Galatianina 1:1-24

1  Paoly,+ apostoly+ tsy voatendrin’olona na voatendry tamin’ny alalan’olona, fa tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy+ sy Andriamanitra Ray,+ izay nanangana azy tamin’ny maty,+  eny, izaho Paoly sy ny rahalahy rehetra miaraka amiko.+ Ho an’ireo fiangonana any Galatia,+  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana+ izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!  Nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika izy+ mba hanafahany antsika amin’ity tontolo ratsy ity,+ araka ny sitrapon’ilay+ Andriamanitra Raintsika.  Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!+ Amena.  Gaga aho fa izao sahady ianareo dia efa miala amin’Ilay+ niantso anareo tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i+ Kristy, ka mifindra ho amin’ny vaovao tsara karazany hafa.+  Tsy vaovao tsara anefa ilay izy, fa misy olona manakorontana+ anareo kosa, sy te hanolana an’ilay vaovao tsara momba an’i Kristy.+  Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra, no mitory vaovao tsara aminareo ankoatra an’ilay vaovao tsara efa notorinay taminareo, dia aoka izy ho voaozona.+  Eny, araka ny voalazanay tetsy aloha, ary mbola averiko eto indray hoe: Izay mitory vaovao tsara aminareo ankoatra an’ilay efa noraisinareo,+ dia aoka izy ho voaozona. 10  Olona ve no reseko lahatra, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’olona aho?+ Raha mbola mila sitraka amin’olona+ mantsy aho, dia tsy mpanompon’i Kristy.+ 11  Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, fa tsy avy tamin’olombelona ilay vaovao tsara notoriko.+ 12  Fa tsy noraisiko avy tamin’olona izy io sady tsy nampianarina ahy, fa nahariharin’i Jesosy Kristy tamiko kosa.+ 13  Mazava ho azy fa efa renareo izay nataoko fony aho mbola nanaraka ny Fivavahan’ny Jiosy,+ fa tafahoatra loatra ny nanenjehako+ sy ny nandravako tsy an-kijanona ny fiangonan’Andriamanitra.+ 14  Ary nandroso tamin’ny Fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny ankamaroan’ireo nitovy taona tamiko teo amin’ny iray firazanana tamiko aho,+ satria tena fatra-panaja+ ny fampianarana nolovako avy tamin’ny razako.+ 15  Fa Andriamanitra, izay nahatonga ahy ho teraka avy tao an-kibon-dreniko, no niantso+ ahy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.+ Ary rehefa hitany fa tsara 16  ny hampiharihariana ny Zanany tamin’ny alalako+ mba hitoriako ny vaovao tsara momba azy any amin’ny hafa firenena,+ dia tsy naka hevitra avy hatrany tamin’ny nofo aman-dra+ aho, 17  na niakatra tany Jerosalema ho any amin’ireo apostoly talohako,+ fa nankany Arabia ary niverina indray tany Damaskosy.+ 18  Ary telo taona tatỳ aoriana aho vao niakatra tany Jerosalema+ mba hitsidika an’i Kefasy,+ ka nijanona dimy ambin’ny folo andro tany aminy. 19  Fa tsy nahita apostoly hafa, ankoatra an’i Jakoba+ rahalahin’ny+ Tompo, aho. 20  Ary ny amin’izao zavatra soratako aminareo izao, dia eo anatrehan’Andriamanitra no ilazako fa tsy mandainga aho.+ 21  Nankany+ amin’ny faritr’i Syria sy Kilikia aho taorian’izay. 22  Mbola tsy nahita ny endriko ireo fiangonana tany Jodia, izay tafaray amin’i Kristy.+ 23  Ny hany ren’izy ireo matetika kosa dia hoe: “Ilay mpanenjika+ antsika taloha dia efa mitory ny vaovao tsara momba ilay finoana noravany fahiny.”+ 24  Koa nanome voninahitra+ an’Andriamanitra izy ireo noho ny amiko.

Fanamarihana