Ezekiela 6:1-14

6  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, mitodiha any amin’ireo tendrombohitr’i Israely, ary maminania+ ny amin’izay hanjo an’ireo,+  ka lazao hoe: ‘Ry tendrombohitr’i Israely ô, henoy ny tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony:+ Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony amin’ireo tendrombohitra sy havoana+ sy renirano ary lohasaha: “Ho avy aho ka hamely anareo amin’ny sabatra, ary horavako tokoa ny toerana avo eo aminareo.+  Horavana ireo alitaranareo,+ ary hopotehina ny fandoroanareo emboka manitra. Hataoko miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo maharikoriko* ny fatinareo.+  Hataoko eo anoloan’ny sampiny maharikoriko ny fatin’ny zanak’Israely, ary ny taolanareo haparitako manodidina ny alitaranareo.+  Any amin’izay rehetra onenanareo,+ dia ho aolo ny tanàna+ ary horavana ny toerana avo, mba ho aolo.+ Amin’izay dia ho rava ny alitaranareo ka hirodana,+ ary tsy hisy intsony ireo sampinareo maharikoriko,+ hopotipotehina ny fandoroanareo emboka manitra,+ ary ho fongana ny zavatra namboarinareo.  Dia hiampatrampatra eo aminareo ny fatin’ny voavono,+ ka tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.+  “‘“Havelako hisy sisa ihany anefa aminareo, dia ireo tsy matin-tsabatra any amin’ireo firenena, rehefa haparitaka any amin’ny tany samy hafa ianareo.+  Dia hahatsiaro ahy ireo sisa tavela ireo, any amin’ireo firenena hitondrana azy ho babo.+ Hotsaroan’izy ireo koa fa ory dia ory aho satria tia fijangajangana ny fon’izy ireo ka niala tamiko,+ ary mibanjina an’ireny sampiny maharikoriko ireny ny mason’izy ireo noho ny fikendrena hijangajanga.+ Koa ho hita eo amin’ny endrik’izy ireo fa haharikoriko azy ny zava-dratsy vitany, dia ny zava-mahatsiravina rehetra nataony.+ 10  Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah. Tsy niteniteny foana tokoa aho+ rehefa nilaza fa hahatonga izany loza izany amin’izy ireo.”’+ 11  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Mitehafa ho fanehoanao ny alahelonao,+ ary atontòny amin’ny tany ny tongotrao, ka milazà hoe: “Indrisy!”, noho ny zava-dratsy rehetra maharikoriko nataon’ny taranak’Israely,+ satria ho lavon’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana izy ireo.+ 12  Ho fatin’ny areti-mandringana ny any lavitra,+ fa ho lavon-tsabatra kosa ny eo akaiky, ary ho fatin’ny mosary ny sisa tavela sy ny voatsimbina. Dia hanampatra ny fahatezerako amin’izy ireo aho.+ 13  Koa tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah+ rehefa hiampatrampatra eny rehetra eny ny fatiny, dia eny akaikin’ireo sampiny maharikoriko,+ eny amin’ny manodidina ny alitarany,+ eny amin’ny havoana avo rehetra,+ eny an-tampon-tendrombohitra rehetra,+ eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra+ ary eny ambanin’ny hazobe maro rantsana rehetra,+ izany hoe eny amin’ny toerana nanolorany hanitra mampitony mba ho an’ireo sampiny maharikoriko rehetra.+ 14  Ary haninjitra ny tanako hamely azy ireo aho+ ka hataoko lao tsy misy mponina ny taniny any amin’izay rehetra onenan’izy ireo, eny, ho lao mihoatra noho ilay tany efitra any akaikin’i Dibla. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”

Fanamarihana

Jereo Le 26:30 f.a.p.