Ezra 1:1-11

1  Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nentanin’i+ Jehovah i Kyrosy* mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Koa nanao izao antso avo+ izao nanerana ny fanjakany izy, sady nanao izany an-tsoratra:+  “Izao no nolazain’i Kyrosy mpanjakan’i Persa:+ ‘Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah+ Andriamanitry ny lanitra,+ ary izy no naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema,+ any Joda.  Koa na iza na iza manompo azy aminareo, dia homba azy anie ny Andriamaniny!+ Koa aoka izy hiakatra ho any Jerosalema, any Joda, ka hanorina indray ny trano tany Jerosalema,+ dia ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay tena Andriamanitra.+  Ary izay sisa tavela ka handao ny toerana nivahiniany,+ dia aoka hampian’ny olona eo an-toerana ka homeny volafotsy sy volamena sy fananana ary biby fiompy mbamin’ny fanatitra an-tsitrapo+ ho an’ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.’”  Dia niainga ireo lohan’ireo+ fianakaviamben’i Joda sy Benjamina mbamin’ny mpisorona sy ny Levita, eny, izay rehetra nentanin’Andriamanitra,+ mba hiakatra hanorina indray ilay tranon’i Jehovah+ tany Jerosalema.  Ary nanampy+ azy* daholo ny manodidina, ka nanome fitaovana volafotsy, sy volamena, sy fananana, sy biby fiompy, ary zava-tsarobidy, ankoatra ny zavatra rehetra natolotra an-tsitrapo.+  Ary navoakan’i Kyrosy Mpanjaka ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah,+ izay nentin’i Nebokadnezara avy tany Jerosalema+ sy nataony tao an-tranon’andriamaniny.+  I Mitredata, mpitahiry ny harenam-panjakana, no nasain’i Kyrosy mpanjakan’i Persa nanara-maso ny famoahana sy ny fanisana an’ireny, ka nanolotra izany ho an’i Sesbazara,+ mpiadidy teo amin’ny Joda.+  Izao no isan’izany: Haron-kely volamena telopolo, haron-kely volafotsy arivo, fitaovana hafa sivy amby roapolo, 10  vilia baolina+ kely volamena telopolo, vilia baolina kely volafotsy folo sy efajato, ary fitaovana hafa arivo. 11  Efajato sy dimy arivo ny isan’ireo fitaovana volamena sy volafotsy rehetra. Nentin’i Sesbazara+ niakatra tany Jerosalema daholo izany, niaraka tamin’ireo olona natao sesitany+ tany Babylona.

Fanamarihana

Na: “ny fanahin’i Kyrosy.”
A.b.t.: “nampahery ny tanany.”