Ho An’ny Filipianina 1:1-30
1 Avy amin’i Paoly sy Timoty, mpanompon’i Kristy Jesosy.
Ho an’ny olona masina rehetra tafaray amin’i Kristy Jesosy any Filipy,+ anisan’izany ny mpiandraikitra sy ny mpikarakara fiangonana,+
2 Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sady hanome fiadanana anareo!
3 Misaotra an’Andriamanitro foana aho isaky ny mahatsiaro anareo
4 ka mitalaho ho anareo rehetra. Falifaly foana aho isaky ny mitalaho ho anareo,+
5 satria nandray anjara tamin’ny fitoriana* ny vaovao tsara ianareo, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’izao.
6 Azoko antoka mantsy fa hamita an’ilay asa tsara natombony teo aminareo Andriamanitra,+ mandra-pahatongan’ny andron’i Kristy Jesosy.+
7 Ary rariny raha izany no eritreretiko momba anareo rehetra, satria ato am-poko ianareo. Nanehoana hatsaram-panahy miavaka hoatr’ahy mantsy ianareo ka nanampy ahy, na amin’izao izaho voafatotra rojo vy+ izao, na tamin’izaho niaro ny vaovao tsara sy niezaka hahazo zo ara-dalàna hitory an’izany.+
8 Andriamanitra no vavolombelona fa tena malahelo anareo rehetra aho, sady tena tia anareo hoatran’ny itiavan’i Kristy Jesosy anareo.
9 Ary izao foana no angatahiko amin’ny vavaka: Mba hitombo foana ny fitiavanareo,+ sady hahafantatra tsara+ sy tena hahatakatra+ ny sitrapon’Andriamanitra ianareo.
10 Mivavaka foana koa aho mba ho hainareo ny hamantatra an’izay zava-dehibe kokoa.+ Dia amin’izay ianareo tsy hisy tsiny sady tsy hampihemotra ny sasany+ mandra-pahatongan’ny andron’i Kristy.
11 Dia amin’izay koa ianareo ho feno ny vokatry ny fahamarinana, izay azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy,+ ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.
12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra manjo ahy.
13 Dia lasa fantatry ny olona+ eo amin’ireo Mpiambina An’i Kaisara sy ny olona hafa rehetra fa noho i Kristy no nahatonga ahy ho voafatotra rojo vy.+
14 Lasa feno toky àry ny ankamaroan’ireo rahalahy ao amin’ny Tompo noho izaho voafatotra rojo vy. Vao mainka sahy mitory ny tenin’Andriamanitra koa izy ireo sady tsy matahotahotra mihitsy.
15 Marina fa mitory an’i Kristy ny olona sasany satria mialona sy tia mifamaly. Ny hafa kosa mitory satria tso-po,
16 ka noho ny fitiavana no itoriany an’i Kristy, satria fantany fa voatendry hiaro ny vaovao tsara+ aho.
17 Te hiady* fotsiny anefa ireny olona mialona ireny matoa mitory, fa tsy hoe te hanao ny tsara. Mbola te hanahirana ahy mantsy izy ireny nefa izaho amin’izao efa mifatotra rojo vy.
18 Dia inona no vokany? Izao ihany: Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, na amim-pihatsarambelatsihy na amim-pahatsorana, dia torina foana i Kristy, ka izany no mahafaly ahy. Ary ho faly foana koa aza aho,
19 satria fantatro fa hovonjena aho noho ny fitalahoanareo+ sy noho ny fanampian’ny fanahin’i Jesosy Kristy.+
20 Tena matoky sy manantena mantsy aho fa tsy ho menatra mihitsy ka ho sahy hiteny. Matoky koa aho fa homena voninahitra amin’ny alalako* i Kristy amin’izao, hoatran’ny hatramin’izay, na velona aho na maty.+
21 Izaho kosa raha velona, dia velona ho an’i Kristy,+ ary raha maty, dia mahazo tombony.+
22 Koa raha mbola nofo aman-dra aho, dia hisy vokany kokoa ny asako. Tsy ampahafantariko anefa izay hofidiko.
23 Sahiran-tsaina aho amin’ireo safidy roa ireo. Fa tena te ho afaka aho dia hiaraka amin’i Kristy,+ satria izany no mbola tsara lavitra.+
24 Mahasoa anareo kokoa anefa raha mbola nofo aman-dra aho.
25 Azoko antoka izany, ka fantatro fa mbola ho velona aho sady mbola hiaraka aminareo rehetra foana, amin’izay ianareo handroso sy ho falifaly satria mino.
26 Dia amin’izay vao mainka ho faly be noho ny amiko ianareo mpianatr’i Kristy Jesosy, rehefa eo aminareo indray aho.
27 Tiako fotsiny raha mitondra tena* mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy+ ianareo. Amin’izay, na rehefa tonga aho ka hahita anareo na rehefa tsy eo, dia ho henoko hoe mafy orina sady miray saina ianareo, ary miara-miezaka toy ny olona iray*+ mba hino ny vaovao tsara foana,
28 sady tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra anareo mihitsy. Izany mantsy no porofo hoe haringana+ izy ireny, fa ianareo kosa hovonjena.+ Ary avy amin’Andriamanitra izany.
29 Nomena voninahitra mantsy ianareo, tsy hoe hino an’i Kristy fotsiny, fa hijaly noho ny aminy koa.+
30 Fa miady mafy hoatran’ny efa nataoko koa ianareo izao,+ ary henonareo hoe mbola miady mafy aho hatramin’izao.