Fitomaniana 3:1-66

א [Alefa] 3  Izaho ilay lehilahy tomady nahita fahoriana+ noho ny tsorakazon’ny fahatezerany.   Izaho ilay notarihiny sy nampandehaniny tao amin’ny haizina fa tsy tao amin’ny mazava.+   Eny, izaho no nasian’ny tanany imbetsaka tontolon’ny andro.+ ב [Beta]   Nataony mihalany ny nofoko sy ny hoditro.+ Notapatapahiny ny taolako.+   Nanangana zavatra hamelezana ahy izy, ka fahoriana sy zavamaniry misy poizina+ no nataony manodidina+ ahy.   Napetrany tao amin’ny toerana maizina+ aho, toy ny olona maty efa ela.+ ג [Gimela]   Nofefeny manodidina aho, toy ny hoe nofefena rindrim-bato, mba tsy ho tafavoaka.+ Nasiany gadra varahina+ mavesatra ny tongotro.   Sakanany koa ny vavaka ataoko, rehefa mitady fanampiana sy miantso vonjy aho.+   Nosakanany tamin’ny vato voapaika ny lalako,+ sady nataony niolakolaka be.+ ד [Daleta] 10  Amiko dia toy ny orsa mamitsaka hamely izy,+ ary toy ny liona ao amin’ny toeram-piafenana.+ 11  Nokorontaniny ny lalako, ary navelany nipetra-potsiny teo aho. Nataony tsy nisy mponina intsony tao amiko.+ 12  Nafatony ny tadin-tsipìkany,+ ary natsangany ho lasibatry ny zana-tsipìka aho.+ ה [He] 13  Nataony nitsatoka tamin’ny voako ny zana-tsipìkany.+ 14  Nanjary nanao ahy ho fihomehezana+ ireo rehetra nanohitra ahy, sady nanao ahy ho ambentin-kira nandritra ny andro manontolo.+ 15  Novokisany zava-mangidy aho,+ ary nataony tofoka zavamaniry mangidy.+ ו [Vao] 16  Ataony tapatapaka ny nifiko noho ny vato kely.+ Ataony mitampify ao anaty lavenona aho.+ 17  Arianao koa aho ka tsy mahita fiadanana. Tsy tsaroako intsony izay tsara.+ 18  Ary miteny foana aho hoe: “Nanjavona ny voninahitro sy izay nantenaiko tamin’i Jehovah.”+ ז [Zaina] 19  Tsarovy fa ory sy tsy manam-ponenana aho,+ ary mihinana zavamaniry mangidy sy zavamaniry misy poizina.+ 20  Hahatsiaro izany tokoa ianao* ka hiondrika eo amiko.+ 21  Izany no hatamberiko ato an-tsaiko.+ Noho izany, dia ho vonona hiandry aho.+ ח [Heta] 22  Ny hatsaram-panahy feno fitiavana+ asehon’i Jehovah no tsy maharipaka tanteraka antsika,+ satria tsy ho lany ny famindram-pony.+ 23  Vaovao isa-maraina izany.+ Tena mendri-pitokisana tokoa ianao.+ 24  Hoy aho: “I Jehovah no anjarako.+ Noho izany, dia ho vonona hiandry azy aho.”+ ט [Teta] 25  Tsara i Jehovah amin’izay manantena azy,+ eny, amin’izay* mitady azy foana.+ 26  Tsara ny miandry+ amim-panginana+ ny famonjen’i Jehovah.+ 27  Tsara ho an’ny lehilahy tomady ny mitondra zioga mandritra ny fahatanorany.+ י [Yôda] 28  Aoka izy hipetraka irery sy hangina,+ rehefa novesarany an’izany.+ 29  Aoka izy hanohoka ny vavany amin’ny vovoka.+ Angamba misy fanantenana ihany.+ 30  Aoka izy hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy.+ Aoka izy ho afa-baraka tanteraka.+ כ [Kafa] 31  Fa i Jehovah tsy hanary mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 32  Fa na dia nahatonga fahoriana aza izy,+ dia hamindra fo tokoa araka ny haben’ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+ 33  Fa tsy sitraky ny fony ny mampahory sy manao izay hampalahelo ny zanak’olombelona.