Ezra 9:1-15
9 Raha vao vita izany, dia nanatona ahy ireo andriana ka niteny hoe: “Tsy misaraka amin’ny mponina manodidina ange ny vahoakan’Israely sy ny mpisorona ary ny Levita e! Ry zareo koa tsy mety miala amin’ny fanaony maharikoriko,+ dia ny fanaon’ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Jebosita, ny Amonita, ny Moabita, ny Ejipsianina,+ ary ny Amorita.+
2 Fa nalain’izy ireo ho vadiny sy ho vadin’ny zanany lahy ny sasany tamin’ny zanakavavin’ireny.+ Dia lasa nifangaroharo tamin’ny mponina manodidina+ ry zareo nefa taranaka masina.+ Ary ny andriana sy ny solontenam-panjakana no voalohany nivadika hoatr’izany.”
3 Raha vao henoko izany, dia norovitiko ny akanjoko anatiny sy ivelany, ary nongotako ny volon-dohako sy ny volombavako, ka tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka.
4 Ary nitangorona teo amiko daholo izay nanaja ny* tenin’ny Andriamanitry ny Israely, satria nalahelo izy ireo fa nivadika ny olona avy natao sesitany. Mbola tafapetraka teo aho fa kivy tanteraka, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva.+
5 Ary nipetraka ela be teo aho fa nalahelo be. Dia nitsangana aho tamin’ny fotoanan’ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ ary mbola teny amiko ny akanjoko anatiny sy ivelany norovitiko. Dia nandohalika aho ka namelatra ny tanako ho amin’i Jehovah Andriamanitro.
6 Ary hoy aho: “Andriamanitro ô! Menatra sy sadaikatra aho ny hiandrandra any aminao, ry Andriamanitro ô! Fa lasa be dia be ny fahadisoanay ka mihoatra ny lohanay, ary efa manakatra ny lanitra ny helokay.+
7 Tena lehibe ny helokay, hatramin’ny andron’ny razambenay ka hatramin’izao.+ Ary noho ny fahadisoanay, dia navela ho resin’ny mpanjakan’ny tany hafa izahay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay. Dia novonoina tamin’ny sabatra+ izahay, nentina ho babo,+ norobaina,+ ary nalam-baraka, hoatran’izao androany izao.+
8 Izao anefa mba mankasitraka anay vetivety ianao, ry Jehovah Andriamanitray, ka navelanao ho afa-mandositra ny sasany aminay, sady nataonao tsy manana ahiahy* ao amin’ny toeranao masina+ izahay. Amin’izay dia ho falifaly izahay,* ry Andriamanitray ô, ary ho velombelona kely izahay na dia andevozina aza.
9 Tsy nafoinao izahay na dia mpanompo+ sady andevozina aza, ry Andriamanitray ô! Tia anay sady tsy mivadika aminay kosa ianao, ka nataonao nahazo sitraka tamin’ny mpanjakan’i Persa+ izahay. Tianao ho velombelona mantsy izahay ka hanorina indray an’ilay tranon’ny Andriamanitray+ efa rava, ary tianao homena manda vato* eto Joda sy Jerosalema.
10 “Inona intsony àry izao no holazainay, ry Andriamanitray ô? Fa tsy narahinay ny didinao,
11 izay nomenao anay tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanomponao, hoe: ‘Ny tany hidiranareo izay ho lasanareo dia tany voaloto, satria maloto ny mponina ao sady maharikoriko ny fanaony. Nofenoiny fanao maloto ilay tany manontolo.+
12 Aza omena ho vadin’ny zanany lahy àry ny zanakareo vavy, ary aza ekena ho vadin’ny zanakareo lahy ny zanany vavy.+ Aza mitady izay hahasoa azy mihitsy na manao izay hiadanany.+ Amin’izay ianareo dia hihamahery sy hihinana izay tsara eo amin’ilay tany. Dia ho lasanareo ilay tany ka ho lovan’ny zanakareo mandrakizay.’
13 Efa izao no manjo anay noho izahay nanao ratsy sy tena meloka, nefa ianao aza tsy namaly anay araka ny fahadisoanay,+ ry Andriamanitray ô, fa mbola navelanao handositra izahay ireto.+
14 Dia mbola handika ny didinao indray ve izahay ka hifanambady* amin’olona manao an’ireo zavatra maharikoriko ireo?+ Tsy ho tezitra be aminay ve ianao ka handringana anay tanteraka, dia tsy hisy hiangana na ho tafavoaka velona intsony izahay?
15 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, manao ny rariny ianao,+ satria mbola misy miangana izahay ka mbola velona hatramin’izao. Koa indreto izahay meloka eto anatrehanao, na dia tsy tokony hijoro eto anatrehanao aza izahay noho izay nataonay.”+