Ezra 3:1-13

3  Efa tao amin’ny tanànany avy ny zanak’Israely, tamin’ny volana fahafito.+ Ary nivory toy ny olona iray+ tao Jerosalema+ ny vahoaka.  Dia nitsangana i Jesoa+ zanak’i Jozadaka, sy ireo rahalahiny mpisorona, ary i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy ireo rahalahiny, ka nanorina ny alitaran’ilay Andriamanitry ny Israely mba hanolorana sorona dorana, araka izay voasoratra+ ao amin’ny lalàn’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.  Koa nataon’izy ireo mafy orina teo amin’ilay toerany taloha ilay alitara,+ noho ny fahatahorany ny mponina manodidina.+ Ary natolotr’izy ireo teo amboniny ny sorona dorana ho an’i Jehovah, dia ny sorona dorana amin’ny maraina sy hariva.+  Dia nankalaza ny fetin’ny trano rantsankazo+ araka izay voasoratra izy ireo,+ ka nanao ireo sorona dorana isan’andro araka ny isa efa voatondro ho an’ny andro tsirairay.+  Natao koa ny fanatitra dorana+ atolotra tsy tapaka sy ny fanatitra dorana amin’ny tsinam-bolana+ sy amin’ireo fotoanan’ny fety+ masina rehetra ho an’i Jehovah, ary koa ny fanatitra dorana ho an’izay natosiky ny fony hanolotra fanatitra an-tsitrapo+ ho an’i Jehovah.  Koa nanolotra sorona dorana ho an’i Jehovah izy ireo nanomboka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafito,+ fony mbola tsy natao akory ny fototry ny tempolin’i Jehovah.  Nanome vola+ an’ireo mpipai-bato+ sy mpanao asa tanana+ izy ireo. Ary nomeny sakafo+ sy zava-pisotro ary menaka+ ny olona avy any Sidona+ sy Tyro,+ mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona+ mankany amin’ny ranomasina any Jopa,+ araka ny fanomezan-dalana nomen’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa azy ireo.  Ary tamin’ny volana faharoan’ny+ taona faharoa nahatongavan’izy ireo tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, dia nanomboka ny asa i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy Jesoa+ zanak’i Jozadaka, sy ny sisa tamin’ny rahalahin’izy ireo, dia ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra nivoaka avy tamin’ny fahababoana+ ka nankany Jerosalema. Ary notendren’izy ireo ho mpanara-maso ny asa momba ny tranon’i Jehovah ireo Levita+ roapolo taona no ho miakatra.+  Koa nitambatra ho antokony iray i Jesoa+ sy ny zanany sy ny rahalahiny, ary i Kadmiela sy ny zanany, izay taranak’i Joda, mba hanara-maso ireo mpanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra. Ary teo koa ireo zanak’i Henadada+ sy ny zanak’ireo ary ny rahalahiny, dia ny Levita. 10  Rehefa nandatsaka ny fototry+ ny tempolin’i Jehovah ireo mpanorina, dia nitsangana ireo mpisorona nanao akanjo fisoronana+ izay nitondra trompetra,+ sy ireo Levita taranak’i Asafa+ nitondra kipantsona,+ ka nidera an’i Jehovah araka ny toromarik’i+ Davida mpanjakan’ny Israely. 11  Dia nanao hira nifamaly izy ireo ka nidera+ sy nisaotra an’i Jehovah “fa tsara izy,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana amin’ny Israely.”+ Ary ny olona rehetra nihoby mafy+ nidera an’i Jehovah noho ny nandatsahana ny fototry ny tranon’i Jehovah. 12  Ary maro tamin’ny mpisorona+ sy ny Levita ary ny lohan’ireo fianakaviambe,+ izany hoe ireo lahiantitra izay nahita ilay trano taloha,+ no nidradradradra nitomany+ rehefa nanatri-maso ny nandatsahana ny fototr’ilay+ trano. Nisy maro hafa koa anefa nanandra-peo nanao horakora-pifaliana.+ 13  Koa tsy hay intsony ny nanavaka ny horakora-pifaliana+ sy ny tomanin’ny olona, satria niantsoantso mafy ny olona ka re lavitra be ilay feo.

Fanamarihana