Fitomaniana 5:1-22

5  Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay.+ Jereo ka diniho ny latsa mahazo anay.+   Natolotra ho an’ny vahiny ny lovanay, ary ho an’ny hafa firenena ny tranonay.+   Lasa kamboty tsy manan-dray izahay,+ ary toy ny mpitondratena ny reninay.+   Anay ny rano nefa nandoa vola izahay vao afaka nisotro,+ ary anay ny kitay nefa nividy izahay vao nahazo.   Nenjehina akaiky dia akaiky izahay.+ Sasatra izahay, ary tsy navela haka aina mihitsy.+   Nanolotra ny tananay+ tamin’i Ejipta+ sy Asyria+ izahay mba ho voky sakafo.   Ny razanay no nanota,+ ary tsy eo intsony izy ireo. Fa izahay kosa no nibaby ny fahadisoany.+   Mpanompo no nifehy anay,+ ary tsy mba nisy nisintona anay teny an-tanany.+   Nanao vivery ny ainay izahay vao nahazo sakafo,+ noho ny sabatra tany an-tany efitra. 10  Nahamay be toy ny lafaoro ny hoditray, noho ny fanaikitry ny hanoanana.+ 11  Nampietrena ny vehivavy tao Ziona,+ sy ny virjiny tany amin’ireo tanànan’i Joda. 12  Ny andriana dia nahantona tamin’ny tanany,+ ary tsy nohajaina ny lahiantitra.+ 13  Nibata vato fikosoham-bary ny tovolahy,+ ary nangozohozo ny tongotry ny zazalahy nilanja kitay.+ 14  Tsy nisy lahiantitra intsony teo am-bavahady,+ ary tsy nisy tovolahy nitendry zavamaneno intsony.+ 15  Nitsahatra ny fifalian’ny fonay, ary niova ho fisaonana ny fandihizanay.+ 16  Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay.+ Idiran-doza izahay satria nanota!+ 17  Narary ny fonay noho izany.+ Lasa nanjavozavo ny masonay noho izany zavatra izany,+ 18  Sy noho ny amin’ny tendrombohitr’i Ziona izay lasa aolo+ ka nandehandehanan’ny amboadia.+ 19  Jehovah ô, hipetraka mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao eo amin’ny seza fiandriananao,+ izay haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 20  Nahoana ianao no manadino anay mandrakizay,+ ka mahafoy anay ela be?+ 21  Ampodio ho aminao izahay,+ Jehovah ô, dia hody avy hatrany. Itondray andro vaovao toy ny tamin’ny fahiny izahay.+ 22  Nafoinao tokoa anefa izahay.+ Tena tsy faly aminay mihitsy ianao.+

Fanamarihana