsara indrindra amin’ilay tany. Zava-masina eo anatrehan’i Jehovah mantsy izany.+ 15  “Ho zavatra tsy masina ho an’ny tanàna ny ambiny. Dimy arivo hakiho ny sakany, ary mifanila amin’ilay dimy arivo sy roa alina hakiho izy io.+ Hatao toeram-ponenana sy kijana izy io, ary ilay tanàna no ho eo afovoany.+ 16  Ireto ny refin’ilay tanàna: Dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny avaratra, dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny atsimo, dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny atsinanana, ary dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny andrefana. 17  Hisy kijana+ ilay tanàna: Dimampolo sy roanjato hakiho ny any avaratra, dimampolo sy roanjato hakiho ny any atsimo, dimampolo sy roanjato hakiho ny any atsinanana, ary dimampolo sy roanjato hakiho ny any andrefana. 18  “Hitovy tanteraka amin’ilay fanomezana+ masina ny lavan’ilay ambiny. Iray alina hakiho ny eo atsinanana, ary iray alina hakiho koa ny eo andrefana. Hitovy tanteraka amin’ilay fanomezana masina izy io, ary ny vokatra ao no ho sakafon’ireo manompo ao amin’ilay tanàna.+ 19  Ny mpanompo ao amin’ilay tanàna, izay avy amin’ny foko rehetran’ny Israely, no hamboly ao.+ 20  “Dimy arivo sy roa alina hakiho ny lafiny rehetra amin’ilay fanomezana manontolo. Faritra efamira no homenareo ho fanomezana masina, ho fanampin’ny fananan’ny tanàna. 21  “Ho an’ny mpiadidy+ kosa ny ambiny, eo amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’ilay fanomezana masina sy ilay fananan’ny tanàna.+ Eo anilan’ireo dimy arivo sy roa alina hakiho amin’ny lafin’ilay fanomezana izy io no mikipaka mankany amin’ny sisin-tany atsinanana. Ary ny any andrefana kosa dia eo anilan’ireo dimy arivo sy roa alina hakiho no mikipaka mankany amin’ny sisin-tany andrefana.+ Hitovy tanteraka amin’ireo anjara hafa ny anjaran’ny mpiadidy. Ary ho eo afovoan’izy io ilay fanomezana masina sy ny toerana masina, izany hoe ilay Trano. 22  “Ho eo anelanelan’ny fananan’ny Levita sy ny fananan’ny tanàna, ny an’ny mpiadidy. Ho an’ny mpiadidy àry ny eo anelanelan’ny sisin-tanin’i Joda+ sy ny sisin-tanin’i Benjamina. 23  “Toy izao kosa ny amin’ny foko sisa: I Benjamina+ hanana anjara iray, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. 24  I Simeona+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Benjamina, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. 25  I Isakara+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Simeona, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. 26  I Zebolona+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Isakara, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. 27  I Gada+ hanana anjara iray, izay hifanila amin’ny sisin-tanin’i Zebolona, manomboka amin’ny sisiny atsinanana ka hatrany amin’ny sisiny andrefana. 28  Hifanila amin’ny sisin-tanin’i Gada, eo amin’ny sisiny atsimo mikipaka mianatsimo, ilay sisin-tany. Hanomboka eo Tamara+ izy io ka hatreo amin’ny ranon’i Meribata-kadesy+ sy ny lohasaha falehan-driaka,+ hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe.+ 29  “Izany no tany hozarainareo amin’ny alalan’ny antsapaka, ho lovan’ny fokon’ny Israely.+ Ary ireo no ho anjaran’ny tsirairay”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony. 30  “Ireto avy ny fivoahana avy ao amin’ilay tanàna: Ho dimanjato sy efatra arivo hakiho ny refin’ny lafiny avaratra.+ 31  “Hitondra ny anaran’ny fokon’ny Israely ireo vavahadin’ilay tanàna. Vavahady telo ny eo avaratra: Vavahadin’i Robena ny iray, vavahadin’i Joda ny iray, ary vavahadin’i Levy ny iray. 32  “Ho dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny atsinanana, ary hisy vavahady telo eo: Vavahadin’i Josefa ny iray, vavahadin’i Benjamina ny iray, ary vavahadin’i Dana ny iray. 33  “Ho dimanjato sy efatra arivo hakiho ny refin’ny lafiny atsimo, ary hisy vavahady telo eo: Vavahadin’i Simeona ny iray, vavahadin’i Isakara ny iray, ary vavahadin’i Zebolona ny iray. 34  “Ho dimanjato sy efatra arivo hakiho ny lafiny andrefana, ary hisy vavahady telo eo: Vavahadin’i Gada ny iray, vavahadin’i Asera ny iray, ary vavahadin’i Naftaly ny iray. 35  “Valo arivo sy iray alina hakiho ny manodidina. Ary izao no ho anaran’ilay tanàna, manomboka amin’io andro io: Jehovah Mihitsy no Ao.”+

Fanamarihana