Ezra 6:1-22

6  Tamin’izay i Dariosy Mpanjaka no nanome baiko, ka natao ny fikarohana tao amin’ny trano nisy ny taratasy+ sy ny harena napetraka tany Babylona.  Dia nisy horonam-boky hita tao Ekbatana, ilay toerana voaro mafy tany amin’ny faritanin’i Media,+ ka izao no hafatra voasoratra tao:  “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka,+ dia nanome baiko toy izao momba ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema, izy: Aoka haorina indray ilay trano mba hanoloran’izy ireo sorona.+ Tokony hatao mafy tsara ny fototr’ilay trano, ka ho enimpolo hakiho ny haavony, ary ho enimpolo hakiho ny sakany.+  Ary hatao telo andalana ireo vato lehibe nakodiadia,+ ary iray andalana ny hazo.+ Aoka ny tranon’ny mpanjaka no hiantoka ny lany.+  Aoka koa hoentina miverina ny fitaovana+ volamena sy volafotsin’ny tranon’Andriamanitra, izay nalain’i Nebokadnezara+ tao amin’ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny tany Babylona. Aoka ireny haverina any amin’ny toerany, ao amin’ny tempoly any Jerosalema, ka hapetraka ao an-tranon’Andriamanitra.+  “Aza manatonatona any,+ ry Tatenay+ governora any ampitan’ny Renirano+ sy Setara-bozenay+ mbamin’ireo namany, dia ireo governora lefitra+ any ampitan’ny Renirano.  Aza helingelenina ny asa momba an’io tranon’Andriamanitra io.+ Aoka ny governoran’ny Jiosy sy ny anti-panahiny hanorina azy io indray eo amin’ny toerany taloha.  Ary nanome baiko+ aho ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo anti-panahin’ny Jiosy ireo, mba hanorenana indray an’io tranon’Andriamanitra io. Ary avy ao amin’ny trano fitehirizana ny harenam-panjakana+ izay misy ny hetra avy any ampitan’ny Renirano, no hanomezana+ avy hatrany an’ireo vatan-dehilahy ireo mba handoavana izay lany, ary homena azy ireo foana izany.+  Tsy maintsy homena azy ireo tsy tapaka isan’andro koa izay ilaina, dia vantotr’ombilahy+ sy ondrilahy+ ary zanak’ondry+ hatao fanatitra dorana ho an’Andriamanitry ny lanitra, ary koa varimbazaha,+ sy sira,+ sy divay,+ ary menaka,+ araka izay lazain’ireo mpisorona any Jerosalema, 10  mba hanolorany tsy tapaka+ fanatitra+ sitrak’ilay Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany ho an’ny mpanjaka sy ny zanany.+ 11  Ary nanome baiko aho fa izay tsy manaraka+ an’izao didy izao, dia hakana hazo+ iray ny tranony ary hahantona+ eo amin’izany hazo izany izy, ka hatao kabinem-bahoaka ny tranony.+ 12  Ary ilay Andriamanitra izay nampitoetra ny anarany+ any Jerosalema anie, hanongana an’izay mpanjaka na olona mitady hanao zavatra tsy ara-dalàna ka mandrava+ an’ilay tranon’Andriamanitra any! Izaho Dariosy no manome baiko, ka aoka hatao avy hatrany izany.” 13  Dia nanaraka avy hatrany ny tenin’i Dariosy Mpanjaka, i Tatenay governora tatỳ ampitan’ny Renirano+ sy Setara-bozenay+ sy ny namany. 14  Ary notohizin’ireo anti-panahin’ny+ Jiosy foana ny fanorenana+ ka nandroso tsara, satria nampahery azy ireo ny faminanian’i Hagay+ mpaminany sy Zakaria+ zafikelin’i Ido.+ Koa nanorina sy namita ilay trano izy ireo, noho ny baikon’Andriamanitry ny Israely+ sy ny baikon’i Kyrosy,+ sy Dariosy,+ ary Artaksersesy+ mpanjakan’i Persa. 15  Dia vitan’izy ireo ilay trano tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,+ tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Dariosy Mpanjaka. 16  Ary nitokana+ an’io tranon’Andriamanitra io tamim-pifaliana ny zanak’Israely, dia ny mpisorona sy ny Levita+ ary ny sisa tamin’ireo avy any an-tsesitany.+ 17  Izao avy no natolotr’izy ireo tamin’ny fitokanana an’io tranon’Andriamanitra io: Omby zato, ondrilahy roanjato, zanak’ondry efajato, ary koa osilahy roa ambin’ny folo ho fanatitra noho ny ota ho an’ny Israely rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Israely.+ 18  Dia notendren’izy ireo araka ny sokajiny avy ny mpisorona, ary araka ny fizarany avy ny Levita+ mba hanao ny fanompoana an’Andriamanitra tao Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Mosesy.+ 19  Nankalaza ny Paska+ tamin’ny fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany+ ireo avy any an-tsesitany. 20  Ary niara-nidio+ ny mpisorona sy ny Levita, ka nadio avokoa. Koa novonoin’izy ireo ny biby atao sorona+ amin’ny Paska, ho an’ireo rehetra avy any an-tsesitany sy ho an’ireo mpisorona rahalahiny ary ho an’ny tenany. 21  Dia nihinana+ an’izany ny zanak’Israely izay nody avy any an-tsesitany, mbamin’izay rehetra nomba azy ireo ka niala tamin’ny fahalotoan’ireo+ firenena teo amin’ilay tany, mba hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 22  Ary nankalazain’izy ireo tamim-pifaliana nandritra ny fito andro, ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay.+ Fa nataon’i Jehovah izay hampifaly azy ireo, ary nataony niova+ fo tamin’izy ireo ny mpanjakan’i Asyria mba hanampy azy ireo tamin’ilay asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitry ny Israely.

Fanamarihana