+ ל [Lameda] 34  Fa ny manosihosy+ ny voafonja rehetra eto an-tany,+ 35  Sy ny mamoaka didim-pitsarana tsy ara-drariny eo anatrehan’ny Avo Indrindra,+ 36  Ary ny mamadika ny rariny ho an’izay tokony hahazo izany eo amin’ny fitsarana, dia tsy ankasitrahan’i Jehovah.+ מ [Mema] 37  Iza no milaza fa misy zavatra hitranga, nefa i Jehovah aza tsy nandidy ny amin’izany?+ 38  Tsy miara-mivoaka amin’ny vavan’ny Avo Indrindra ny ratsy sy ny tsara.+ 39  Nahoana moa no hitaraina lava+ ny olombelona noho ny fahotana vitany?+ נ [Nona] 40  Aoka isika handinika sy hamantatra ny lalantsika,+ ka hiverina amin’i Jehovah.+ 41  Aoka isika hanandratra ny fontsika sy ny tanantsika amin’Andriamanitra any an-danitra,+ ka hanao hoe: 42  “Efa nandika lalàna sy nikomy izahay.+ Tsy namela heloka ianao.+ ס [Sameka] 43  Nosakananao tamin-katezerana izahay tsy hanatona anao,+ ary manenjika anay foana ianao.+ Namono ianao, ary tsy nangoraka mihitsy.+ 44  Rahona matevina no nataonao sakana tsy ahafahana manatona anao,+ mba ho voasakana ny vavaka.+ 45  Nataonao zavatra fanary sy fako teo amin’ireo firenena izahay.”+ פ [Pe] 46  Niloa-bava nanohitra antsika ny fahavalontsika rehetra.+ 47  Horohoro sy lavaka,+ ary fahafoanana sy fahavoazana no anjarantsika.+ 48  Mikoriana toy ny renirano ny ranomasoko noho ny fahalavoan’ny oloko zanakavavy.+ ע [Aina] 49  Mirotsa-dranomaso tsy an-kijanona ny masoko, ka tsy misy fiatoana,+ 50  Mandra-piondrik’i Jehovah hijery avy any an-danitra.+ 51  Nampahory ahy izay hitan’ny masoko,+ noho ny amin’ny tanàna keliko rehetra.+ צ [Tsade] 52  Tena nihaza ahy tsy amin’antony,+ toy ny mihaza vorona,+ ny fahavaloko. 53  Nanafoana ny aiko tao anaty lavaka izy ireo,+ ary nitora-bato ahy. 54  Nandifotra ny lohako ny rano,+ ka hoy aho: “Tena ho faty aho!”+ ק [Kôfa] 55  Jehovah ô, niantso ny anaranao avy tao amin’ny lavaka lalina dia lalina aho.+ 56  Ho renao tokoa ny feoko.+ Aza manampin-tsofina tsy hanafaka ahy. Aza manampin-tsofina rehefa miantso vonjy aho.+ 57  Nanatona ianao tamin’ilay andro niantsoako anao,+ ka niteny hoe: “Aza matahotra.”+ ר [Resa] 58  Niady ho ahy teo amin’ny fitsarana ianao, Jehovah ô!+ Navotanao ny aiko.+ 59  Hitanao ny ratsy natao tamiko, Jehovah ô!+ Aoka ianao hiady ho ahy eo amin’ny fitsarana.+ 60  Hitanao ny valifatiny rehetra, sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy.+ ש [Sina] na [Shina] 61  Jehovah ô, efa renao ny fanalam-baraka nataony sy ny teti-dratsy rehetra namelezany ahy,+ 62  Ary koa ny tenin’ireo mitsangana hanohitra ahy,+ sy ny bitsibitsika ataony tontolon’ny andro mba hamelezana ahy.+ 63  Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany.+ Nataony ambentin-kira aho.+ ת [Tao] 64  Hamaly azy araka izay nataony ianao, Jehovah ô!+ 65  Hataonao lasa mpanivaiva izy,+ ka izany no fanozonanao azy.+ 66  Henjehinao amin-katezerana izy, Jehovah ô, ka haripakao+ tsy ho etỳ ambanin’ny lanitrao.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
‘izay.’ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.