Ezekiela 8:1-18

8  Tamin’ny andro fahadimin’ny volana fahenina, tamin’ny taona fahenina, raha nipetrapetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka teo anoloako ny anti-panahin’i Joda,+ dia niasa tamiko ny tanan’i Jehovah Tompo Fara Tampony.+  Ary nijery aho ka zavatra hoatran’ny afo no hitako.+ Nanomboka teo amin’ilay toy ny andilany no ho midina dia nisy afo.+ Fa nanomboka teo amin’ny andilany no ho miakatra kosa, nisy hoatran’ny namirapiratra toy ny metaly nanjelatra.*+  Dia nisy hoatran’ny tanana+ hitako natsotrany, ka noraisiny tamin’ny volon-dohako aho. Koa nisy fanahy*+ nanainga ahy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, ka nitondra ahy tany Jerosalema, tao anatin’ny fahitana avy tamin’Andriamanitra.+ Nentiny ho eo amin’ny fidirana amin’ilay vavahady anatiny,+ izay mitodika mianavaratra, aho. Teo no nisy an’ilay sampy izay mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro.+  Ary io fa teo ny voninahitr’ilay Andriamanitry ny Israely,+ ary sahala amin’ilay hitako tao amin’ny tany lemaka ilay izy.  Dia hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao, azafady!” Dia natopiko nianavaratra ny masoko, ka hitako teo avaratr’ilay vavahady mankeo amin’ny alitara, teo amin’ny fidirana, ilay sampy izay mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro.+  Hoy indray izy tamiko: “Ry zanak’olona, hitanao ve ny zavatra tena maharikoriko ataon’izy ireo,+ dia ny zavatra ataon’ny taranak’Israely eto mba hanalavirako ny toerako masina?+ Mbola hahita zavatra hafa tena maharikoriko koa anefa ianao.”  Koa nentiny teo amin’ny fidirana mankao an-tokotany aho, ka rehefa nijery aho dia nahita lavaka iray teo amin’ny rindrina.  Ary hoy izy tamiko: “Ry zanak’olona, loahy ilay rindrina, azafady!”+ Dia noloahako tsikelikely ilay rindrina, ka nahita fidirana iray aho.  Hoy indray izy tamiko: “Midira ka jereo ny zava-dratsy maharikoriko ataon’izy ireo ao.”+ 10  Koa niditra aho, ary nijery ka nahita sarina+ biby mandady sy biby maharikoriko+ ary sarin’ny sampy mahatsiravina rehetran’ny taranak’Israely.+ Voasokitra teny amin’ny rindrina manontolo izany rehetra izany. 11  Anti-panahy fitopolo+ anisan’ny taranak’Israely no nijoro teo anoloan’ireny, ary niara-nijoro tamin’izy ireo teo i Jazania zanak’i Safana.+ Samy nitondra ny fitaovany fandoroana emboka manitra izy ireo, ary niakatra ny hanitr’ilay emboka manitra nodorana.+ 12  Ary hoy izy tamiko: “Hitanao ve, ry zanak’olona, izay ataon’ny anti-panahin’ny taranak’Israely ao amin’ny maizina,+ dia izay ataon’izy tsirairay ao amin’ireo efitrano anatiny misy ireo sary sokitra? Hoy mantsy izy ireo: ‘Tsy mahita antsika i Jehovah!+ Efa nafoin’i Jehovah ny tanintsika!’” 13  Hoy ihany izy tamiko: “Mbola hahita zavatra hafa tena maharikoriko ataon’izy ireo koa ianao.”+ 14  Koa nentiny teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah, izay manandrify ny avaratra, aho. Dia nahita vehivavy nipetraka teo aho ary nitomany an’ilay andriamanitra atao hoe Tamoza izy ireo. 15  Hoy indray izy tamiko: “Hitanao ve izao, ry zanak’olona? Mbola ho ratsy kokoa noho ireo anefa ny zavatra tena maharikoriko+ ho hitanao!” 16  Dia nentiny tao amin’ny tokotany anatiny misy ny tranon’i Jehovah+ aho, ary indreo fa nisy lehilahy tokotokony ho dimy amby roapolo,+ teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempolin’i Jehovah, teo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara.+ Niamboho ny tempolin’i Jehovah izy ireo,+ ka nitodika niantsinanana. Niankohoka niantsinanana, nanandrify ny masoandro, izy ireo.+ 17  Hoy ihany izy tamiko: “Hitanao ve izao, ry zanak’olona? Angaha mbola tsy ampy an’ireo taranak’i Joda ny zava-maharikoriko ataony eto, no mbola fenoiny herisetra+ koa ny tany ka manao izay hampahatezitra ahy indray izy ireo? Ataony eo amin’ny oroko mihitsy ilay rantsankazo. 18  Koa hanampatra ny fahatezerako aho.+ Tsy hiantra azy ireo ny masoko, ary tsy hangoraka azy ireo aho.+ Dia hitalaho mafy eo an-tsofiko tokoa izy ireo, fa tsy hihaino azy aho.”+

Fanamarihana

Jereo Ezk 1:4 f.a.p.
Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.