Ezra 10:1-44

10  Raha vao avy nivavaka+ sy nibaboka+ i Ezra, ka mbola nitomany sy nihohoka+ teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra,+ dia nitangorona teo aminy ny Israelita, izay fiangonana lehibe nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy. Nitomany be koa mantsy ny vahoaka.  Dia niteny tamin’i Ezra i Sekania zanak’i Jehiela,+ avy amin’ny taranak’i Elama,+ hoe: “Izahay no nivadika tamin’Andriamanitsika, satria nanambady vehivavy hafa firenena avy tamin’ireo mponina manodidina.+ Mbola misy fanantenana+ ihany anefa ho an’ny Israely.  Aoka izahay hanao fifanekena+ amin’Andriamanitsika ka horoahinay+ ireo vehivavy rehetra ireo mbamin’izay naterany, fa izany no toromarika avy amin’i Jehovah sy avy amin’ireo matahotra ny handika+ ny didin’Andriamanitsika,+ mba hanaovana zavatra araka ny lalàna.+  Koa mitsangàna fa napetraka ho adidinao izao raharaha izao, ary manohana anao izahay. Mahereza ary manaova zavatra.”  Ary nitsangana i Ezra, ka nasainy nianiana+ ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Levita ary ny Israely rehetra, fa hanao araka izany teny izany. Dia nianiana izy ireo.  Ary niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Ezra, ka nankany amin’ny efitra fisakafoana+ izay an’i Johanana zanak’i Eliasiba. Tsy nihinan-kanina+ na nisotro rano anefa izy, na dia nankany aza, satria nalahelo+ noho ny fivadihan’ireo avy tany an-tsesitany.  Dia nanao antso avo nanerana an’i Joda sy Jerosalema izy ireo, mba hiantsoana an’izay rehetra avy any an-tsesitany+ hivory any Jerosalema.  Ary izay tsy tonga+ ao anatin’ny telo andro, araka ny tenin’ireo andriana+ sy anti-panahy, dia halaina+ ny fananany rehetra, ary hesorina+ tsy ho anisan’ny fiangonan’ireo avy tany an-tsesitany izy.  Koa tafavory tao Jerosalema ny lehilahy rehetra anisan’ny fokon’i Joda sy Benjamina tao anatin’ny telo andro, tamin’ny faharoapolon’ny volana fahasivy.+ Nipetraka teo an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra, ary nangovitra izy ireo satria raharaha lehibe no hodinihina sady avy ny orana.+ 10  Dia nitsangana i Ezra mpisorona ka nanao hoe: “Nivadika tamin’Andriamanitra ianareo satria nanambady vehivavy hafa firenena,+ ka nampitombo ny heloky ny Israely.+ 11  Koa aoka ianareo hibaboka+ amin’i Jehovah Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy izay sitrany+ ary misaraha amin’ireo mponina manodidina sy ireo vehivavy hafa firenena vadinareo.”+ 12  Dia niara-niredona ny fiangonana manontolo hoe: “Adidinay ny manatanteraka izay lazainao.+ 13  Maro anefa ny olona sady fotoanan’ny orana izao, ka tsy vitanay ny mijoro etỳ ivelany. Tsy ho voalamina iray na roa andro koa anefa ilay raharaha, satria lehibe ny fikomianay tamin’io lafiny io. 14  Koa aoka re hisolo tena ny fiangonana manontolo ireo andriananay+ e! Ary izay rehetra manambady vehivavy hafa firenena ao amin’ireo tanànanay, dia aoka ho tonga amin’ny fotoana voatondro, miaraka amin’ny anti-panahy sy ny mpitsara isan-tanàna, mandra-pampitonenay ny fahatezerana mafin’ilay Andriamanitray noho io raharaha io.” 15  Nanohitra+ izany teny izany anefa i Jonatana zanak’i Asahela sy Jahaza zanak’i Tikva, nampian-dry Mesolama sy Sabetahy+ izay samy Levita. 16  Nanatanteraka izany kosa ireo olona avy any an-tsesitany.+ Koa tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo,+ dia nitokana i Ezra mpisorona sy ny lohan’ireo fianakaviambe,+ ary nipetraka hanadihady momba ilay raharaha izy rehetra+ araka ny anarany avy. 17  Ary voalamin’izy ireo tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany ilay raharaha momba an’ireo lehilahy rehetra nanambady vehivavy hafa firenena.+ 18  Nisy nanambady vehivavy hafa firenena koa ny taranaky ny mpisorona.+ Ny avy tamin’ny taranak’i Jesoa+ zanak’i Jozadaka,+ mbamin’ireo rahalahiny, dia i Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia. 19  Nampanantena ny handroaka ny vadiny anefa izy ireo, ka nohamafisin’izy ireo tamin’ny fifandraisan-tanana izany. Ary satria meloka izy ireo,+ dia hanome ondrilahy+ avy amin’ny andian’ondry. 20  Ary ny avy tamin’ny taranak’i Imera+ dia i Hanany sy Zebadia; 21  ny avy tamin’ny taranak’i Harima+ dia i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela ary Ozia; 22  ny avy tamin’ny taranak’i Pasora+ dia i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada ary Elasa. 23  Ary ny avy tamin’ny Levita dia i Jozabada, Simey, Kelaia na Kelita, Petahia, Joda ary Eliezera; 24  ny avy tamin’ireo mpihira dia i Eliasiba; ary ny avy tamin’ireo mpiandry vavahady dia i Saloma sy Talema ary Ory. 25  Ny avy tamin’ny Israely, avy tamin’ny taranak’i Parosy+ dia i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia ary Benaia; 26  ny avy tamin’ny taranak’i Elama+ dia i Matania, Zakaria, Jehiela,+ Abdia, Jeremota ary Elia; 27  ny avy tamin’ny taranak’i Zato+ dia i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada ary Aziza; 28  ny avy tamin’ny taranak’i Bebay+ dia i Johanana, Hanania, Zabay ary Atlay; 29  ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Mesolama, Maloka, Adaia, Jasoba, Seala ary Jeremota; 30  ny avy tamin’ny taranak’i Pahata-moaba+ dia i Adna, Kelala, Benaia, Mahaseia, Matania, Bezalila, Binoy ary Manase; 31  ny avy tamin’ny taranak’i Harima+ dia i Eliezera, Jisia, Malkia,+ Semaia, Simeona, 32  Benjamina, Maloka ary Semaria; 33  ny avy tamin’ny taranak’i Hasoma+ dia i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase ary Simey; 34  ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Maday, Amrama, Oela, 35  Benaia, Bedeia, Keloho, 36  Vania, Meremota, Eliasiba, 37  Matania, Matenay ary Jasao; 38  ny avy tamin’ny taranak’i Binoy dia i Simey, 39  Selemia, Natana, Adaia, 40  Maknadebay, Sasay, Saray, 41  Azarela, Selemia, Semaria, 42  Saloma, Amaria ary Josefa; 43  ary ny avy tamin’ny taranak’i Nebo dia i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Jadao, Joela ary Benaia. 44  Nanambady vehivavy hafa firenena daholo ireo,+ ka nandroaka an’ireny niaraka tamin’ny zanany.

Fanamarihana