Ezekiela 7:1-27

7  Dia tonga tamiko indray ny tenin’i Jehovah hoe:  “Ry zanak’olona, izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony, amin’ny tanin’ny Israely: ‘Ny farany! Tonga ny farany ho an’ny vazan-tany efatra!+  Tonga aminao tokoa izao ny farany,+ ary hampihatra ny fahatezerako aminao aho, ka hitsara anao araka izay nataonao,+ ary hataoko mizaka ny vokatry ny zava-maharikoriko rehetra nataonao ianao.  Tsy hiantra anao ny masoko+ ary tsy hangoraka anao aho, fa hataoko mizaka ny valin’ny nataonao ianao, ary ho tsapanao fa mivaly aminao ny vokatr’ireo zava-maharikoriko nataonao.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’+  “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ho avy ny loza! Ho avy tokoa ny loza mbola tsy nisy toy izany!+  Ho avy ny farany.+ Eny, ho avy ny farany, izay hifoha hamely anao. Ho avy tokoa izy.+  Hasiana fehiloha ianao, ry mponin’ilay tany. Ho avy ny fotoana, ary efa antomotra ny andro.+ Olona misahotaka no re, fa tsy horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.  “‘Kely sisa dia hampihatra ny fahatezerako aminao aho,+ ary hanampatra ny fahavinirako aminao,+ ka hitsara anao araka izay nataonao,+ ary hataoko mizaka ny vokatry ny zava-maharikoriko rehetra nataonao ianao.  Tsy hiantra ny masoko+ ary tsy hangoraka aho.+ Hovaliako araka ny nataonao ianao, ary ho tsapanao fa mivaly aminao ny vokatr’ireo zava-maharikoriko nataonao.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho Jehovah no mamely anareo.+ 10  “‘Oay! Ilay andro! Ho avy ilay andro!+ Efa nivoaka ilay fehiloha.+ Efa namony ilay tsorakazo.+ Efa nitsimoka ny fireharehana.+ 11  Nitombo ny herisetra ka nanjary tsorakazo famaizana an’ireo mpanao ratsy.+ Tsy avy amin’izy ireo izany, na avy amin’ny harenany, na avy amin’ny tenany. Tsy mendrika izy ireo. 12  Ho avy ny fotoana. Eny, ho avy ny andro. Koa aoka tsy hifaly izay nividy,+ ary aoka tsy halahelo izay nivarotra, satria hiharan’ny fahatezerana mafy ny vahoaka manontolo. 13  Fa tsy hiverina amin’ilay nivarotra intsony izay namidiny, na dia mbola anisan’ny velona aza ilay nivarotra. Fa hihatra amin’ny vahoaka manontolo ilay fahitana. Tsy hisy hiverina izy ireo. Ary samy tsy hahavita hiaro ny ainy izy ireo, na dia hanao fahadisoana aza. 14  “‘Nitsoka trompetra+ izy ireo ary nasaina niomana ny rehetra, nefa tsy nisy nandeha niady, satria tezitra mafy amin’ny vahoaka manontolo aho.+ 15  Sabatra+ no eny ivelany, ary areti-mandringana sy mosary no ao anatiny.+ Ho fatin-tsabatra izay eny an-tsaha, ary izay ao an-tanàna kosa ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana.+ 16  Ho afa-mandositra ireo afa-mandositra,+ ary ho toy ny voromailala eny an-dohasaha izy ireo,+ eny an-tendrombohitra. Samy hitoreo toy ny voromailala izy rehetra noho ny fahadisoany. 17  Hiraviravy tanana daholo izy ireo,+ ary hisy rano hitete* eo amin’ny lohalika rehetra.+ 18  Misikina lamba gony+ izy ireo ary tora-kovitra.+ Hita eny amin’ny endrik’izy rehetra fa menatra izy,+ ary nosolaina ny lohan’izy rehetra.+ 19  “‘Hatsipiny eny an-dalana ny volafotsiny, ary haharikoriko azy ny volamenany. Tsy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+ Tsy ho afa-po izy ireo ary tsy ho voky ny kibony, satria nanjary vato mahatafintohina azy ny harenany, ka nahatonga azy hanao fahadisoana.+ 20  Ary nataony rehareha ny hatsaran’ny haingony. Volafotsy sy volamena no nanaovany an’ireo sary maharikoriko+ sy zava-mahatsiravina+ nivavahany. Koa hataoko lasa zava-maharikoriko azy+ ny volafotsiny sy ny volamenany. 21  Havelako horobain’ny hafa firenena sy hobaboin’ny ratsy fanahy eto an-tany ireny,+ ka hozimbazimbainy. 22  “‘Hihodina tsy hiatrika azy ireo aho,+ ary hozimbazimbainy ny toerana miafina misy ahy. Hisy mpandroba hiditra ao ka hanazimbazimba an’ilay toerana.+ 23  “‘Manamboara rojo vy,+ fa didim-pitsarana voapentimpentin’ny ra no mameno an’ilay tany,+ ary feno herisetra ny tanàna.+ 24  Firenena faran’izay ratsy fanahy+ no hoentiko hamely azy ireo ka halain’ireny ny tranony.+ Hatsahatro ny fireharehan’ny mahery,+ ary hozimbazimbaina ny toerana masin’izy ireo.+ 25  Hijaly izy ireo, ka hitady fiadanana nefa tsy hisy izany.+ 26  Hifanesisesy ny fahoriana+ sy ny vaovao ratsy. Ary hitady fahitana avy amin’ny mpaminany ny olona.+ Ho zava-poana ny lalàna eo am-bavan’ny mpisorona, ary ho zava-poana koa ny torohevitra avy amin’ny anti-panahy.+ 27  Hisaona ny mpanjaka,+ ary hitafy famoizam-po ny mpiadidy.+ Ho sahiran-tsaina ny vahoaka* ka hangovitra ny tanany. Hovaliako araka ny nataony izy ireo,+ ary hotsaraiko araka izay nitsarany ny hafa.+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”+

Fanamarihana

Izany hoe ho latsaka hatramin’ny pipy noho ny tahotra.
A.b.t.: “olon’ny tany.”