Filipianina 4:1-23

4  Noho izany, ry rahalahy malalako sy mahamanina ahy, ry fifaliako sy satroboninahitro,+ aoka ianareo ho mafy orina+ toy izany hatrany, ao amin’ny Tompo, ry malalako.  Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke mba hiray saina+ ao amin’ny Tompo izy ireo.  Eny, mangataka anao koa aho, ry ilay tena mpiray zioga+ amiko, mba hanampy foana azy roa vavy, fa niara-niasa mafy tamiko+ teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, mbamin’i Klementa sy ny mpiara-miasa amiko hafa rehetra,+ izay samy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana+ ny anarany.+  Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo,+ eny, hoy indray aho: Mifalia!+  Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja*+ ianareo. Akaiky ny Tompo.+  Aza manahy na amin’inona na amin’inona,+ fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo,+ amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana+ mbamin’ny fisaorana.  Ary ny fiadanan’Andriamanitra+ izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo+ sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.  Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona zava-dehibe, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio,+ na inona na inona mahatehotia, na inona na inona tsara laza, na inona na inona misy hatsarana, ary na inona na inona mendri-piderana, dia izany foana heverina.+  Ataovy hatrany ireo zavatra nianaranareo sy nekenareo sy renareo ary hitanareo tamiko.+ Ary ho aminareo ilay Andriamanitry ny fiadanana!+ 10  Tena faly be aho eo am-panompoana ny Tompo, satria ela ny ela ka mieritreritra momba izay hahasoa ahy indray ianareo ankehitriny.+ Efa tena nieritreritra izany ianareo, saingy tsy afa-nanoatra. 11  Tsy hoe ao anatin’ny tsy fisiana anefa aho raha milaza izany, satria efa nianatra ny hianina+ aho na inona na inona toe-javatra misy ahy. 12  Haiko tsara ny hoe ao anatin’ny tsy fisiana,+ ary haiko tsara koa ny hoe manam-be. Tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.+ 13  Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.+ 14  Na izany aza, dia tsara ny nataonareo satria niombom-pahoriana+ tamiko ianareo. 15  Fantatrareo Filipianina koa fa tsy nisy fiangonana mba niara-niasa tamiko raha ny amin’ny fanomezana sy ny fandraisana, afa-tsy ianareo ihany, fony vao notorina ny vaovao tsara, tamin’izaho niala tany Makedonia.+ 16  Izany no izy, satria na dia mbola tany Tesalonika aza aho, dia nandefa zavatra ho ahy ianareo indray mandeha, eny, indroa mihitsy aza, mba hahazoako izay nilaiko. 17  Tsy hoe mitady fatratra ny hahazo fanomezana aho akory,+ fa mitady fatratra ny vokatra izay mampitombo ny kaonty anananareo kosa. 18  Manana ny ampy anefa aho amin’ny zavatra rehetra, ary manam-be. Tena afa-po aho nandray ny zavatra nampitondrainareo an’i Epafrodito.+ Ireny zavatra ireny dia hanitra mamerovero+ sady sorona+ ankasitrahan’Andriamanitra sy tena mahafaly azy. 19  Ary Andriamanitro+ indray kosa no hanome anareo izay rehetra ilainareo,+ araka ny haben’ny harenany+ ao amin’ny voninahitra, amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. 20  Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!+ Amena. 21  Mampamangy+ any amin’ny olona masina rehetra tafaray+ amin’i Kristy Jesosy. Mampamangy, hono, ianareo, hoy ireo rahalahy eto amiko. 22  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.+ 23  Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo!+

Fanamarihana

Na: “mandefitra.”