Ezra 7:1-28

7  Taorian’izany, izany hoe tamin’ny fotoana nanjakan’i Artaksersesy+ mpanjakan’i Persa, dia nisy lehilahy atao hoe Ezra,+ zanak’i Seraia,+ zanak’i Azaria, zanak’i Hilkia,+  zanak’i Saloma,+ zanak’i Zadoka, zanak’i Ahitoba,+  zanak’i Amaria,+ zanak’i Azaria,+ zanak’i Meraiota,+  zanak’i Zerahia,+ zanak’i Ozy,+ zanak’i Boky,+  zanak’i Abisoa,+ zanak’i Finehasa,+ zanak’i Eleazara,+ zanak’i Arona+ lehiben’ny mpisorona.+  Eny, niakatra avy tany Babylona io Ezra io. Tena havanana izy tamin’ny fanaovana dika soratra+ ny lalàn’i Mosesy,+ izay nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. Dia nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, satria nanao soa taminy ny tanan’i Jehovah Andriamaniny.+  Koa niakatra nankany Jerosalema ny zanak’Israely sasany sy ny mpisorona+ sasany, mbamin’ny Levita,+ sy ny mpihira,+ sy ny mpiandry vavahady+ ary ny Netinima,+ tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy+ Mpanjaka.  Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito nanjakan’io mpanjaka io.  Fa tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany i Ezra no nandidy ny hiakarana avy tany Babylona. Ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahadimy izy no tonga tany Jerosalema, araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy.+ 10  Nanomana+ ny fony mantsy i Ezra mba handinika sy hitandrina+ ny lalàn’i Jehovah,+ ary hampianatra+ ny fitsipika+ sy ny rariny+ eo amin’ny Israely. 11  Ary toy izao ny dika mitovy amin’ilay taratasy nomen’i Artaksersesy Mpanjaka an’i Ezra, izay mpisorona sady mpanao dika soratra+ ny didin’i Jehovah sy ny fitsipiny ho an’ny Israely: 12  “Avy amin’i Artaksersesy,+ ilay mpanjakan’ny mpanjaka,+ ho an’i Ezra mpisorona, ilay mpanao dika soratra ny lalàn’Andriamanitry ny lanitra:+ Ho be fiadanana anie ianao!+ 13  Efa nanome baiko+ aho, fa ny vahoakan’Israely rehetra sy ny mpisorony ary ny Levitany eto amin’ny fanjakako,+ izay te hankany Jerosalema hiaraka aminao, dia mahazo mandeha.+ 14  Nandefa baiko mantsy ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy+ fito mba hanaovana famotopotorana+ momba an’i Joda sy Jerosalema, araka ilay lalàn’Andriamanitrao+ eo am-pelatananao, 15  ary mba hitondrana ny volafotsy sy volamena izay nomen’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy, eny, nomeny an-tsitrapo+ ho an’Andriamanitry ny Israely monina any Jerosalema.+ 16  Ampiarahina amin’ireo koa ny volafotsy sy ny volamena rehetra hitanao manerana ny faritanin’i Babylona, mbamin’ny fanomezana ataon’ny olona+ sy ny mpisorona izay omeny an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny+ any Jerosalema. 17  Koa avy hatrany io vola io dia ividiano ombilahy+ sy ondrilahy+ ary zanak’ondry,+ mbamin’izay fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ miaraka amin’ireo, ka atolory eo amin’ny alitaran’ny tranon’Andriamanitrareo+ any Jerosalema izany.+ 18  “Ny ambin’ny volafotsy sy ny volamena, dia ampiasao amin’izay hitanao sy hitan’ny rahalahinao fa mety,+ araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.+ 19  Ary atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema avokoa, ny fitaovana+ omena anao mba hampiasaina amin’ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitrao.+ 20  Ary izay zavatra mbola ilaina amin’ny tranon’Andriamanitrao, ka tokony homenao, dia alaivo avy ao amin’ny trano fitehirizan-karenan’ny mpanjaka.+ 21  “Ary izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia nanome baiko+ ny mpitahiry ny harenam-panjakana+ rehetra any ampitan’ny Renirano,+ fa izay rehetra angatahin’i Ezra+ mpisorona, ilay mpanao dika soratra ny lalàn’Andriamanitry ny lanitra, dia tokony homenareo azy avy hatrany, 22  na dia hatramin’ny talenta+ volafotsy zato sy varimbazaha zato kora*+ sy divay+ zato bata*+ sy menaka+ zato bata ary sira+ tsy misy fetrany aza. 23  Ary aoka hotanterahina amin-kafanam-po+ avokoa ny baikon’Andriamanitry+ ny lanitra ho an’ny tranon’ilay Andriamanitry ny lanitra,+ sao hiharan’ny fahatezerana ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.+ 24  Ampahafantariko anareo koa fa tsy azo ampandoavina hetra na haba+ na hetran-dalana+ ny mpisorona,+ sy ny Levita,+ sy ny mpitendry zavamaneno,+ sy ny mpiandry varavarana,+ sy ny Netinima,+ ary ny mpiasa ao amin’io tranon’Andriamanitra io. 25  “Ary ianao, ry Ezra, ampiasao ny fahendrena+ nomen’Andriamanitrao anao, mba hanendrena mpahay lalàna sy mpitsara, hitsarany+ ny olona rehetra any ampitan’ny Renirano, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’Andriamanitrao. Ary izay tsy mahafantatra izany dia ampianaro.+ 26  Fa izay rehetra tsy mety mankatò ny lalàn’Andriamanitrao+ sy ny lalàn’ny mpanjaka, dia aoka izy hampiharana avy hatrany ny didim-pitsarana, ka hovonoina ho faty+ na horoahina,+ na hampandoavina sazy+ na hogadraina.” 27  Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny razantsika,+ izay nanao izany tao am-pon’ny+ mpanjaka, mba hahatsara tarehy+ ny tranon’i Jehovah any Jerosalema! 28  Nanehoany hatsaram-panahy feno fitiavana+ aho, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy+ ary ny andriana mahery rehetra ao amin’ny mpanjaka. Ary nihanahery aho, satria nomba ahy ny tanan’i+ Jehovah Andriamanitro. Dia nangoniko ireo lohandohany teo amin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko.

Fanamarihana

1 bata = 22 litatra.
1 kora = 220 litatra.