Ezra 5:1-17

5  Ary i Hagay+ mpaminany sy Zakaria+ mpaminany zafikelin’i Ido,+ dia naminany teo amin’ireo Jiosy tany Joda sy Jerosalema, tamin’ny anaran’ilay+ Andriamanitry ny Israely izay nomba azy ireo.+  Tamin’izay i Zerobabela+ zanak’i Sealtiela,+ sy Jesoa+ zanak’i Jozadaka, no nanomboka nanorina indray ilay tranon’Andriamanitra tany Jerosalema. Ary nisy mpaminanin’Andriamanitra+ nanampy azy ireo.  Tamin’izany fotoana izany no tonga teo amin’izy ireo i Tatenay+ governora tatỳ ampitan’ny Renirano,+ sy Setara-bozenay mbamin’ny naman’izy ireo, ka nilaza hoe: “Iza no nanome baiko anareo hanorina an’io trano io sy hanao an’io rafitra hazo io?”+  Ary hoy koa izy ireo: “Iza avy no anaran’ireo vatan-dehilahy manorina an’io trano io?”  Ary nitsinjo+ an’ireo anti-panahin’ny Jiosy ny mason’ny+ Andriamaniny, ka tsy vitan’ireny ny nampitsahatra ny asan’izy ireo, mandra-pandefa tatitra tany amin’i Dariosy sy mandra-pahazo valin-taratasy momba izany.  Intỳ ny dika mitovy+ amin’ilay taratasy ho an’i Dariosy Mpanjaka, izay nalefan’i Tatenay+ governora tatỳ ampitan’ny Renirano,+ sy Setara-bozenay+ ary ireo namany+ izay governora lefitra tatỳ ampitan’ny Renirano.  Nandefasan’izy ireo taratasy izy, ka izao no voasoratra tao: “Ho an’i Dariosy Mpanjaka: “Fiadanana anie ho anao!+  Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin’ny faritanin’i+ Joda izahay, tany amin’ny tranon’ilay Andriamanitra lehibe.+ Misy manorina izy io, ka vato lehibe nakodiadia no anaovana azy, ary efa napetraka ireo hazo ao anaty rindrina. Mazoto manao ilay asa izy ireo, ka mandroso haingana izany.  Dia nanontanianay ireo anti-panahy ireo hoe: ‘Iza no nanome baiko anareo hanorina an’io trano io sy hanao an’io rafitra hazo io?’+ 10  Nanontanianay koa ny anaran’izy ireo mba hahafahanay hanoratra ny anaran’ireo vatan-dehilahy mpitarika azy ireo, ka hampahafantarinay anao.+ 11  “Ary izao no navalin’izy ireo anay: ‘Mpanompon’ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany izahay,+ ka manorina indray ilay trano efa natao taona maro lasa izay. Mpanjaka lehibe iray teo amin’ny Israely no nanorina sy namita azy io.+ 12  Nampahatezitra+ an’Andriamanitry ny lanitra anefa ny razanay, ka natolony+ teo an-tanan’i Nebokadnezara+ Kaldeanina,+ mpanjakan’i Babylona. Dia noravan’i Nebokadnezara ity trano+ ity, ary nataony sesitany tany Babylona ny vahoaka.+ 13  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Babylona anefa, dia nanome baiko mba hanorenana indray an’ity tranon’Andriamanitra ity i Kyrosy Mpanjaka.+ 14  Navoakany avy tao amin’ny tempolin’i Babylona koa ny fitaovana+ volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. I Nebokadnezara mantsy no naka an’ireo tany Jerosalema sy nitondra izany nankao amin’ny tempolin’i Babylona.+ Dia nomen’i Kyrosy Mpanjaka+ an’i Sesbazara+ ireny. Izany no anaran’ilay nataony governora.+ 15  Ary hoy izy taminy: “Ento ireo fitaovana ireo+ ka mandehana apetraho ao amin’ilay tempoly any Jerosalema. Ary aoka ny tranon’Andriamanitra haorina indray eo amin’ilay toerany taloha.”+ 16  Rehefa tonga io Sesbazara io dia nandatsaka ny fototry ny tranon’Andriamanitra+ teto Jerosalema izy. Koa nanomboka tamin’izay ilay trano no naorina indray, nefa mbola tsy vita hatramin’izao.’+ 17  “Raha mety amin’ny mpanjaka àry, dia aoka hisy fikarohana+ hatao ao amin’ny trano fitehirizana ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka ao Babylona, mba hahitana raha tena nisy baiko+ nomen’i Kyrosy Mpanjaka tokoa, hanorenana indray an’io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Ary aoka halefan’ny mpanjaka atỳ aminay izay fanapahan-keviny momba izany.”

Fanamarihana