Ezekiela 5:1-17

5  “Ary ianao, ry zanak’olona, makà sabatra maranitra, ka ataovy toy ny harezan’ny mpanety izany. Kakaso amin’iny ny lohanao ary esory amin’iny koa ny volombavanao.+ Dia makà mizana ary tsinjarao ilay volo,  ka ny ampahatelony hodoranao eo afovoan-tanàna, raha vao tapitra ny andro anaovana fahirano azy.+ Ary alaivo kosa ny ampahatelony ka asio amin’ny sabatra, any amin’ny lafiny rehetra amin’ilay tanàna.+ Ny ampahatelony sisa kosa aelezo eny amin’ny rivotra, ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+  “Akao kely io farany io, ary fonosy ao anaty akanjonao.+  Akao indray ilay izy ka atsipazo ao anaty afo ary dory tanteraka. Avy amin’io afo io no hivoahan’ny afo handoro ny taranak’Israely manontolo.+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Jerosalema izany! Nataoko teo anivon’ireo firenena izy, ka tany maro no manodidina azy.  Nikomy tsy nanaraka ny didim-pitsarako izy, ka nanao ratsy mihoatra noho ireo firenena.+ Ary nikomy tsy nitandrina ny lalàko, mihoatra noho ireo tany manodidina azy, izy. Fa nolaviny ny didim-pitsarako ary tsy notandremany ny lalàko.’+  “Dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Koa satria sarotra fehezina+ mihoatra noho ireo firenena manodidina anareo ianareo, ka tsy nitandrina ny lalàko na nanatanteraka ny didim-pitsarako,+ fa ny didim-pitsaran’ireo firenena manodidina anareo indray no notanterahinareo,+  dia izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Izaho mihitsy no hamely anao,+ ry tanàna ô! Hampihatra didim-pitsarana aminao eo imason’ireo firenena aho.+  Zavatra mbola tsy nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony no hataoko eo aminao, noho ny zava-maharikoriko rehetra nataonao.+ 10  “‘“Koa hisy ray hihinan-janaka, eo aminao.+ Ary hisy koa zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho ary haeliko any amin’ny vazan-tany efatra* ny sisa rehetra eo aminao.”’+ 11  “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia izaho mihitsy no hanao izay hahavitsy anareo,+ ka tsy hiantra anareo ny masoko+ ary tsy hangoraka anareo aho,+ satria ny toerako masina no nolotoinareo tamin’ireo zava-maharikoriko+ sy zava-mahatsiravina+ rehetra nataonareo. 12  Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana+ sy ho ripaky ny mosary eo anivonareo.+ Ary ny ampahatelony kosa ho lavon-tsabatra manodidina anareo. Ny ampahatelony sisa kosa haeliko any amin’ny vazan-tany efatra,+ ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+ 13  Tsy ho tezitra amin’izy ireo intsony aho+ sady hampitony ny fahatezerako,+ ka hampionon-tena.+ Rehefa avy nanampatra ny fahatezerako tamin’izy ireo aho, dia tsy maintsy ho fantany fa izaho Jehovah no niteny, satria mitaky ny hanompoana ahy irery ihany aho.+ 14  “‘Hataoko rava tanteraka sy ho fandatsa ianao, eo amin’ireo firenena manodidina anao sy eo imason’ny mpandalo rehetra.+ 15  Handatsa+ sy hanevateva+ anao ny firenena manodidina anao, ka ho anatra+ ho azy ianao ary hihorohoro izy ireo noho izay nanjo anao, rehefa hampihariko eo aminao ny didim-pitsarako. Ho tezitra sy vinitra ary hananatra anao amin-katezerana aho amin’izay fotoana izay.+ Izaho Jehovah no miteny izany. 16  “‘Zana-tsipìka mahafaty, izany hoe mosary,+ no halefako amin’izy ireo mba haharingana azy. Izany zana-tsipìka izany no halefako aminareo mba haharingana anareo.+ Koa hataoko mafy kokoa ny mosary hahazo anareo, ary hotapahiko ny hazo fihantonan’ny mofo boribory fihinanareo.+ 17  Handefa mosary sy bibidia masiaka hamely anareo aho,+ ka hataony fongana ny zanakareo. Hisy areti-mandringana+ sy ra mandriaka+ ao aminao, ary hataoko mamely anao ny sabatra.+ Izaho Jehovah no miteny izany.’”

Fanamarihana

Jereo Je 49:32 f.a.p.