Ezra 4:1-24

4  Raha vao ren’ny fahavalon’i+ Joda sy Benjamina fa nanorina tempoly ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely ireo olona nody avy any an-tsesitany,+  dia nanatona an’i Zerobabela+ sy ireo lohan’ny+ fianakaviambe izy ireo ka nilaza hoe: “Avelao izahay hiara-manorina aminareo,+ fa mitady ny Andriamanitrareo+ tahaka anareo ihany izahay, ary izy no efa nanoloranay sorona, hatramin’ny andron’i Esara-hadona+ mpanjakan’i Asyria, izay nitondra anay niakatra nankatỳ.”+  Hoy anefa i Zerobabela sy Jesoa+ ary ny sisa tamin’ireo lohan’ny+ fianakaviamben’ny Israely: “Tsy manan-jo hiaraka aminay hanorina trano ho an’Andriamanitray ianareo.+ Izahay ihany no hanorina ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka ny nandidian’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa.”  Ary ny mponina manodidina dia tsy nitsahatra nampiraviravy+ tanana ny mponin’i Joda sy nanakivy azy ireo tsy hanorina,+  ka nanakarama+ mpanolo-tsaina mba hampandamòka ny fikasan’izy ireo, tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa ka hatramin’ny nanjakan’i Dariosy+ mpanjakan’i Persa.  Ary nanoratra taratasy fiampangana+ an’ireo mponin’i Joda sy Jerosalema izy ireo, raha vao nanjaka i Ahasoerosy.  Nanoratra ho an’i Artaksersesy mpanjakan’i Persa koa ry Bislama sy Mitredata sy Tabela ary ny namany hafa, tamin’ny andron’i Artaksersesy. Nadika tamin’ny fiteny aramianina ilay taratasy, ary tarehin-tsoratra aramianina+ no nanoratana azy.  Ary i Rehoma lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy miampanga an’i Jerosalema tany amin’i Artaksersesy Mpanjaka. Toy izao izany:  Avy amin’i Rehoma,+ lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra, sy ireo namany hafa, ny mpitsara, ny governora lefitra atỳ ampitan’ny Renirano,+ ny mpitan-tsoratra,+ ny olona any Ereka,+ ny Babylonianina,+ ny mponin’i Sosa,+ izany hoe ny Elamita,+ 10  sy ny sisa amin’ireo firenena+ natao sesitany izay napetrak’i Asnapara+ lehibe sy mendri-kaja atỳ amin’ny tanànan’i Samaria,+ ary ny sisa atỳ ampitan’ny Renirano——. Ary 11  ity ny dika mitovy amin’ilay taratasy nalefan’izy ireo momba izany: “Ho an’i Artaksersesy+ Mpanjaka, avy amin’ireo mpanomponao atỳ ampitan’ny Renirano: 12  Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa ireo Jiosy niakatra avy tany aminao ho atỳ aminay, dia tonga any Jerosalema. Manorina ilay tanàna mpikomy sy ratsy izy ireo, ka manangana indray ny manda+ sady manamboatra ny fototra. 13  Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha voaorina indray io tanàna io ary vita ny mandany, dia tsy handoa hetra+ na haba+ na hetran-dalana izy ireo, ka hahatonga fatiantoka amin’ny tahirim-bolam-panjakana+ izany. 14  Koa satria mandray karama avy any an-dapa* izahay, sady heverinay fa tsy mety ny mijery fotsiny ny fanaovana izay hahatapi-pananana ny mpanjaka, dia mandefa izao taratasy izao izahay hampahafantarana izany amin’ny mpanjaka, 15  mba hisy fikarohana hatao ao amin’ny boky mirakitra ny tantaran’ny+ razanao. Dia ho hitanao ao amin’ilay boky, ary ho fantatrao fa mpikomy sy mitondra fatiantoka ho an’ny fanjakana sy ny faritany io tanàna io. Ary efa hatry ny ela be no nisy mpitarika fikomiana tao. Izany no nandravana tanteraka an’io tanàna io.+ 16  Ampahafantarinay anao, ry mpanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka vita ny mandany, dia tsy hanana anjara intsony ianao atỳ ampitan’ny Renirano.”+ 17  Ary ny mpanjaka nandefa izao taratasy izao ho an’i Rehoma+ lehiben’ny tompon’andraiki-panjakana sy Simsay mpanoratra ary ny namany+ hafa izay nonina tany Samaria, mbamin’ny sisa tatỳ ampitan’ny Renirano: “Miarahaba anareo!+ 18  Efa voavaky tsara teto anatrehako ilay taratasy nalefanareo tatỳ aminay. 19  Koa nanome baiko aho, dia natao ny famotopotorana+ ka hita tokoa fa efa hatry ny ela be io tanàna io no nanohitra mpanjaka sy nikomy.+ 20  Nisy mpanjaka+ nahery tao Jerosalema, ary nanjaka tamin’izay rehetra tany ampitan’ny Renirano izy ireo,+ ka nandoavana hetra sy haba ary hetran-dalana.+ 21  Koa manomeza baiko hampitsaharana an’ireo vatan-dehilahy ireo, mba tsy hanorenana indray an’io tanàna io mandra-panomezako baiko. 22  Tandremo tsara mba tsy hatao an-tsirambina izany, sao hitombo ny fahavoazana ka ho matiantoka ny fanjakana.”+ 23  Rehefa voavaky teo anatrehan’i Rehoma+ sy Simsay+ mpanoratra ary ireo namany+ ny dika mitovy amin’ilay taratasin’i Artaksersesy Mpanjaka, dia lasa haingana izy ireo nankany amin’ny Jiosy tany Jerosalema, ary nanao an-keriny mba hampitsaharana ny asan’izy ireo.+ 24  Tamin’izay ny asa momba ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema no nitsahatra. Ary mbola nitsahatra izany hatramin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy+ mpanjakan’i Persa.

Fanamarihana

A.b.t.: “mihinana ny siran’ny lapa.”